Mpitsara 3:1-31

3  Ireo firenena+ ireo no navelan’i Jehovah teo mba hitsapana+ ny Israelita, izany hoe izay rehetra mbola tsy nahita ny ady natao tany Kanana.+  Navelany teo ireo satria tiany hahita an’izany hoe ady izany ny taranaky ny zanak’Israely, izay mbola tsy nandia an’izany, mba hampianarana azy hiady.  Ireto avy ireo firenena ireo: Ny andriana dimy mpiray dinan’ny+ Filistinina,+ ny Kananita+ rehetra, ary ny Sidonianina+ sy ny Hivita+ nonina tany an-tendrombohitra Libanona,+ nanomboka tany an-tendrombohitra Bala-hermona+ ka hatrany amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata.+  Ireo no nitsapana+ ny Israely, mba hahalalana raha hankatò ny didin’i Jehovah, izay nandidiany ny razany tamin’ny alalan’i Mosesy, izy ireo, na tsia.+  Ary ny zanak’Israely dia nonina teo amin’ny Kananita+ sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.+  Dia nalain’ny zanak’Israely ho vady ny zanakavavin’ireny,+ ary ny zanany vavy kosa nomeny ho vadin’ny zanakalahin’ireny.+ Ary nanompo ny andriamanitr’ireny ny zanak’Israely.+  Dia nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny zanak’Israely sady nalaky nanadino an’i Jehovah Andriamaniny,+ ka lasa nanompo an’ireo Bala+ sy ireo tsato-kazo masina.+  Koa nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’i Jehovah,+ ka namidiny+ teo an-tanan’i Kosana-risataima mpanjakan’i Mezopotamia+ izy ireo. Ary nanompo azy valo taona ny zanak’Israely.  Dia niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo,+ ka nisy mpamonjy+ notendren’i Jehovah hamonjy azy. Tsy iza izany fa i Otniela+ zanak’i Kenaza+ zandrin’i Kaleba.+ 10  Ary tonga tamin’i Otniela ny fanahin’i+ Jehovah, ka lasa mpitsara teo amin’ny Israely izy. Rehefa nivoaka hiady izy, dia natolotr’i Jehovah teo an-tanany i Kosana-risataima mpanjakan’i Syria, ka resiny+ io mpanjaka io. 11  Dia nandry feizay efapolo taona ny tany. Ary maty i Otniela zanak’i Kenaza, tatỳ aoriana. 12  Dia nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah indray ny zanak’Israely.+ Koa navelan’i Jehovah ho lasa mahery noho ny Israely+ i Eglona mpanjakan’i Moaba,+ satria nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny Israely.+ 13  Ary nangoniny hanohitra azy ireo koa ny taranak’i Amona+ sy Amaleka.+ Dia notafihin’ireny ny Israely, ka nalainy ny tanàna be hazo palmie.+ 14  Ary nanompo an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, valo ambin’ny folo taona ny zanak’Israely.+ 15  Dia niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo,+ ka nisy mpamonjy notendren’i Jehovah. Tsy iza izany fa i Ehoda+ zanak’i Gera. Benjamita+ i Ehoda, ary kavia+ izy. Ary nampitondrain’ny zanak’Israely fanomezana* ho an’i Eglona mpanjakan’i Moaba izy. 16  Efa nanao sabatra roa lela+ anefa i Ehoda mba hampiasainy. Iray hakiho ny halavan’ilay izy, ary nataony teo amin’ny andilany,+ teo amin’ny feny ankavanany, tao anaty akanjony. 17  Ary natolony an’i Eglona mpanjakan’i Moaba+ ilay fanomezana. Ary lehilahy matavy be io Eglona io. 18  Rehefa voatolotr’i Ehoda ilay fanomezana,+ dia nasainy nandeha avy hatrany ireo olona nitondra izany. 19  Ary rehefa tonga teo amin’ny toerana famakiam-bato tany Gilgala+ i Ehoda sy ny olony, dia niverina i Ehoda. Ary hoy izy tamin’ny mpanjaka: “Misy tsiambaratelo tiako holazaina aminao, ry mpanjaka ô!” Ary hoy ny mpanjaka: “Mangìna daholo!” Dia nivoaka izay rehetra nijoro teo akaikiny teo.+ 20  Nipetraka tao amin’ilay efitranony mangatsiatsiaka tany an-tampon-trano i Eglona rehefa nankao aminy i Ehoda. Dia hoy i Ehoda: “Misy tenin’Andriamanitra holazaiko aminao.” Koa nitsangana niala teo amin’ny seza fiandrianany i Eglona. 21  Dia natsotran’i Ehoda ny tanany havia, ka notsoahany ilay sabatra teo amin’ny feny ankavanana ary natsatony teo amin’ny kibon’i Eglona. 22  Dia difotra mbamin’ny tahon’ilay sabatra, ary nikombona nanarona ny lelan-tsabatra ny tavin’i Eglona, satria tsy notsoahan’i Ehoda teo amin’ny kibon’i Eglona ilay sabatra. Ary nanomboka nivoaka ny malotony. 23  Rehefa avy nakaton’i Ehoda sy nohidiany lakile ireo varavaran’ilay efitrano tany an-tampon-trano, dia nivoaka avy teo amin’ny lavaka fidiran-drivotra izy, 24  ka tafavoaka.+ Ary tonga ireo mpanompon’i Eglona ka nijery, ary hitany fa nihidy lakile ny varavaran’ilay efitrano. Dia hoy ireo: “Angamba izy mbola mivoaka*+ ao amin’ilay efitrano anatiny mangatsiatsiaka.” 25  Dia niandry teo foana izy ireo, ka menatra tamin’ny farany, satria mbola tsy nisy namoha ihany ny varavaran’ilay efitrano tany an-tampon-trano. Dia nalain’izy ireo ny lakile ka novohany ny varavarana, ary io fa efa maty nitsitra tamin’ny tany ilay tompony! 26  Fa i Ehoda kosa efa nitsoaka raha mbola nitaredretra teo izy ireo. Ary nandalo an’ilay toerana famakiam-bato+ izy, ka nandositra tany Seirata. 27  Raha vao tonga tany izy, dia nitsoka anjombona+ nanerana ny faritra be tendrombohitr’i Efraima.+ Ary niara-nidina taminy avy tany amin’ilay faritra be tendrombohitra ny zanak’Israely, ary izy no mpitarika azy ireo. 28  Dia hoy izy tamin’ireo: “Manaraha ahy,+ fa efa natolotr’i Jehovah eo an-tananareo+ ny Moabita fahavalonareo.” Dia nanaraka azy ny zanak’Israely, ka azony ireo toerana fiampitana+ ny Reniranon’i Jordana, mba hanakanana ny Moabita. Tsy nisy navelany hiampita teo. 29  Tamin’izay fotoana izay, dia Moabita tokony ho iray alina no matiny.+ Lehilahy vaventy+ sy mahery fo daholo ireo, ary tsy nisy afa-nandositra na iray aza.+ 30  Dia resin’ny Israely i Moaba tamin’izay andro izay, ka tsy nisy korontana intsony teo amin’ilay tany nandritra ny valopolo taona.+ 31  Ary i Samgara+ zanak’i Anata no nanarakaraka an’i Ehoda. Nahafaty Filistinina+ eninjato lahy tamin’ny fanindronan’omby izy, ka tonga mpamonjy ny Israely koa.+

Fanamarihana

Mety ho karazana hetra io.
Ny Malagasy sasany milaza hoe “mangery.”