Mpitsara 19:1-30

19  Tamin’izany andro izany, dia tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely.+ Ary nisy Levita anankiray nonina kelikely tany amin’ny toerana nitokana indrindra tamin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima.+ Naka vehivavy iray avy any Betlehema+ any Joda izy, ho vadikeliny.+  Ary nijangajanga+ ilay vadikeliny. Farany, dia nisintaka ravehivavy, ka nody tany an-tranon-drainy tany Betlehema any Joda, ary nijanona tany efa-bolana katroka.  Dia niainga ny vadiny, ka nankany aminy mba hanambitamby azy hody. Ary nitondra mpanompo+ iray sy ampondralahy roa izy. Dia nasain-dravehivavy nampandrosoina tao an-tranon-drainy izy. Koa raha vao nahita azy ny rain-dravehivavy, dia faly nihaona taminy.  Ary nandresy lahatra azy hijanona ny rafozany, izany hoe ny rain-dravehivavy, ka nijanona tao telo andro izy. Dia nihinana sy nisotro izy ireo, ary natory tao ralehilahy.+  Ary tamin’ny andro fahefatra, rehefa nifoha maraina toy ny fanaony izy ireo, dia nitsangana handeha ralehilahy. Fa hoy ny rain-dravehivavy tamin’ny vinantolahiny: “Mihinàna aloha mofo+ kely ho tohan’aina, vao mandeha ianareo.”  Koa nipetraka izy ireo, ary niara-nihinana sy nisotro teo. Dia hoy ny rain-dravehivavy tamin-dralehilahy: “Mba mijanòna re anio alina e,+ ary aoka ho faly ny fonao.”+  Ary rehefa nitsangana handeha ralehilahy, dia tsy nitsahatra niangavy azy ny rafozany, ka nijanona tao indray izy ny alin’iny.+  Rehefa nifoha maraina ralehilahy tamin’ny andro fahadimy mba hanainga, dia hoy ny rain-dravehivavy: “Mba mihinàna aloha zavatra kely ho tohan’aina.”+ Ary nijanonjanona teo izy ireo mandra-pahafolaky ny andro. Koa nihinan-kanina teo izy mianaka.  Dia nitsangana mba hanainga ralehilahy+ sy ilay vadikeliny+ ary ilay mpanompony.+ Fa hoy ny rafozany, rain-dravehivavy, taminy: “Jereo fa efa folaka ny andro ka efa ho hariva. Koa matoria re atỳ ianareo anio alina e!+ Efa hilentika ny masoandro ka matoria atỳ, ary aoka ho faly ny fonao.+ Ary rahampitso dia hifoha maraina ianareo, ka handeha hody any amin’ny tranolainao.” 10  Tsy nety nijanona intsony anefa ralehilahy, fa nitsangana ihany ka nandeha, ary tonga hatrany amin’ny tandrifin’i Jebosa,+ izany hoe Jerosalema.+ Ary niaraka taminy ireo ampondralahy roa efa nisy lasely, ary koa ilay vadikeliny sy ilay mpanompony. 11  Efa ho hariva ny andro,+ rehefa tonga teo akaikin’i Jebosa izy ireo. Dia hoy ilay mpanompo tamin’ny tompony: “Andao hivily hankao amin’itsy tanànan’ny Jebosita+ itsy, ka hatory ao anio alina.” 12  Fa hoy ny tompony taminy: “Aleo isika tsy mivily ao amin’ny tanànan’ny hafa firenena+ izay tsy anisan’ny zanak’Israely, fa handroso hatrany Gibea.”+ 13  Hoy koa izy tamin’ilay mpanompony: “Andao hanatona ny iray amin’ireo tanàna ireo, ka hatory ao Gibea anio alina, na ao Rama.”+ 14  Dia nandroso ihany izy ireo, ka nanohy ny diany. Ary nanomboka nilentika ny masoandro vao tonga teo akaikin’i Gibean’i Benjamina, izy ireo. 15  Koa nivily tao Gibea izy ireo mba hatory tao. Dia niditra tao izy ireo ka nipetraka teo amin’ny tany malalaky ny tanàna. Tsy nisy nandray azy hatory tany an-tranony anefa.+ 16  Farany, dia iny fa nisy lahiantitra anankiray tonga avy niasa tany an-tsaha rehefa hariva.+ Avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima+ no fiaviany, fa nonina kelikely tao Gibea izy. Benjamita+ kosa ny mponina tao Gibea. 17  Rehefa nanopy ny masony izy, dia hitany teo amin’ny tany malalaky ny tanàna ilay lehilahy avy nanao dia lavitra. Dia hoy ilay lahiantitra: “Fa ho aiza ianao, ary avy taiza?”+ 18  Dia hoy ralehilahy taminy: “Avy tany Betlehema any Joda izahay, ary ho any amin’ny toerana mitokana indrindra amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima,+ fa avy any no fiaviako. Nandeha kely tany Betlehema any Joda+ aho ary efa an-dalana hody any an-tranoko aho izao, nefa tsy misy mampiantrano.+ 19  Manana mololo sy sakafo+ ho an’ny ampondranay izahay, sady manana mofo+ sy divay ho ahy sy ny mpanompovavinao+ ary ho an’ilay mpanompo+ miaraka amin’ny mpanomponao. Efa ao daholo izay rehetra ilaina.” 20  Fa hoy ilay lahiantitra: “Ho aminao anie ny fiadanana!+ Aoka izaho no hikarakara izay ilainao,+ fa izao fotsiny: Aza matory eto amin’ny tany malalaky ny tanàna.” 21  Dia nentiny tany an-tranony+ ralehilahy, ary ny ampondra kosa notsipazany sakafom-biby.+ Dia nanasa tongotra+ izy ireo, ary nihinana sy nisotro. 22  Raha mbola nampifalifaly ny fony teo izy ireo,+ dia tonga ny lehilahy tao an-tanàna, izay olona tena tsy manjary,+ ka nihodidina an’ilay trano.+ Dia nifanosika nandona ny varavarana izy ireo, sady tsy nitsahatra niteny tamin’ilay lahiantitra tompon-trano hoe: “Avoahy atỳ ilay lehilahy niditra tao an-tranonao iny mba hanaovanay firaisana.”+ 23  Dia nivoaka nankeo amin’izy ireo ilay tompon-trano, ka niteny hoe:+ “Aza manao izany, ry rahalahiko!+ Aza manao ratsy re ianareo e, fa mivahiny ato amiko io lehilahy io. Aza manao izany hadalana manala baraka+ izany. 24  Io ny zanako vavy virjiny sy ny vadikelin-dralehilahy! Aoka re mba ho ireo no havoakako hovetavetainareo+ e, ary ataovy aminy izay hitanareo fa mety. Fa io lehilahy io kosa, aza anaovanareo izany hadalana manala baraka izany.” 25  Tsy nety nihaino an’ilay lahiantitra anefa ireo lehilahy ireo. Koa nalain-dralehilahy ilay vadikeliny+ ka navoakany ho eo amin’izy ireo. Dia nanao firaisana taminy izy ireo,+ ka tsy nitsahatra nanao an-keriny+ an-dravehivavy nandritra ny alina mandra-maraina. Ary rehefa nanomboka nazava ratsy ny andro vao nalefan’ireo izy. 26  Dia tonga ravehivavy rehefa nadiva ho maraina ny andro, ary nidaraboka teo amin’ny fidirana amin’ny tranon’ilay lehilahy nitoeran’ny tompony+ izy, ka teo mandra-pahazavan’ny andro. 27  Taoriana kelin’izay, dia nifoha ralehilahy rehefa maraina ny andro, ka nanokatra ny varavaran’ilay trano, ary nivoaka mba hanohy ny diany. Ary io fa nivalampatra teo amin’ny fidirana amin’ilay trano ilay vadikeliny,+ ary teo an-tokonana ny tanany roa! 28  Ary hoy ralehilahy taminy: “Mitsangàna, andao handeha.” Kanjo tsy nisy namaly.+ Koa nataony teo ambony ampondrany ravehivavy, dia niainga izy ka lasa ho any amin’izay misy azy.+ 29  Rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsin-kena, ary noraisiny ny fatin’ilay vadikeliny, ka norasarasainy ho roa ambin’ny folo+ araka ny tonon-taolany, ary nalefany tany amin’ny faritra rehetra eran’i Israely.+ 30  Ary hoy izay rehetra nahita izany: “Mbola tsy nitranga mihitsy ny toy izao sady mbola tsy fahita, hatramin’ny andro niakaran’ny zanak’Israely avy tany Ejipta ka mandraka androany. Diniho tsara izany, ary samia mikaon-doha+ ka lazao izay hevitrareo.”

Fanamarihana