Mpitsara 4:1-24

4  Dia nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah indray ny zanak’Israely rehefa maty i Ehoda.+  Koa namidin’i Jehovah+ teo an-tanan’i Jabina mpanjakan’i Kanana izy ireo. Nanjaka tao Hazora+ i Jabina. Ary i Sisera,+ izay nonina tao Harosetan’ireo+ firenena, no lehiben’ny tafiny.  Dia nitaraina tamin’i Jehovah ny zanak’Israely,+ satria nanana kalesin’ady sivinjato nisy lelan’antsy+ i Jabina, sady nampahory azy ireo+ sy lozabe taminy, nandritra ny roapolo taona.  Ary i Debora mpaminanivavy,+ vadin’i Lapidota, no nitsara ny Israely tamin’izay fotoana izay.  Nipetraka teo ambany hazo palmie an’i Debora izy, teo anelanelan’i Rama+ sy Betela,+ tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima. Dia niakatra hotsaraina tany aminy ny zanak’Israely.  Ary naniraka olona hiantso an’i Baraka+ zanak’i Abinoama tany Kedesi-naftaly+ izy, mba hilaza aminy hoe: “Tsy efa nanome didy ve i Jehovah Andriamanitry ny Israely? ‘Koa mandehana ka aoka ianareo hiely eran’ny Tendrombohitra Tabara.+ Makà lehilahy iray alina eo amin’ny taranak’i Naftaly+ sy Zebolona.+  Ary hosarihako ho any aminao,+ any amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kisona,+ i Sisera+ lehiben’ny tafik’i Jabina,+ sy ireo kalesin’adiny mbamin’ny olony. Dia hatolotro eo an-tananao izy.’”+  Dia hoy i Baraka tamin’i Debora: “Handeha aho raha hiaraka amiko ianao, fa raha tsy handeha ianao, dia tsy handeha koa aho.”  Dia hoy i Debora: “Hiaraka aminao tokoa aho. Tsy ianao anefa no hahazo voninahitra amin’izao dia halehanao izao, satria eo an-tanam-behivavy+ no hivarotan’i Jehovah an’i Sisera.” Dia nitsangana i Debora ka niaraka tamin’i Baraka ho any Kedesy.+ 10  Ary nantsoin’i Baraka ho any Kedesy ny taranak’i Zebolona+ sy Naftaly, ka lehilahy iray alina no niakatra nanara-dia azy,+ ary niara-niakatra taminy koa i Debora. 11  Ary efa nisaraka tamin’ny Kenita+ taranak’i Hobaba i Hebera+ Kenita. Vinantolahin’io Hobaba io i Mosesy.+ Nanangana ny tranolainy teo akaikin’ilay hazobe tao Zananima any Kedesy i Hebera. 12  Ary nisy nilaza tamin’i Sisera hoe efa niakatra tao an-tendrombohitra Tabara+ i Baraka zanak’i Abinoama.+ 13  Avy hatrany, dia nangonin’i Sisera daholo ny kalesin’adiny sivinjato nisy lelan’antsy,+ sy ny olony rehetra, mba hiala tao Harosetan’ireo firenena ka ho any amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kisona.+ 14  Ary hoy i Debora tamin’i Baraka: “Mitsangàna fa izao no andro hanoloran’i Jehovah an’i Sisera eo an-tananao. Tsy i Jehovah ve no efa mivoaka ho eo alohanao?”+ Dia nidina avy tany an-tendrombohitra Tabara i Baraka sy ireo lehilahy iray alina nanaraka azy. 15  Ary nataon’i Jehovah nifanaritaka+ i Sisera sy ny kalesin’adiny rehetra ary ny tobiny rehetra, ka matin’ny lelan-tsabatra teo anoloan’i Baraka izy ireo. Dia nidina niala tamin’ny kalesiny i Sisera, ka nihazakazaka nandositra. 16  Koa nenjehin’i+ Baraka hatrany Harosetan’ireo firenena ny kalesin’ady+ sy ny miaramila, ka lavon’ny lelan-tsabatra ny miaramila rehetra, ary tsy nisy niangana na iray aza.+ 17  Fa i Sisera+ kosa nihazakazaka nandositra nankany amin’ny tranolain’i Jaela+ vadin’i Hebera Kenita,+ satria tsara fihavanana tamin’i Jabina mpanjakan’i Hazora+ ny fianakavian’i Hebera Kenita. 18  Dia nivoaka hitsena an’i Sisera i Jaela, ka nilaza hoe: “Mivilia atỳ tompoko! Mivilia ato amiko fa aza matahotra.” Koa nivily nankao an-tranolainy izy. Rehefa afaka kelikely, dia norakofan’i Jaela bodofotsy izy. 19  Avy eo dia hoy i Sisera taminy: “Mba omeo rano kely ange aho hosotroiko e, fa mangetaheta aho.” Koa nosokafan’i Jaela ny siny hoditra+ nisy ronono, ka nanomezany hosotroiny.+ Dia norakofan’i Jaela izy. 20  Hoy koa i Sisera taminy: “Mijoroa eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay, ka raha misy tonga manontany anao hoe: ‘Misy lehilahy ve ao?’, dia ataovy hoe: ‘Tsia!’” 21  Ary naka fantsika be fanenjanan-day i Jaela vadin’i Hebera sady nitondra marotoa teny an-tanany. Ary nitsaitsaika nankeo amin’i Sisera i Jaela, raha iny natory be sy reraka iny izy. Dia natsatony teo amin’ny fihirifany ilay fantsika be,+ ka nataony niboroaka tamin’ny tany. Koa maty i Sisera.+ 22  Ary iny fa tonga i Baraka izay mbola nanenjika an’i Sisera. Dia nivoaka hitsena azy i Jaela ka nanao hoe: “Avia fa hasehoko anao ilay lehilahy tadiavinao.” Koa niditra nankao aminy izy, ary io fa maty nitsitra teo i Sisera, sady mbola teo amin’ny fihirifany ilay fantsika be. 23  Toy izany no nandresen’Andriamanitra+ an’i Jabina mpanjakan’i Kanana teo anoloan’ny zanak’Israely, tamin’izany andro izany. 24  Ary nihamafy foana ny fanafihan’ny zanak’Israely an’i Jabina mpanjakan’i Kanana,+ mandra-pamonony an’i Jabina.+

Fanamarihana