Mpitsara 14:1-20

14  Ary nidina nankany Timna+ i Samsona, ka nahita vehivavy anankiray anisan’ireo zanakavavin’ny Filistinina.  Koa niakatra izy, ary niteny tamin’ny ray aman-dreniny hoe: “Nisy vehivavy hitako tany Timna, anisan’ireo zanakavavin’ny Filistinina. Koa mba alaivo ho vadiko izy.”+  Fa hoy ny ray aman-dreniny taminy: “Fa angaha dia tsy misy vehivavy eo amin’ireo zanakavavin’ny rahalahinao, na amin’ny olona rehetra eto amin’ny fireneko,+ no handeha haka vady eo amin’ny Filistinina tsy mifora+ ianao?” Fa hoy ihany i Samsona tamin-drainy: “Izy ihany no alaivo ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy.”  Fa tsy fantatry ny ray aman-dreniny hoe avy tamin’i Jehovah izany,+ sy hoe nitady hirika hamelezana ny Filistinina izy. Ny Filistinina mantsy no nitondra ny Israely tamin’izay fotoana izay.+  Koa nidina nankany Timna i Samsona+ sy ny ray aman-dreniny. Rehefa tonga tany amin’ny tanimboaloboka tao Timna i Samsona, dia nisy liona tanora nierona raha vao nifanehatra taminy.  Dia niasa taminy ny fanahin’i Jehovah,+ ka nosamahiny roa toy ny fanasamaka osilahy kely ilay liona, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Ary tsy noteniteneniny tamin’ny ray aman-dreniny izay nataony.  Dia nanohy ny diany nidina izy, ka niresaka tamin’ilay vehivavy. Ary mbola nahafinaritra an’i Samsona foana izy.+  Rehefa afaka elaela, dia niverina tany i Samsona mba haka an-dravehivavy hody.+ Ary nivily mba hijery ny fatin’ilay liona izy, ka nahita renitantely maro be tao amin’ny fatin’ilay liona, ary efa nisy tantely+ koa tao.  Dia nokaofin’i Samsona ilay tantely ka nataony teo amin’ny felatanany, ary sady nandeha izy no nihinana.+ Rehefa tratrany ny ray aman-dreniny, dia nanomezany tamin’ilay tantely, ka nihinana. Ary tsy notenenin’i Samsona tamin’izy ireo hoe tao amin’ny fatin’ilay liona no nikaofany an’ilay tantely. 10  Dia nanohy ny diany nidina ho any amin-dravehivavy ny rain’i Samsona. Ary nanao fanasambe tany i Samsona,+ fa izany no fanaon’ny tovolahy. 11  Raha vao nahita an’i Samsona ny olona, dia naka lehilahy telopolo ho mpanotrona azy, mba hijanona eo aminy. 12  Ary hoy izy tamin’ireo: “Mamelà ahy hanao ankamantatra aminareo.+ Koa raha holazainareo amiko ny valiny ao anatin’ny fito andro+ anaovana ny fanasambe, ka hitanareo tokoa ny valiny, dia homeko akanjo anatiny telopolo sy fitafiana telopolo ianareo.+ 13  Fa raha tsy hainareo kosa ilay izy, dia ianareo no hanome ahy akanjo anatiny telopolo sy fitafiana telopolo.” Dia hoy ireo taminy: “Lazao àry ny ankamantatrao hohenoinay.” 14  Dia hoy izy: “Avy tao amin’ny mpihinana+ no nivoahan’izay fihinana,Ary avy tao amin’ny matanjaka no nivoahan’ny mamy.”+ Tsy hain’izy ireo ny valin’ilay ankamantatra, nandritra ny telo andro. 15  Ary tamin’ny andro fahefatra, dia hoy ireo tamin’ny vadin’i Samsona: “Fetseo ny vadinao mba hilazany aminay ny valin’ilay ankamantatra.+ Fa raha tsy izany, dia hodoranay ianao sy ny ankohonan-drainao.+ Ny hakana ny fanananay+ angaha no nanasanareo anay ho eto?” 16  Dia nitomany teo amin’i Samsona ny vadiny,+ ka nanao hoe: “Halanao mihitsy aho fa tsy tianao akory,+ satria efa nanao ankamantatra tamin’ny zanaky ny fireneko ianao,+ nefa tsy nolazainao tamiko ny valiny.” Fa hoy i Samsona taminy: “Ny ray aman-dreniko aza tsy nilazako azy,+ ka ianao indray ve no hilazako azy?” 17  Nitomany teo aminy foana anefa ravehivavy, nandritra ireo fito andro nanaovana ilay fanasambe. Farany, dia nolazain’i Samsona taminy ihany ilay izy tamin’ny andro fahafito, satria tsy namelany mihitsy izy raha tsy nilaza.+ Dia nambaran-dravehivavy tamin’ny zanaky ny fireneny ny valiny.+ 18  Koa tamin’ny andro fahafito, raha mbola tsy niditra tao amin’ny efitrano anatiny+ akory i Samsona, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna taminy: “Inona no mamy noho ny tantely,Ary inona no matanjaka noho ny liona?”+ Fa hoy i Samsona tamin’izy ireo:“Raha tsy ny ombivavikeliko no nampiasainareo hiasa ny tany,+Dia tsy hitanareo ny valin’ny ankamantatro.”+ 19  Dia niasa tamin’i Samsona ny fanahin’i Jehovah,+ ka nidina nankany Askelona+ izy, ary namono lehilahy telopolo tao. Dia nesoriny ny fitafian’ireny, ka nomeny an’ireo nilaza ny valin’ilay ankamantatra.+ Ary mbola tezitra be foana i Samsona, ka nandeha niakatra ho any an-tranon-drainy. 20  Ary ny vadin’i Samsona+ dia lasan’ny lehilahy iray mpanotrona azy,+ izay efa nifanerasera tamin’i Samsona.

Fanamarihana