Mpitsara 21:1-25

21  Ary nianiana tany Mizpa+ ny lehilahy israelita hoe: “Tsy hisy amintsika hanome ny zanany vavy ho vadin’ny Benjamita.”+  Koa nankany Betela+ ny olona, ka nipetraka teo anatrehan’Andriamanitra+ mandra-paharivan’ny andro, sady nidradradradra nitomany be mihitsy.+  Ary hoy izy ireo: “Jehovah Andriamanitry ny Israely ô, fa dia nahoana loatra re no nitranga teo amin’ny Israely izao ka banga foko iray ny Israely?”+  Ary nifoha maraina ny olona ny ampitson’iny ka nanorina alitara teo, ary nanolotra fanatitra dorana+ sy fanatitra iombonana.+  Dia hoy ny zanak’Israely: “Iza tamin’ny foko rehetran’ny Israely no tsy tonga teo anivon’ny fiangonana, teo anatrehan’i Jehovah? Efa nisy fianianana lehibe+ natao mantsy momba an’izay tsy niakatra teo anatrehan’i Jehovah tany Mizpa, nanao hoe: ‘Tsy maintsy vonoina ho faty izy.’”+  Ary nalahelo ny zanak’Israely noho ny amin’ny Benjamita rahalahiny, ka nanao hoe: “Foko iray no fongotra teto amin’ny Israely androany.  Koa ahoana no hataontsika amin’izay sisa tavela mba hahazoany vady, nefa isika efa nianiana+ tamin’ny anaran’i Jehovah hoe tsy hanome ny zanakavavintsika ho vadiny?”+  Hoy koa izy ireo: “Iza tamin’ny fokon’ny Israely no tsy niakatra teo anatrehan’i Jehovah tany Mizpa?”+ Ary hita fa tsy nisy nankao an-toby ho eo anivon’ny fiangonana ny avy any Jabesi-gileada.+  Fa rehefa natao ny fanisana ny olona, dia hita fa tsy nisy mponin’i Jabesi-gileada na iray aza. 10  Koa naniraka lehilahy faran’izay nahery fo niisa roa arivo sy iray alina ny vahoaka, ka nandidy azy hoe: “Mandehana, ka asio amin’ny lelan-tsabatra ny mponin’i Jabesi-gileada, na dia ny zaza amam-behivavy aza.+ 11  Ary izao no hataonareo: Aringano daholo ny lehilahy rehetra, sy ny vehivavy rehetra efa nanao firaisana tamin-dehilahy.”+ 12  Kanefa nahita zazavavy efajato, izay virjiny+ mbola tsy nanao firaisana tamin-dehilahy, teo amin’ny mponin’i Jabesi-gileada+ izy ireo. Koa nentiny tao an-toby tany Silo,+ tany amin’ny tany Kanana ireny. 13  Ary nandefa iraka ny vahoaka manontolo mba hiresaka tamin’ny taranak’i Benjamina, izay tao amin’ny harambaton’i Rimona,+ ka nitady fihavanana taminy. 14  Koa niverina ny Benjamita, tamin’izany fotoana izany. Dia nomena azy ho vadiny ireo zazavavy izay notsimbinina fa tsy mba novonoina niaraka tamin’ireo vehivavy hafa tao Jabesi-gileada.+ Tsy ampy anefa ny zazavavy hitan’izy ireo tao.+ 15  Dia nalahelo noho ny amin’ny Benjamita ny olona,+ satria nampisy fisaraham-bazana teo amin’ny fokon’ny Israely i Jehovah. 16  Koa hoy ny anti-panahin’ny vahoaka: “Ahoana no hataontsika amin’ireo lehilahy sisa tavela ireo mba hahazoany vady, satria efa naringana ny vehivavy teo amin’ny fokon’i Benjamina?” 17  Dia hoy ireo: “Tokony hahazo lova ireo Benjamita afa-nandositra,+ mba tsy hisy foko ho fongana eo amin’ny Israely. 18  Isika anefa tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny zanak’Israely hoe: ‘Voaozona izay manome vady ho an’ny Benjamita.’”+ 19  Farany, dia hoy izy ireo: “Misy fety ho an’i Jehovah fanao isan-taona any Silo,+ any avaratr’i Betela, atsinanan’ilay lalambe miakatra avy any Betela mankany Sekema,+ ary atsimon’i Lebona.” 20  Koa nandidy ny taranak’i Benjamina izy ireo hoe: “Mandehana miafina ao amin’ny tanimboaloboka. 21  Dia jereo ka rehefa mivoaka handihy+ manao faribolana ny zanakavavin’i Silo, dia mivoaha avy ao amin’ny tanimboaloboka, ka samia maka an-keriny amin’ireo zanakavavin’i Silo mba ho vadinareo, ary mandehana any amin’ny tanin’i Benjamina. 22  Ary raha mitory antsika ny rainy na ny anadahiny, dia izao no holazaintsika aminy: ‘Aoka moa mba ho tsara fanahy aminay ianareo noho ny amin’izy ireo e! Tsy nahazo vady ho an’ny tsirairay mantsy izahay tamin’ny ady.+ Ary tsy ianareo koa ange no nanome vady azy e! Raha izany mantsy dia ho meloka ianareo.’”+ 23  Dia izany tokoa no nataon’ny taranak’i Benjamina. Koa nitondra vady araka izay isany,+ avy tamin’ireo vehivavy nandihy+ nanao faribolana, izy ireo. Nosamborin’izy ireo ireny, dia lasa izy ireo niverina tany amin’ny lovany, ka nanorina ny tanàna+ ary nonina tao. 24  Dia samy niparitaka niala teo ny zanak’Israely, tamin’izany fotoana izany. Koa samy nankany amin’ny fokony sy ny fianakaviany avy izy ireo. Eny, niala teo izy ireo, ho any amin’ny lovany avy.+ 25  Tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely tamin’izany andro izany.+ Ary samy zatra nanao izay noheveriny fa nety ny olona.+

Fanamarihana