Mpitsara 18:1-31

18  Tamin’izany andro izany, dia tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely.+ Ary nitady lova honenana ny fokon’ny Danita+ tamin’izany andro izany, satria tsy nahazo lova teo amin’ny fokon’ny Israely izy ireo,+ na dia hatramin’izany andro izany aza.  Farany, dia naniraka lehilahy dimy ny taranak’i Dana. Anisan’ny fianakaviany sy avy teo anivony ihany izy dimy ireo, sady mahery fo. Nirahiny avy any Zora+ sy Estaola+ izy ireo mba hijery taratra+ sy hamantatra ilay tany, ka nilazany hoe: “Mandehana, fantaro ilay tany.” Dia tonga tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima+ izy dimy lahy, ary tonga hatrany an-tranon’i Mika,+ ka natory indray alina tao.  Rehefa teo akaikin’ny tranon’i Mika izy ireo, dia reny ny feon’ilay tovolahy Levita ka fantany ilay feo. Koa nivily nankao izy ireo, ka nanao taminy hoe: “Iza no nitondra anao tatỳ? Ary inona no ataonao eto amin’ity toerana ity? Ary inona no tombontsoa hitanao atỳ?”  Dia hoy izy: “Izany sy izany no nataon’i Mika tamiko, ka manakarama ahy izy+ ary izaho kosa mpisorony.”+  Dia hoy ireo taminy: “Mba anontanio+ re Andriamanitra,+ azafady, hahalalanay raha hahomby ihany izao dianay izao e!”  Dia hoy ilay mpisorona tamin’ireo: “Mandehana soa aman-tsara, fa mitsinjo anareo i Jehovah amin’izao dianareo izao.”  Koa nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy,+ ary hitan’izy ireo fa nahavita tena ny mponina tao, araka ny fomban’ny Sidonianina. Nandry feizay izy ireo sady tsy nanana ahiahy,+ ary tsy nisy naharesy na nampahory azy na nihetraketraka taminy tao amin’ilay tany. Ary lavitra an’ireo Sidonianina+ izy ireo, sady tsy nifandray tamin’iza na iza mihitsy.  Tafaverina tany amin’ireo rahalahiny tany Zora+ sy Estaola+ izy dimy lahy, tamin’ny farany. Ary hoy ireo rahalahiny taminy: “Nanao ahoana ny dianareo?”  Dia hoy izy ireo: “Mitsangàna, ka andao hiakatra hamely azy, satria hitanay fa tena tsara ilay tany.+ Ary toa mbola misalasala ihany ianareo? Aza malaina fa andao hidirantsika ilay tany ka halaintsika.+ 10  Rehefa hiditra ao ianareo, dia hamantana olona tsy manana ahiahy.+ Midadasika be koa ilay tany, sady efa natolotr’Andriamanitra eo an-tananareo.+ Ary tsy misy tsy ao ny karazan-javatra rehetra etỳ ambonin’ny tany.”+ 11  Dia nisy eninjato lahy nirongo fiadiana niainga avy any, izany hoe avy ao Zora sy Estaola.+ Anisan’ny fianakavian’ny Danita+ izy ireo. 12  Ary niakatra izy ireo ka nitoby tany Kiriata-jearima+ any Joda. Izany no niantsoan’izy ireo an’io toerana io hoe Mahane-dana+ mandraka androany. Eo andrefan’i Kiriata-jearima no misy azy io. 13  Dia niala tao izy ireo, ka nankany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, ary tonga hatrany an-tranon’i Mika.+ 14  Dia niteny tamin’ireo rahalahiny izy dimy lahy izay nandeha nijery taratra+ an’i Laisy+ hoe: “Efa fantatrareo ve fa misy efoda sy terafima+ sy sary sokitra+ ary sarivongana metaly+ ao amin’ireo trano ireo? Koa eritrereto izay tokony hataonareo.”+ 15  Dia nivily izy ireo, ka nankao an-tranon’ilay tovolahy Levita,+ tao an-tranon’i Mika, ka nanontany ny fahasalamany.+ 16  Tamin’izay fotoana izay, dia efa nijoro teo amin’ny fidirana amin’ny vavahady ireo eninjato lahy nirongo fiadiana,+ izay anisan’ny taranak’i Dana.+ 17  Ary niakatra izy dimy lahy, izay nandeha nijery taratra an’ilay tany,+ mba hiditra haka ny sary sokitra+ sy ny efoda+ sy ny terafima+ ary ny sarivongana metaly.+ Ilay mpisorona+ kosa nijoro teo amin’ny fidirana amin’ny vavahady, teo amin’ireo eninjato lahy nirongo fiadiana. 18  Dia niditra tao an-tranon’i Mika izy dimy lahy ka naka ny sary sokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarivongana metaly.+ Ary hoy ilay mpisorona+ tamin’izy ireo: “Fa inona ity ataonareo?” 19  Fa hoy kosa ireo taminy: “Mangìna! Tampeno amin’ny tananao ny vavanao, ary andao hiaraka aminay, ka aoka ianao ho rainay+ sy ho mpisoronay.+ Fa iza no tianao: Mbola ho mpisorona ho an’ny ankohonan’olona iray,+ sa ho mpisorona ho an’ny foko sy fianakaviambe iray eo amin’ny Israely?”+ 20  Dia faly ny fon’ilay mpisorona,+ ary nalainy ny efoda sy ny terafima ary ny sary sokitra,+ ka nankeo afovoan’ny olona izy. 21  Dia nihodina izy ireo ka lasa. Ary nataony teo alohany+ ny zaza sy ny biby fiompy ary ny entana sarobidy. 22  Rehefa lavidavitra ny tranon’i Mika izy ireo, dia novorina ireo lehilahy nonina teo akaikin’ny tranon’i Mika.+ Ary niezaka hanatratra ny taranak’i Dana izy ireo. 23  Imbetsaka izy ireo no niantsoantso ny taranak’i Dana. Koa nitodika ireo ka nanao tamin’i Mika hoe: “Fa maninona ity ianao+ no namory olona maro hoatr’izao?” 24  Ary hoy i Mika: “Nalainareo ny andriamanitro+ izay namboariko,+ ary nentinareo koa ny mpisorona,+ dia lasa ianareo, ka inona intsony no mba ho ahy?+ Koa inona no mbola anontanianareo amiko hoe: ‘Fa maninona ity ianao?’” 25  Dia hoy ny taranak’i Dana taminy: “Aza atao renay intsony ny feonao, sao olona tezitra+ no hamely anareo, ka hamoy ny ainao* sy ny ain’ny ankohonanao ianao.” 26  Dia nanohy ny diany ny taranak’i Dana. Ary hitan’i Mika fa nahery noho izy ny taranak’i Dana,+ dia nivily izy ka nody tany an-tranony. 27  Koa nalain’ny taranak’i Dana ny zavatra namboarin’i Mika, ary nentiny koa ny mpisorony.+ Ary nanohy ny diany nankany Laisy+ izy ireo mba hanafika vahoaka nandry feizay sy tsy nanana ahiahy,+ ka namely azy tamin’ny lelan-tsabatra.+ Dia nodoran’izy ireo koa ilay tanàna.+ 28  Ary tsy nisy namonjy ilay tanàna satria lavitra an’i Sidona,+ ary tsy nifandray tamin’iza na iza mihitsy koa ny mponina tao. Teo amin’ny lemaka ivan’i Beti-rehoba+ ilay tanàna. Dia nanorina ilay tanàna izy ireo ka nonina tao.+ 29  Ary nantsoin’izy ireo hoe Dana ilay tanàna, araka ny anaran’i Dana+ rainy, izay naterak’i Israely.+ Laisy anefa no anaran’izy io taloha.+ 30  Taorian’izay, dia natsangan’ny taranak’i Dana ho azy ireo ilay sary sokitra.+ Ary lasa mpisorona ho an’ny fokon’ny Danita i Jonatana+ zanak’i Gersoma,+ zanak’i Mosesy, dia i Jonatana sy ny zanany, mandra-pahatongan’ny andro nanaovana sesitany ny mponin’ilay tany.+ 31  Ary notehirizin’izy ireo ilay sary sokitra namboarin’i Mika, ka najorony ho azy ireo nandritra ny andro rehetra naha tao Silo+ ny tranon’ilay+ tena Andriamanitra.

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.