Mpitsara 15:1-20

15  Rehefa afaka kelikely, tamin’ny fotoam-pijinjana varimbazaha, dia nandeha nitsidika ny vadiny i Samsona, ary nitondra zanak’osy+ izy. Ary hoy izy: “Hankao amin’ny vadiko ao amin’ny efitrano anatiny+ aho.” Tsy navelan’ny rain-dravehivavy hiditra tao anefa izy.  Fa hoy ny rain-dravehivavy: “Efa nihevitra mihitsy aho hoe: ‘Tena halanao tokoa izy’,+ ka dia nomeko ho an’ilay lehilahy mpanotrona anao.+ Tsy tsara tarehy noho izy ve ny zandriny vavy? Aoka re mba ho io no ho vadinao ho solony e!”  Fa hoy i Samsona: “Tena afa-tsiny amin’ny Filistinina kosa aho amin’ity indray mandeha ity, raha mamely an-dry zareo.”+  Dia nandeha nisambotra amboadia+ telonjato i Samsona, sady naka fanilo maro. Ary nataony nifamatotra tsiroaroa ny rambon’ireo amboadia ireo, ka nasiany fanilo iray teo anelanelan’ny rambo roa, teo afovoany.  Ary nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany hankeny an-tanimbolin’ny Filistinina ireo amboadia. Koa nodoran’i Samsona daholo ireo vokatra efa vita amboara, hatramin’ny voly teny an-tsaha sy ny tanimboaloboka ary ny sahan’oliva.+  Ary hoy ny Filistinina: “Fa iza no nanao an’izao?” Ary nisy niteny hoe: “I Samsona, vinantolahin’ilay Timnita, satria nalain’ny rafozandahiny ny vadiny ka nomeny ho an’ilay lehilahy mpanotrona azy.”+ Dia niakatra ny Filistinina ka nandoro an-dravehivavy sy ny rainy.+  Ary hoy i Samsona tamin’izy ireo: “Raha izany no ataonareo, dia tsy misy azoko atao afa-tsy ny mamaly faty anareo,+ ka tsy hijanona aho raha tsy efa vitako izany.”  Dia namely azy ireo izy, ary be dia be no matiny, ka nisavovona ny ranjo sy ny fen’ireo maty. Ary nidina izy ka nonina tany an-tsefatsefaky ny harambaton’i Etama.+  Tatỳ aoriana, dia niakatra ny Filistinina+ ka nitoby tany Joda+ sy nihaodihaody tany Lehy.+ 10  Ary hoy ny lehilahy avy tamin’ny fokon’i Joda: “Fa maninona ianareo no miakatra hamely anay?” Dia hoy ireo: “Hamatotra an’i Samsona no niakaranay, mba hataonay aminy koa izay nataony taminay.” 11  Koa lehilahy telo arivo avy tamin’ny fokon’i Joda no nidina tany an-tsefatsefaky ny harambaton’i Etama,+ ka nanao tamin’i Samsona hoe: “Tsy fantatrao angaha fa ny Filistinina no mpitondra antsika?+ Koa inona izao nataonao taminay izao?” Dia hoy izy tamin’ireo: “Izay nataony tamiko ihany no nataoko taminy.”+ 12  Fa hoy kosa ireo taminy: “Hamatotra anao no nidinanay atỳ, mba hanolorana anao eo an-tanan’ny Filistinina.” Dia hoy i Samsona: “Aoka ianareo hianiana amiko hoe tsy hamely ahy.” 13  Dia hoy ireo taminy: “Tsy hamely anao izahay, fa hamatotra anao fotsiny ka hanolotra anao eo an-tanany. Tsy hamono anao mihitsy izahay.” Dia namatotra azy tamin’ny tady roa vaovao ireo,+ ka nitondra azy niakatra niala tao amin’ilay harambato. 14  Tonga hatrany Lehy izy, ary faly erỳ ny Filistinina nanakora azy rehefa nahita azy.+ Dia niasa tamin’i Samsona ny fanahin’i Jehovah,+ ka lasa toy ny kofehy rongony main’ny afo ny tady teny amin’ny sandriny,+ hany ka nitsonika niala tamin’ny tanany ny tady namatorana azy. 15  Ary nahita valanoranon’ampondralahy izy, ary mbola mando ilay taolana tamin’izay. Koa nanatsotra ny tanany haka an’io izy, ka iny no namonoany arivo lahy.+ 16  Ary hoy i Samsona: “Valanoranon’ampondra iray no nanaovako antontany iray, antontany roa! Valanoranon’ampondra iray no namonoako arivo lahy.”+ 17  Rehefa vita ny teniny, dia natsipiny avy hatrany ilay valanorano teny an-tanany. Ary nataony hoe Ramata-lehy+ ny anaran’izany toerana izany. 18  Dia nangetaheta mafy izy, ka nitaraina tamin’i Jehovah hoe: “Ianao no nanome an’izao famonjena lehibe izao tamin’ny alalan’ny mpanomponao,+ koa ankehitriny ve dia ho fatin’ny hetaheta sy ho azon’ny tanan’ny tsy mifora aho?”+ 19  Ary nataon’Andriamanitra nitresaka ny lavaka iray niendrika laona tao Lehy, ka nisy rano+ nivoaka avy tao. Koa nisotro izy, dia nody ny ainy+ ka velombelona izy.+ Izany no nanaovany ny anaran’ilay toerana hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka androany. 20  Ary nitsara ny Israely roapolo taona izy, tamin’ny andron’ny Filistinina.+

Fanamarihana