Mpitsara 11:1-40

11  Lehilahy natanjaka sy nahery fo+ i Jefta+ Gileadita.+ Zanaky ny vehivavy mpivaro-tena+ izy, ary i Gileada no rainy.  Ary ny vadin’i Gileada niteraka zanakalahy maro taminy. Rehefa lehibe ireo zana-badiny ireo, dia nandroaka an’i Jefta ka niteny hoe: “Tsy hanana lova ato amin’ny ankohonan-drainay ianao,+ satria zanaky ny vehivavy hafa.”  Dia nandositra i Jefta noho ny amin’ireo rahalahiny, ka nanorim-ponenana tany Toba.+ Ary nisy olona mpidonana-poana niangona teo aminy, ary nivoaka hiara-manafika taminy ireny.+  Rehefa afaka kelikely, dia niady tamin’ny Israely ny taranak’i Amona.+  Ary rehefa niady tamin’ny Israely tokoa ny taranak’i Amona,+ dia nankany amin’i Jefta avy hatrany ny anti-panahin’i Gileada, mba haka azy avy any Toba.+  Dia hoy ireo tamin’i Jefta: “Andao ianao hataonay ho mpitari-tafika eo aminay, ka andao hiady amin’ny taranak’i Amona.”  Fa hoy i Jefta tamin’ny anti-panahin’i+ Gileada: “Ka tsy ianareo ihany moa no nankahala ahy ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon-draiko?+ Koa maninona indray ianareo no mankatỳ amiko izao rehefa ory?”+  Dia hoy ny anti-panahin’i Gileada taminy: “Izany no iverenanay+ atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao hiaraka aminay, sy hiadianao amin’ny taranak’i Amona, ka ianao no ho lohany eo amin’ny mponina rehetra any Gileada.”+  Ary hoy i Jefta tamin’ny anti-panahin’i Gileada: “Raha hoentinareo mody àry aho mba hiady amin’ny taranak’i Amona, ka hatolotr’i Jehovah+ eo an-tanako ireny, dia izaho no ho lohany eo aminareo!” 10  Dia hoy ny anti-panahin’i Gileada: “Aoka i Jehovah no hihaino antsika,+ raha tsy manatanteraka izany teninao izany izahay.”+ 11  Dia nandeha niaraka tamin’ny anti-panahin’i Gileada i Jefta, ary notendren’ny vahoaka ho lohany sy ho mpitari-tafika teo aminy izy.+ Ary namerina ny teniny teo anatrehan’i Jehovah i Jefta,+ tao Mizpa.+ 12  Koa nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amona+ i Jefta, nanao hoe: “Misy zavatra iombonako aminao angaha moa+ no tonga hiady amiko atỳ amin’ny taniko ianao?” 13  Dia hoy ny mpanjakan’ny taranak’i Amona tamin’ny irak’i Jefta: “Satria nalain’ny Israely ny taniko tamin’izy niakatra avy tany Ejipta:+ Hatrany Arnona+ ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana.+ Koa avereno tsy misy romoromo izany ankehitriny.” 14  Fa mbola nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amona indray i Jefta, 15  ka nanao hoe: “Izao no nolazain’i Jefta: ‘Tsy naka ny tanin’ny Moabita+ sy ny tanin’ny taranak’i Amona+ ny Israely. 16  Rehefa niakatra avy tany Ejipta ny Israely, dia nandeha namakivaky ny tany efitra hatrany amin’ny Ranomasina Mena,+ ka tonga tany Kadesy.+ 17  Dia nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’i Edoma+ ny Israely, nanao hoe: “Mba avelao handalo ao amin’ny taninao re aho e!” Tsy nihaino azy anefa ny mpanjakan’i Edoma. Nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’i Moaba+ koa izy ireo, fa tsy nanaiky koa io. Dia mbola nijanona tany Kadesy+ ihany ny Israely. 18  Rehefa nandeha namakivaky ny tany efitra izy ireo, dia nihodidina an’i Edoma+ sy Moaba, ka nandeha tany atsinanan’i* Moaba,+ ary nitoby tao amin’ny faritr’i Arnona fa tsy niditra tao amin’ny faritr’i Moaba,+ satria i Arnona no sisin-tanin’i Moaba.+ 19  “‘Avy eo, dia nandefa iraka tany amin’i Sihona mpanjakan’ny Amorita, mpanjakan’i Hesbona,+ ny Israely, nanao hoe: “Mba avelao re izahay handalo ao amin’ny taninao hankany amin’izay hisy anay e!”+ 20  Tsy natoky anefa i Sihona hoe handalo fotsiny eo amin’ny taniny ny Israely. Koa namory ny vahoakany rehetra izy, ka nitoby tany Jahaza+ ary niady tamin’ny Israely.+ 21  Ary natolotr’i Jehovah Andriamanitry ny Israely teo an-tanan’ny Israelita i Sihona sy ny vahoakany rehetra, ka namely azy ireo ny Israelita. Koa nalain’izy ireo ny tany rehetran’ny Amorita nonina tao amin’izany tany izany.+ 22  Dia lasan’izy ireo ny tany rehetran’ny Amorita, hatrany Arnona ka hatrany Jaboka, ary hatrany amin’ny tany efitra ka hatrany Jordana.+ 23  “‘Koa i Jehovah Andriamanitry ny Israely no nandroaka ny Amorita tsy ho eo anatrehan’ny Israely olony,+ fa ianao indray kosa te handroaka ny Israely. 24  Tsy izay rehetra asain’i Kemosy+ andriamanitrao roahinao ve no horoahinao? Koa izay rehetra noroahin’i Jehovah Andriamanitray tsy ho eo anatrehanay no horoahinay.+ 25  Ianao angaha tsara noho i Balaka zanak’i Zipora mpanjakan’i Moaba?+ Mba efa nifanditra tamin’ny Israely ve izy, na niady taminy? 26  Telonjato taona no nonenan’ny Israely tany Hesbona mbamin’ny tanàna niankina taminy,+ sy tany Aroera+ mbamin’ny tanàna niankina taminy, ary tany amin’ny tanàna rehetra teny amoron’i Arnona, koa naninona no tsy nalainareo ireny nandritra izany fotoana izany?+ 27  Izaho kosa aloha tsy nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy amin’izao ianao miady amiko izao. Aoka i Jehovah Mpitsara+ no hitsara ny zanak’Israely sy ny taranak’i Amona anio.’” 28  Tsy nohenoin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amona anefa ny teny nampitondrain’i Jefta tany aminy.+ 29  Dia tonga tamin’i Jefta ny fanahin’i Jehovah,+ ka namakivaky ny faritr’i Gileada sy Manase ary Mizpe any Gileada+ izy. Ary avy tany Mizpe any Gileada izy, dia nankany amin’ny taranak’i Amona. 30  Ary nivoady+ tamin’i Jehovah i Jefta hoe: “Raha hatolotrao eo an-tanako tokoa ny taranak’i Amona, 31  dia ho an’i Jehovah+ izay olona mivoaka amin’ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara+ avy any amin’ny taranak’i Amona aho, ary hatolotro ho fanatitra dorana izy.”+ 32  Dia nankany amin’ny taranak’i Amona i Jefta hiady aminy, ary natolotr’i Jehovah teo an-tanany ireo. 33  Ary notafihin’i Jefta izy ireo, hatrany Aroera ka hatrany Minita,+ izany hoe tanàna roapolo, ary hatrany Abela-keramima, hany ka tena be dia be no maty. Dia resy teo anoloan’ny zanak’Israely ny taranak’i Amona. 34  Farany, dia tonga tao Mizpa,+ tany an-tranony, i Jefta. Ary iny fa nivoaka hitsena azy ny zanany vavy, nively ampongatapaka sady nandihy!+ Zanany vavitokana io, fa tsy nanan-janakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy. 35  Koa raha vao nahita azy i Jefta, dia nandrovitra ny fitafiany+ sady nilaza hoe: “Indrisy, ry zanako vavy! Nampitanondrika ahy tokoa ianao, ary ianao indray ity no noroahiko. Fa efa niloa-bava tamin’i Jehovah aho, ka tsy afaka mivadika amin’ny teniko.”+ 36  Fa hoy razazavavy taminy: “Raha efa niloa-bava tamin’i Jehovah ianao, ry Dada, dia tanteraho izay efa naloaky ny vavanao,+ satria ianao efa navelan’i Jehovah hamaly faty ny taranak’i Amona fahavalonao.” 37  Hoy koa izy tamin-drainy: “Aoka izao no hatao amiko: Avelao amin’izao aho aloha mandritra ny roa volana, ary avelao aho handeha. Ary hidina ho eny an-tendrombohitra aho ka hitomany, dia izaho sy ny ankizivavy namako, noho izaho virjiny.”+ 38  Dia hoy ny rainy: “Mandehana àry!” Koa nalefany nandritra ny roa volana izy. Ary nandeha izy sy ny ankizivavy namany ka nitomany teny an-tendrombohitra noho izy virjiny. 39  Rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin-drainy izy, ka notanterahin-drainy ilay voady nataony momba an-janany.+ Ary mbola tsy nanao firaisana tamin-dehilahy mihitsy razazavavy. Ary lasa fanao teo amin’ny Israely ny hoe: 40  Isan-taona dia nankany amin’ny zanakavavin’i Jefta Gileadita ny zanakavavin’ny Israely mba hidera azy, efatra andro isan-taona.+

Fanamarihana

Na: “tany amin’izay iposahan’ny masoandro.”