Mpitsara 10:1-18

10  Taorian’ny nahafatesan’i Abimeleka, dia nitsangana hamonjy+ ny Israely i Tola zanak’i Poha, zanak’i Dodo, lehilahy avy amin’ny fokon’i Isakara. Nonina tany Samira, any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima,+ izy.  Ary nitsara ny Israely nandritra ny telo amby roapolo taona izy. Dia maty izy ka nalevina tao Samira.  Ary nitsangana nandimby azy i Jaira Gileadita,+ izay nitsara ny Israely nandritra ny roa amby roapolo taona.  Telopolo lahy ny zanany, izay nitaingina ampondra+ telopolo sy nanana tanàna telopolo. Mbola antsoina hoe Havota-jaira+ ireo tanàna ireo mandraka androany, ary any Gileada no misy azy.  Dia maty i Jaira ka nalevina tao Kamona.  Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah indray ny zanak’Israely,+ ka nanompo an’ireo Bala,+ sy ireo sarin’i Astarta,+ sy ireo andriamanitr’i Syria,+ sy ireo andriamanitr’i Sidona,+ sy ireo andriamanitr’i Moaba,+ sy ireo andriamanitry ny taranak’i Amona,+ ary ireo andriamanitry ny Filistinina.+ Koa nahafoy an’i Jehovah izy ireo ary tsy nanompo azy.+  Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’i Jehovah,+ ka namidiny+ teo an-tanan’ny Filistinina+ sy ny taranak’i Amona+ izy ireo.  Koa nampijalin’ireo sy nampahoriny mafy ny zanak’Israely tamin’izany taona izany. Eny, nampahorin’izy ireo nandritra ny valo ambin’ny folo taona ny zanak’Israely rehetra, izay nonina teny ampitan’i Jordana, tany amin’ny tanin’ny Amorita, tany Gileada.  Ary niampita an’i Jordana mihitsy aza ny taranak’i Amona mba hiady tamin’ny fokon’i Joda sy Benjamina ary Efraima, ka ory dia ory ny Israely.+ 10  Dia niantso vonjy tamin’i Jehovah ny zanak’Israely+ hoe: “Efa nanota taminao izahay,+ satria efa nahafoy an’Andriamanitray ka manompo an’ireo Bala.”+ 11  Dia hoy i Jehovah tamin’ny zanak’Israely: “Tsy avy teo an-tanan’ny Ejipsianina+ sy ny Amorita+ sy ny taranak’i Amona+ sy ny Filistinina+ 12  sy ny Sidonianina+ sy ny Amalekita+ ary ny Midianina+ ve no namonjeko anareo, rehefa nampahory anareo ireny,+ ka nitaraina mafy tamiko ianareo? 13  Fa ianareo kosa nahafoy ahy+ ary nanompo andriamani-kafa,+ ka tsy hamonjy anareo intsony aho.+ 14  Mandehana miantso vonjy any amin’ireo andriamanitra+ nofidinareo.+ Aoka ireny no hamonjy anareo amin’ny fotoana ahitanareo fahoriana.” 15  Hoy anefa ny zanak’Israely tamin’i Jehovah: “Efa nanota izahay,+ ka ataovy aminay izay hitanao fa mety.+ Fa mba afaho fotsiny re izahay anio e!”+ 16  Ary nanomboka nanaisotra an’ireo andriamani-kafa tsy ho eo aminy izy ireo,+ ka nanompo an’i Jehovah.+ Koa tsy zakan’Andriamanitra intsony ny nijery ny fahorian’ny Israely.+ 17  Tatỳ aoriana, dia novorina ny taranak’i Amona+ ka nanangana toby tao Gileada+ izy ireo. Koa nivory ny zanak’Israely ka nanangana toby tao Mizpa.+ 18  Dia nifampiresaka ny olona sy ny andrianan’i Gileada hoe: “Iza no lehilahy hitarika ny ady hifanaovantsika amin’ny taranak’i Amona?+ Aoka izy ho lohany eo amin’ny mponina rehetra eto Gileada.”+

Fanamarihana