Mpitsara 20:1-48

20  Dia nivoaka daholo ny zanak’Israely rehetra.+ Ary nivory toy ny olona iray+ teo anatrehan’i Jehovah tany Mizpa+ ny vahoaka, hatrany Dana+ ka hatrany Beri-sheba,+ mbamin’ny tany amin’ny faritr’i Gileada.+  Ary nitsangana teo anivon’ny fiangonan’ny vahoakan’Andriamanitra+ ireo lehiben’ny vahoaka manontolo, dia ireo lehiben’ny foko rehetran’ny Israely. Lehilahy efatra hetsy mpandeha an-tongotra sy mpitan-tsabatra+ izy ireo.  Ary ren’ny taranak’i Benjamina hoe niakatra tany Mizpa+ ny zanak’Israely. Ary hoy ny zanak’Israely: “Lazao anay, ahoana no nahatonga izao zava-dratsy izao?”+  Dia hoy ilay Levita+ vadin’ilay vehivavy nisy namono: “Tonga tao Gibean’i+ Benjamina izaho sy ny vadikeliko,+ mba hatory tao.  Ary nitsangana hamely ahy ireo mponina tao Gibea ka nohodidininy ilay trano nisy ahy, nony alina. Izaho no nokasainy hovonoina, kanjo ny vadikeliko no novetavetainy+ ka maty tamin’ny farany.+  Koa nalaiko ilay vadikeliko ka norasarasaiko ary nalefako tany amin’ny faritra rehetra eo amin’ny lovan’ny Israely,+ satria fitondran-tena baranahiny+ sy hadalana manala baraka no nataon-dry zareo, teto amin’ny Israely.+  Koa indreo ianareo zanak’Israely rehetra, lazao eto izay teninareo sy hevitrareo.”+  Koa nitsangana toy ny olona iray ny vahoaka manontolo,+ ka nanao hoe: “Tsy hisy hiverina any amin’ny tranolaintsika isika, na hody any an-tranontsika.+  Fa izao no hataontsika amin’i Gibea: Andao hiakatra hamely azy, ka araka ny antsapaka+ no hiakarantsika. 10  Ary hakantsika folo isaky ny zato ny foko rehetran’ny Israely, zato isaky ny arivo, ary arivo isaky ny iray alina, mba haka vatsy ho an’ny vahoaka. Amin’izay dia hanao zavatra izy ireo ka hanafika an’i Gibean’i Benjamina, noho ny hadalana manala baraka+ rehetra nataon-dry zareo, teto amin’ny Israely.” 11  Koa nivory toy ny olona iray sy toy ny mpiray dina, ny lehilahy israelita rehetra, mba hanafika an’ilay tanàna. 12  Koa nandefa iraka ho any amin’izay rehetra anisan’ny fokon’i Benjamina+ ny fokon’ny Israely, nanao hoe: “Inona izany zava-dratsy nitranga tany aminareo izany?+ 13  Atolory anay ireo lehilahy+ tsy manjary+ ao Gibea+ ireo mba hamonoanay azy ho faty,+ ary aoka hesorintsika tsy ho eto amin’ny Israely ny ratsy.”+ Tsy nety nihaino ny tenin’ny zanak’Israely rahalahiny anefa ny taranak’i Benjamina.+ 14  Koa niala avy any an-tanànany avy ny taranak’i Benjamina ka nivory tao Gibea, mba hivoaka hiady tamin’ny zanak’Israely. 15  Dia novorina avy any an-tanànany avy ny taranak’i Benjamina tamin’izay andro izay, ka nisy lehilahy enina arivo sy roa alina, samy mpitan-tsabatra.+ Mbola tsy ao anatin’ireo ny mponina tao Gibea, izay nisy fitonjato lahy voafantina. 16  Nisy lehilahy voafantina fitonjato izay samy kavia,+ tamin’ireo vahoaka rehetra ireo. Samy mpampiasa pilotra+ izy rehetra ireo, ary ny vato nalefany dia tsy nisy nivaona na dia hoatran’ny singam-bolo iray aza. 17  Novorina koa ny lehilahy israelita afa-tsy ny Benjamita, ka nisy efatra hetsy, izay samy mpitan-tsabatra+ sady lehilahy mpiady. 18  Dia niainga izy ireo ka niakatra tany Betela, ary nanontany an’Andriamanitra.+ Koa hoy ny zanak’Israely: “Iza aminay no ho loha laharana rehefa hiakatra hiady amin’ny taranak’i Benjamina?”+ Hoy i Jehovah: “Joda no ho loha laharana.”+ 19  Koa nifoha ny zanak’Israely nony maraina ka nitoby mba hiady tamin’i Gibea. 20  Dia nivoaka hiady tamin’ny Benjamita ny lehilahy israelita, ka nilahatra toy ny tafika mba hamely azy tao Gibea. 21  Koa nivoaka avy ao Gibea+ ny taranak’i Benjamina, ka lehilahy israelita roa arivo sy roa alina no maty niampatrampatra tamin’ny tany tamin’izay andro izay.+ 22  Naneho herim-po anefa ny vahoaka, dia ny lehilahy israelita, ka nilahatra indray toy ny tafika, teo amin’ilay toerana nilaharany tamin’ny andro voalohany. 23  Ary niakatra ny zanak’Israely ka nitomany+ teo anatrehan’i Jehovah mandra-paharivan’ny andro, ary nanontany an’i Jehovah hoe: “Mbola handeha hiady amin’ny taranak’i Benjamina rahalahiko indray ve aho?”+ Dia hoy i Jehovah: “Miakara hiady aminy.” 24  Dia nanatona an’ireo taranak’i Benjamina ny zanak’Israely tamin’ny andro faharoa mba hiady taminy.+ 25  Koa nivoaka avy ao Gibea ny Benjamita tamin’ny andro faharoa mba hifanandrina taminy, ka lehilahy valo arivo sy iray alina tamin’ny zanak’Israely indray no maty niampatrampatra tamin’ny tany.+ Mpitan-tsabatra+ daholo ireo. 26  Dia niakatra tany Betela ny zanak’Israely rehetra,+ eny, ny vahoaka manontolo, ka nipetraka nitomany+ teo anatrehan’i Jehovah. Ary nifady hanina+ mandra-paharivan’ny andro izy ireo ny androtr’iny, sady nanolotra fanatitra dorana+ sy fanatitra iombonana+ teo anatrehan’i Jehovah. 27  Avy eo, dia nanontany an’i Jehovah+ ny zanak’Israely, satria tany Betela tamin’izany no nametrahana ilay Vata misy ny fifanekena+ nataon’Andriamanitra. 28  Nijoro teo anoloan’izy io+ i Finehasa+ zanak’i Eleazara, zanak’i Arona, tamin’izany andro izany, ka nanao hoe: “Mbola hivoaka hiady amin’ny taranak’i Benjamina rahalahiko ihany ve aho, sa aoka izay?”+ Dia hoy i Jehovah: “Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy rahampitso.”+ 29  Koa nametraka olona nanodidina an’i Gibea ny Israely, mba hiafina hanafika+ an’ilay tanàna. 30  Ary niakatra hamely an’ireo taranak’i Benjamina ny zanak’Israely tamin’ny andro fahatelo, ka nilahatra toy ny tafika mba hiady tamin’i Gibea, toy ny teo aloha.+ 31  Koa rehefa nivoaka hifanandrina tamin’ny vahoaka ny taranak’i Benjamina, dia notarihina hanalavitra ny tanàna.+ Ary nanomboka nasian’izy ireo, toy ny teo aloha, ny sasany tamin’ny vahoaka, ka maty noho ny ratra nahazo azy. Koa tokony ho telopolo ny Israelita+ maty tany an-tsaha, teny amin’ireo lalambe, izay miakatra ho any Betela+ ny iray fa ny iray kosa mankany Gibea.+ 32  Koa hoy ny taranak’i Benjamina: “Resintsika toy ny tamin’ny voalohany ry zareo.”+ Fa hoy kosa ny zanak’Israely: “Andao hanao tari-dositra,+ dia hotarihintsika hanalavitra ny tanàna ry zareo, ho eny amin’ny lalambe.” 33  Dia niala teo amin’izay nisy azy ny lehilahy israelita rehetra ka nilahatra toy ny tafika, tany Bala-tamara. Fa ireo Israelita efa niafina+ kosa nirohotra niala avy tao amin’izay niafenany, teny amin’ny manodidina an’i Gibea.+ 34  Koa lehilahy iray alina voafantina tamin’ny Israely rehetra no nanatona an’i Gibea, ary nafotaka ny ady. Tsy fantatry ny Benjamita anefa fa efa nananontanona azy ny loza.+ 35  Ary nataon’i Jehovah resy teo anoloan’ny Israely ny Benjamita,+ ka zato sy dimy arivo sy roa alina ny Benjamita matin’ny zanak’Israely tamin’izay andro izay. Mpitan-tsabatra+ daholo ireo maty ireo. 36  Noheverin’ny taranak’i Benjamina kosa fa ho resy ny lehilahy israelita. Nanao tari-dositra+ anefa ny Israely noho ny fatokisany an’ireo nasainy niafina mba hanafika an’i Gibea. 37  Fa ireo niafina+ kosa nirohotra nankao Gibea+ ary niparitaka, ka namely an’izay rehetra tao an-tanàna tamin’ny lelan-tsabatra.+ 38  Ary efa nifanarahan’ny lehilahy israelita sy ireo niafina fa hanisy setroka famantarana hiakatra avy ao an-tanàna+ izy ireo. 39  Rehefa niverin-dalana ny zanak’Israely teny an’ady, dia nanomboka nasian’ny Benjamita, ka telopolo lahy teo ho eo no maty noho ny ratra nahazo azy.+ Hoy mantsy ny Benjamita: “Tsy maintsy ho resintsika toy ilay tamin’ny ady voalohany ry zareo.”+ 40  Ary nanomboka niakatra avy tao an-tanàna ilay famantarana,+ izay tsy inona fa setroka niakatra.+ Koa nitodika ny Benjamita, ka tazany niakatra ho amin’ny lanitra ny setrok’ilay tanàna+ manontolo. 41  Ary nifotitra niverina+ ny lehilahy israelita, ka very hevitra+ ny Benjamita satria hitany fa nidiran-doza izy.+ 42  Dia nandositra teo anoloan’ny lehilahy israelita izy ireo, ka nankany an-tany efitra, nefa nahatratra azy ireo ny ady. Tamin’izay koa ireo lehilahy avy tao an-tanàna no nandripaka an’ireo Benjamita teo aminy. 43  Dia nohodidinin’izy ireo ny Benjamita+ ka nenjehiny nataony tsy afa-niala sasatra,+ sady nohosihoseny tandrifin’i Gibea,+ nanandrify ny fiposahan’ny masoandro. 44  Farany, dia nahafatesana valo arivo sy iray alina ny Benjamita, dia lehilahy nahery fo daholo.+ 45  Koa nivily nandositra tany an-tany efitra izy ireo, ho any amin’ny harambaton’i Rimona.+ Toy ny hoe nitsimpona voa taorian’ny fijinjana ny Israelita, ka mbola nahafaty dimy arivo lahy teny an-dalambe.+ Ary narahin’izy ireo akaiky hatrany Gidoma ny Benjamita, ka mbola nahafatesany roa arivo lahy. 46  Koa nahatratra dimy arivo sy roa alina ny Benjamita rehetra lavo tamin’izay andro izay. Lehilahy mpitan-tsabatra+ sy mahery fo daholo ireo. 47  Fa nivily nandositra tany an-tany efitra kosa ny eninjato lahy, ho any amin’ny harambaton’i Rimona.+ Ary nonina efa-bolana tany izy ireo. 48  Ary niverina niady tamin’ny taranak’i Benjamina ny lehilahy israelita ka namely an’ireo tao an-tanàna tamin’ny lelan-tsabatra, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy ary izay rehetra hita tao.+ Nodorany+ daholo koa izay tanàna rehetra hitany.

Fanamarihana