Mpitsara 17:1-13

17  Nisy lehilahy atao hoe Mika, avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima.+  Ary hoy izy tamin-dreniny: “Ilay farantsa volafotsy zato sy arivo nisy naka taminao iny, ka nahatonga anao hilaza ozona+ teo anatrehako, dia atỳ amiko. Izaho no naka azy.”+ Dia hoy ny reniny: “Hotahin’i Jehovah anie ny zanako!”+  Koa naveriny tamin-dreniny ilay farantsa volafotsy zato sy arivo.+ Ary hoy ny reniny: “Tsy maintsy hamasiniko ho an’i Jehovah io volafotsy avy amiko io ho an-janako, mba hanaovana sary sokitra+ sy harendrika ho sarivongana.+ Koa iny haveriko aminao ilay izy.”  Naveriny tamin-dreniny anefa ilay volafotsy. Ary naka farantsa volafotsy roanjato ny reniny, ka nomeny ny mpanefy volafotsy+ izany. Koa nanao sary sokitra+ sy sarivongana tamin’ny volafotsy narendrika+ ilay mpanefy. Dia napetraka tao an-tranon’i Mika izany.  Nanana tranon’andriamanitra+ io Mika io, ary nanao efoda+ sy terafima.*+ Ary nomeny fahefana+ ho mpisorony+ ny iray tamin’ny zanany lahy.  Tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely tamin’izany andro izany,+ ary samy zatra nanao izay noheveriny fa nety ny olona.+  Ary nisy tovolahy anankiray avy any Betlehema+ any Joda, anisan’ny fianakavian’i Joda. Levita+ izy, ary nonina kelikely tany.  Niala avy any amin’ny tanànan’i Betlehema any Joda io tovolahy io mba honina kelikely tany amin’izay nahitany toerana honenana. Dia nandeha izy, ka tonga tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima rehefa ela ny ela, ary tonga hatrany an-tranon’i Mika.+  Ary hoy i Mika taminy: “Avy aiza ianao?” Dia hoy izy: “Levita avy any Betlehema any Joda aho, ka handeha honina kelikely any amin’izay hahitako toerana honenana.” 10  Dia hoy i Mika taminy: “Miaraha mipetraka amiko, ary aoka ianao ho raiko+ sy ho mpisorona+ ho ahy. Ary izaho kosa hanome anao farantsa volafotsy folo isan-taona sy ny fitafiana fanaonao ary ny sakafonao.” Dia niditra ilay Levita, 11  ka nanaiky hiara-mipetraka tamin-dralehilahy. Ary nataony toy ny anankiray amin’ny zanany ilay tovolahy. 12  Dia nomen’i Mika fahefana+ ho mpisorony+ sy hipetraka ao an-tranony ilay Levita. 13  Koa hoy i Mika: “Fantatro tokoa ankehitriny fa hanisy soa ahy i Jehovah, satria efa lasa mpisorona ho ahy ity Levita ity.”+

Fanamarihana

sampy.