Mpitsara 2:1-23

2  Ary niakatra avy tany Gilgala+ ilay anjelin’i Jehovah+ ka nankany Bokima,+ ary nilaza hoe: “Nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta aho ka nampiditra anareo ho eto amin’ity tany nianianako tamin’ny razanareo ity.+ Niteny koa aho hoe: ‘Tsy hivadika amin’ny fifanekena nataoko taminareo mihitsy aho.+  Koa aza manao fifanekena amin’ny mponin’ity tany ity,+ fa arodano kosa ny alitarany.’+ Tsy nihaino ny feoko anefa ianareo.+ Fa maninona ianareo no nanao an’izany?+  Koa izao kosa no nolazaiko: ‘Tsy horoahiko hiala eo anatrehanareo ireny, fa ho fandrika ho anareo.+ Ary ny andriamaniny ho fakam-panahy ho anareo.’”+  Raha vao avy nolazain’ilay anjelin’i Jehovah tamin’ny zanak’Israely rehetra izany teny izany, dia nidradradradra nitomany ny vahoaka.+  Koa nantsoin’izy ireo hoe Bokima izany toerana izany, ary nanao sorona ho an’i Jehovah teo izy ireo.  Rehefa nalefan’i Josoa ny vahoaka, dia samy nankany amin’ny lovany avy ny zanak’Israely mba haka an’ilay tany.+  Ary nanompo an’i Jehovah ny vahoaka tamin’ny andro rehetra niainan’i Josoa, sy tamin’ny andro rehetra niainan’ireo anti-panahy, izay mbola velona taorian’i Josoa sady efa nahita ny asa lehibe rehetra nataon’i Jehovah ho an’ny Israely.+  Dia maty i Josoa zanak’i Nona, mpanompon’i Jehovah, rehefa folo amby zato taona.+  Koa nalevina tao amin’ny faritry ny lovany izy, dia tao Timnata-heresa,+ any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, any avaratry ny Tendrombohitra Gasa.+ 10  Ary nangonina any amin’ny razany koa izany taranaka rehetra izany,+ ka taranaka hafa tsy nahalala an’i Jehovah sy tsy nahalala ny asa nataony ho an’ny Israely+ no nitsangana nandimby azy. 11  Ary nanjary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny zanak’Israely,+ sady nanompo an’ireo Bala.+ 12  Koa nahafoy an’i Jehovah Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany Ejipta,+ izy ireo ka lasa nanaraka andriamani-kafa, dia ireo andriamanitry ny firenena manodidina.+ Niankohoka teo anatrehan’ireny koa izy ireo, ka nampahatezitra an’i Jehovah.+ 13  Nahafoy an’i Jehovah izy ireo, ka nanompo an’i Bala sy ireo sarin’i Astarta.+ 14  Koa nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’i Jehovah,+ dia natolony teo an-tanan’ny mpandroba izy ireo ka voaroba.+ Ary namidin’Andriamanitra ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina izy ireo,+ ka tsy nahatohitra an’ireny intsony.+ 15  Namely azy ireo ny tanan’i Jehovah na taiza na taiza nalehany, ka nisy loza nanjo azy,+ araka izay efa nolazain’i Jehovah sy efa nianianan’i Jehovah taminy.+ Dia ory indrindra izy ireo.+ 16  Koa nanendry mpitsara i Jehovah,+ ary ireny no namonjy azy ireo teo an-tanan’ny mpandroba azy.+ 17  Kanefa na ireo mpitsarany aza tsy nohenoiny. Nanana fifandraisana mamoafady+ tamin’ny andriamani-kafa+ kosa izy ireo, ary niankohoka teo anatrehan’ireny. Efa nivily sahady niala tamin’ny lalana nalehan’ny razany izy ireo. Nankatò ny didin’i Jehovah mantsy ny razany,+ fa tsy mba toy izany kosa izy ireo. 18  Rehefa nanendry mpitsara ho azy ireo i Jehovah,+ dia nomba an’izany mpitsara izany i Jehovah ka namonjy azy ireo teo an-tanan’ny fahavalony, tamin’ny andro rehetra niainan’ilay mpitsara. Nanenina mantsy i Jehovah,+ satria nitaraina izy ireo noho ny nataon’ireo nampahory azy+ sy ireo nanositosika azy tetsy sy teroa. 19  Ary rehefa maty ilay mpitsara, dia niverina tamin’ny ratsy fanaony izy ireo ary nanao mihoatra noho ny razany aza, ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany.+ Tsy niala tamin’ny fanaony sy ny di-dohany izy ireo.+ 20  Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’i Jehovah+ tamin’ny farany, ka hoy izy: “Noho ity firenena ity tsy nanaja ny fifanekena+ nandidiako ny razany, sy noho izy tsy nihaino ny feoko,+ 21  dia tsy hisy horoahiko hiala eo anatrehany, na iray aza, ireo firenena mbola navelan’i Josoa ho eo, fony izy maty.+ 22  Ireo no hitsapako+ ny Israely raha hanaraka ny lalan’i Jehovah izy, na tsia, ka handeha amin’izany, toy ny nataon’ny razany.” 23  Koa navelan’i Jehovah teo ireo firenena ireo, fa tsy noroahiny avy hatrany+ ary tsy natolony teo an-tanan’i Josoa.

Fanamarihana