Mpitsara 13:1-25

13  Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah indray ny zanak’Israely,+ ka natolotr’i Jehovah teo an-tanan’ny Filistinina+ efapolo taona.  Tao anatin’io fotoana io, dia nisy lehilahy atao hoe Manoa+ tany Zora.+ Anisan’ny fianakavian’ny Danita+ izy, ary momba ny vadiny ka tsy nanan-janaka.+  Ary niseho tamin-dravehivavy ilay anjelin’i Jehovah,+ ka nanao taminy hoe: “Momba ianao ka tsy manan-janaka, nefa hitoe-jaza ianao ka hitera-dahy.+  Ary mitandrema tsara, azafady, ka aza misotro divay na toaka,+ ary aza mihinana izay zavatra tsy madio.+  Fa hitoe-jaza ianao ka hitera-dahy tokoa. Ary tsy tokony hokasihin-kareza ny lohany,+ satria ho Nazirita+ ho an’Andriamanitra ilay zaza raha vao mivoaka avy any an-kibo.+ Ary izy no hanomboka hamonjy ny Israely eo an-tanan’ny Filistinina.”+  Dia lasa nilaza tamin’ny vadiny ravehivavy hoe: “Nisy lehilahin’Andriamanitra tonga teo amiko. Sahala amin’ny anjelin’Andriamanitra+ no fahitako azy, sady nampahatahotra be.+ Tsy nanontaniako azy izay toerana niaviany, ary tsy nolazainy tamiko koa ny anarany.+  Fa hoy izy tamiko: ‘Hitoe-jaza ianao ka hitera-dahy.+ Koa aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana izay zavatra tsy madio, satria ho Nazirita ho an’Andriamanitra ilay zaza raha vao mivoaka avy any an-kibo, ka hatramin’ny andro hahafatesany.’”+  Ary nitalaho tamin’i Jehovah i Manoa, ka nanao hoe: “Miala tsiny re, Jehovah ô!+ Aoka re, azafady, mba hankatỳ aminay indray ilay lehilahin’Andriamanitra nirahinao iny e, ka hampianatra+ anay an’izay tokony hataonay amin’ilay zaza ho teraka.”+  Dia nohenoin’Andriamanitra ny fangatahan’i Manoa,+ ka nankany amin-dravehivavy indray ilay anjelin’Andriamanitra, raha mbola nipetrapetraka tany an-tsaha ravehivavy. Tsy niaraka taminy teo anefa i Manoa vadiny tamin’izay. 10  Koa avy hatrany dia niolomay nihazakazaka niteny tamin’ny vadiny ravehivavy+ hoe: “Niseho tamiko ilay lehilahy tonga teo amiko indray andro iny.”+ 11  Ary nitsangana i Manoa, dia niaraka tamin’ny vadiny nankany amin-dralehilahy ka nanao taminy hoe: “Ianao ve ilay lehilahy niresaka tamin’ny vadiko?”+ Dia hoy ilay anjely: “Ia, izaho.” 12  Dia hoy i Manoa: “Ho tanteraka anie ny teninao! Ahoana no hanabeazanay an’ilay zaza, ary inona no ho asany?”+ 13  Ary hoy ilay anjelin’i Jehovah tamin’i Manoa: “Izay rehetra efa nolazaiko tamin’ny vadinao no tokony hotandremany.+ 14  Tsy tokony hihinana an’izay rehetra avy amin’ny voaloboka izy, ary tsy hisotro divay na toaka,+ na hihinana izay zavatra tsy madio na inona na inona.+ Izay rehetra nandidiako azy no aoka hotandremany.”+ 15  Ary hoy i Manoa tamin’ilay anjelin’i Jehovah: “Mba mijanòna kely aloha fa hikarakara zanak’osy haroso ho anao izahay.”+ 16  Fa hoy ilay anjelin’i Jehovah tamin’i Manoa: “Na hijanona aza aho, dia tsy hihinana amin’ny sakafonao. Fa raha hanolotra fanatitra dorana ho an’i Jehovah+ kosa ianao, dia afaka manolotra.” Tsy fantatr’i Manoa mantsy hoe anjelin’i Jehovah izy. 17  Dia hoy i Manoa tamin’ilay anjelin’i Jehovah: “Iza moa no anaranao,+ mba hanomezanay voninahitra anao rehefa tanteraka ny teninao?” 18  Fa hoy ilay anjelin’i Jehovah taminy: “Fa maninona ianao no manontany ny anarako? Anarana mahagaga izany.” 19  Dia nalain’i Manoa ilay zanak’osy sy ny fanatitra varimbazaha, ka natolony teo ambonin’ilay vatolampy mba ho an’i Jehovah.+ Ary nanao zava-mahagaga Izy, raha mbola nijery teo ry Manoa mivady. 20  Koa raha niakatra ho amin’ny lanitra ny lelafo avy teo amin’ny alitara, dia niakatra tao anatin’ilay lelafon’ny alitara ilay anjelin’i Jehovah, raha mbola nijery teo ry Manoa mivady.+ Dia niankohoka tamin’ny tany+ avy hatrany izy mivady. 21  Ary tsy niseho tamin-dry Manoa mivady intsony ilay anjelin’i Jehovah. Koa fantatr’i Manoa fa anjelin’i Jehovah ilay izy.+ 22  Dia hoy i Manoa tamin’ny vadiny: “Ho faty+ tokoa isika, satria Andriamanitra no efa hitantsika.”+ 23  Fa hoy ny vadiny: “Raha tian’i Jehovah ho faty isika, dia tsy ho nandray fanatitra dorana sy fanatitra varimbazaha avy tamin’ny tanantsika izy,+ sady tsy ho nampiseho tamintsika an’ireny rehetra ireny, ary tsy ho namela antsika handre zavatra toy izao mihitsy.”+ 24  Tatỳ aoriana, dia nitera-dahy ravehivavy, ka nataony hoe Samsona+ ny anarany. Nihalehibe ilay zaza, ary nitahy azy foana i Jehovah.+ 25  Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka nanentana azy ny fanahin’i Jehovah,+ tany Mahane-dana,+ teo anelanelan’i Zora+ sy Estaola.+

Fanamarihana