Mpitsara 16:1-31

16  Nankany Gaza+ i Samsona indray mandeha, ary nahita vehivavy mpivaro-tena izy tany, ka nankao aminy.+  Ary nisy nilaza tamin’ny Gazita hoe: “Tonga eto i Samsona.” Dia nohodidinin’izy ireo izy,+ ary niafina teo am-bavahadin’ny tanàna izy ireo nandritra ny alina mba hamely azy.+ Tsy nikotaba anefa izy ireo nandritra ny alina, fa hoy izy ireo: “Raha vao mangiran-dratsy ny andro rahampitso, dia hovonointsika izy.”+  Natory i Samsona mandra-pisasaky ny alina. Ary nifoha izy nony misasakalina, ka noraisiny ny vavahadin’ny tanàna+ mbamin’ny andry roa, dia nongotany niaraka tamin’ilay bara hidiny ka nataony teny an-tsorony, ary nentiny+ niakatra ho any an-tampon’ilay tendrombohitra tandrifin’i Hebrona.+  Taorian’izany, dia raiki-pitia tamin’ny vehivavy iray tany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Soreka izy. Delila+ no anaran’izy io.  Ary niakatra nankany amin-dravehivavy ireo andriana mpiray dinan’ny+ Filistinina, ka nanao taminy hoe: “Fetseo+ izy ka fantaro izay mahatonga azy hanana hery lehibe, ary ahoana no handresenay azy sy hamatoranay azy mba ho voafehinay izy. Dia samy hanome anao farantsa volafotsy zato sy arivo izahay.”+  Taorian’izay, dia hoy i Delila tamin’i Samsona: “Mba lazao ahy moa e! Inona no mahatonga anao hanana hery lehibe, ary inona no hamatorana anao mba hahafahana hifehy anao?”+  Dia hoy i Samsona: “Raha fatorana amin’ny hozatra+ fito mbola tsy nohamainina aho, dia ho osa ka ho toy ny olon-tsotra.”  Dia niakatra nankany amin-dravehivavy ireo andriana mpiray dinan’ny+ Filistinina, ka nitondra hozatra fito mbola tsy nohamainina. Ary nofatoran-dravehivavy tamin’ireny i Samsona.  Efa nisy olona niafina mba hamely an’i Samsona tao amin’ny efitranon’i Delila tamin’izay.+ Dia hoy i Delila tamin’i Samsona: “Hamely anao ny Filistinina,+ ry Samsona!” Dia notapahiny ireo hozatra, sahala amin’ny kofehy rongony, izay tapaka raha vao manakaiky afo.+ Koa tsy nisy nahafantatra izay niavian’ny heriny.+ 10  Ary hoy i Delila+ tamin’i Samsona: “Efa namitaka ahy ianao ka nandainga tamiko.+ Mba lazao ahy moa izay azo amatorana anao e!” 11  Dia hoy i Samsona: “Raha gejaina amin’ny tady vaovao mbola tsy nampiasaina aho, dia ho osa ka ho toy ny olon-tsotra.” 12  Koa naka tady vaovao i Delila, ka namatotra an’i Samsona, ary hoy izy: “Hamely anao ny Filistinina, ry Samsona!” Efa nisy olona niafina tao amin’ilay efitrano anatiny tamin’izay.+ Dia notapahin’i Samsona hiala teo amin’ny sandriny ireo tady, sahala amin’ny fanapaka kofehy iray.+ 13  Taorian’izay, dia hoy i Delila tamin’i Samsona: “Mbola namitaka ahy foana ianao hatramin’izao, ka nandainga tamiko.+ Mba lazao ahy moa izay azo amatorana anao e!”+ Dia hoy i Samsona: “Raha tenominao miaraka amin’ny kofehy atao tenany*+ ny randrana fito eo amin’ny lohako.” 14  Ary nataon-dravehivavy nifatratra tsara tamin’ny alalan’ny hazo fisaka ireo randran’i Samsona, dia hoy izy: “Hamely anao ny Filistinina, ry Samsona!”+ Dia nifoha tamin’ny torimasony i Samsona, ka nosintoniny hiala ilay hazon-tenona sy ny kofehy natao tenany. 15  Dia hoy ravehivavy taminy: “Ahoana no ahasahianao milaza hoe: ‘Tena tiako ianao’,+ nefa tsy ahy akory ny fonao? Intelo izay ianao no namitaka ahy, ka tsy nilaza tamiko izay iavian’ny hery lehibe anananao.”+ 16  Ary satria tsy namelan’i+ Delila mihitsy i Samsona fa nanontaniany tsy misy farany sady nosokiriny foana, dia tsy tantin’i Samsona intsony izany ka te ho faty mihitsy izy.*+ 17  Farany, dia nampahafantariny an’i Delila izay rehetra tao am-pony,+ ka hoy izy: “Mbola tsy nokasihin-kareza+ mihitsy ny lohako, satria Nazirita ho an’Andriamanitra aho hatrany an-kibon-dreniko.+ Koa raha haratana aho, dia hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tahaka ny olon-drehetra.”+ 18  Rehefa hitan’i Delila fa nampahafantarin’i Samsona azy izay rehetra tao am-pony, dia naniraka olona avy hatrany izy mba hiantso an’ireo andriana mpiray dinan’ny Filistinina,+ ka nilaza hoe: “Miakara amin’izay amin’ity indray mandeha ity, fa nampahafantariny ahy izay rehetra tao am-pony.”+ Dia niakatra ho any aminy ireo andriana mpiray dinan’ny Filistinina, sady nitondra an’ilay vola.+ 19  Ary nampatorin-dravehivavy teo an-dohaliny i Samsona. Dia niantso lehilahy iray izy, ka nasainy notapahin’io ny randrana fito teo amin’ny lohan’i Samsona. Koa nanomboka nasehon-dravehivavy fa afaka nifehy azy izy. Ary niala tamin’i Samsona ny heriny. 20  Dia hoy ravehivavy: “Hamely anao ny Filistinina, ry Samsona!” Dia nifoha tamin’ny torimasony i Samsona, ka nanao hoe: “Ho tafavoaka toy ny teo aloha ihany aho,+ ka hikofokofoka hanafaka ny tenako.” Tsy fantany anefa fa efa niala taminy i Jehovah.+ 21  Dia nosamborin’ny Filistinina izy, ka nopotsirin’ireo ny masony roa.+ Ary nentin’ireo nidina nankany Gaza+ izy, ka nofatorany tamin’ny gadra varahina roa.+ Dia lasa mpanodina vato lehibe fikosoham-bary+ tao am-ponja+ izy. 22  Ary naniry be indray ny volon-dohany raha vao voaharatra.+ 23  Ary nivory ireo andriana mpiray dinan’ny Filistinina mba hanao sorona lehibe ho an’i Dagona+ andriamaniny sy hifaly. Ary hoy izy ireo: “Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika i Samsona fahavalontsika!”+ 24  Raha vao nahita azy ny olona, dia nidera ny andriamaniny,+ “satria”, hoy izy ireo, “efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika+ sady mpanimba ny tanintsika,+ ary ilay nahafaty olona maro teo amintsika.”+ 25  Ary falifaly ny fon’izy ireo,+ ka hoy izy: “Antsoy i Samsona mba hampiala voly antsika.”+ Dia nantsoina avy tao am-ponja i Samsona mba hataony ho fihomehezana.+ Ary nasainy nitsangana teo anelanelan’ny andry i Samsona. 26  Dia hoy i Samsona tamin’ilay zazalahy nitantana azy: “Mba avelao kely aho hitsapa ireo andry manohana an’ity trano ity mba hiankinako aminy.” 27  Feno lehilahy sy vehivavy ilay trano tamin’izay, ary tao daholo ireo andriana mpiray dinan’ny Filistinina.+ Tany an-tampon-trano koa nisy lehilahy sy vehivavy tokony ho telo arivo, izay nijery an’i Samsona nampiala voly ny olona.+ 28  Dia niantso an’i Jehovah+ i Samsona+ hoe: “Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Mba tsarovy re aho+ ka hatanjaho+ azafady indrindra e, amin’ity indray mandeha ity monja, ry ilay tena Andriamanitra ô! Ary aoka aho hamaly faty ny Filistinina noho ny anankiray amin’ny masoko roa.”+ 29  Dia nitehenan’i Samsona ireo andry roa teo afovoany izay nanohana an’ilay trano, ka nohazoniny tamin’ny tanany havanana ny andry iray, ary tamin’ny tanany havia ny iray. 30  Dia hoy i Samsona: “Aoka hiara-maty amin’ny Filistinina aho.”*+ Dia nanezaka mafy niondrika izy, ka nirodana teo amin’ireo andriana mpiray dina sy ny olona rehetra tao anatiny, ilay trano.+ Ary ny maty izay novonoin’i Samsona tamin’ny andro nahafatesany dia be lavitra noho izay novonoiny nandritra ny fahavelomany.+ 31  Taorian’izay, dia nidina ny rahalahiny sy ny ankohonan-drainy manontolo, ary nibata azy ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan’i Zora+ sy Estaola,+ tao amin’ny fasan’i Manoa+ rainy. Ary efa nitsara ny Israely roapolo taona izy.+

Fanamarihana

Ireo kofehy mitsangana.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.