Mpitsara 12:1-15

12  Ary novorina ny lehilahy efraimita, ka niampita nianavaratra izy ireo, dia niteny tamin’i Jefta hoe: “Nahoana no niampita mba hiady tamin’ny taranak’i Amona ianao, nefa izahay tsy mba nantsoinao hiaraka taminao?+ Hodoranay miaraka amin’ny tranonao ianao.”+  Fa hoy i Jefta tamin’izy ireo: “Niady be tamin’ny taranak’i Amona izaho sy ny oloko.+ Ary efa niantso vonjy taminareo ihany aho, nefa tsy namonjy ahy teo an-tanany ianareo.  Koa nony hitako fa tsy hamonjy ahy ianareo, dia tapaka ny hevitro fa hanao vivery ny aiko*+ aho, ka handeha hiady amin’ny taranak’i Amona.+ Dia natolotr’i Jehovah teo an-tanako ireny. Koa nahoana ianareo androany no miakatra atỳ amiko mba hiady amiko?”  Ary novorin’i Jefta avy hatrany ny lehilahy gileadita rehetra,+ ka niady tamin’ny Efraimita izy ireo. Dia novonoin’ny lehilahy gileadita ny Efraimita, satria nilaza hoe: “Olona nandositra avy tamin’ny Efraimita ianareo Gileadita, avy teo amin’i Efraima sy Manase.”  Koa nalain’ny Gileadita ireo toerana fiampitana ny Reniranon’i Jordana,+ dieny mbola tsy tonga teo ny Efraimita. Ary rehefa nilaza ireo lehilahy efraimita nandositra hoe: “Avelao aho hiampita”, dia nanontanian’ny lehilahy gileadita izy tsirairay hoe: “Efraimita ve ianao?” Dia namaly izy hoe: “Tsia!”  koa hoy izy ireo taminy: “Mitenena àry, azafady, hoe: Shiboleta.”+ Ary hoy izy: “Siboleta”, satria tsy hainy tsara ny nanonona an’ilay teny. Dia nosamborin’izy ireo izy, ary novonoiny teo amin’ny toerana fiampitana an’i Jordana, ka Efraimita roa arivo sy efatra alina no maty tamin’izany fotoana izany.+  Ary nitsara ny Israely enin-taona i Jefta. Taorian’izay, dia maty i Jefta Gileadita, ka nalevina tao an-tanànany tany Gileada.  Ary i Ibzana, avy any Betlehema,+ no nitsara ny Israely taorian’i Jefta.+  Nanan-janakalahy telopolo sy zanakavavy telopolo izy. Koa naniraka olona ho any ivelan’ny fianakaviany izy mba haka zazavavy telopolo ho an’ireo zanany lahy. Ary nitsara ny Israely fito taona izy. 10  Dia maty i Ibzana, ka nalevina tany Betlehema. 11  Ary taorian’i Ibzana, dia i Elona Zebolonita+ no nitsara ny Israely. Ary nitsara ny Israely folo taona izy. 12  Dia maty i Elona Zebolonita, ka nalevina tany Aialona, tao amin’ny tanin’ny Zebolona. 13  Ary taorian’i Elona, dia i Abdona zanak’i Elela Piratonita,+ no nitsara ny Israely. 14  Nanan-janakalahy efapolo sy zafikely lahy telopolo izy. Ary nitaingina ampondra+ fitopolo ireo. Ary nitsara ny Israely valo taona i Abdona. 15  Dia maty i Abdona zanak’i Elela Piratonita, ka nalevina tany Piratona, tany amin’ny tanin’i Efraima, tany amin’ny tendrombohitry ny Amalekita.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.