Mpitsara 5:1-31

5  Tamin’izay andro izay, dia velon-kira+ i Debora+ sy Baraka+ zanak’i Abinoama+ hoe:   “Navela hikirazorazo ny volo* fa efa vonon-kiady ny Israely,Ary nirotsaka an-tsitrapo ny olona,+Ka misaora an’i Jehovah!+   Mihainoa ry mpanjaka,+ ary mandrenesa ry manam-pahefana:Izaho mihitsy no hihira ho an’i Jehovah.Hihira fiderana+ ho an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely+ aho.   Tamin’ianao nivoaka avy tany Seira,+ Jehovah ô,Tamin’ianao niala avy tany amin’ny faritr’i Edoma,+Dia nihovotrovotra ny tany,+ ary nitete ny lanitra,+Eny, nitete rano ny rahona.   Nitsonika teo anatrehan’i Jehovah ny tendrombohitra,+Nitsonika i Sinay,+ teo anatrehan’i Jehovah+ Andriamanitry ny Israely.+   Tamin’ny andron’i Samgara,+ zanak’i Anata,Tamin’ny andron’i Jaela,+ dia tsy nisy mpandeha ny lalankely,Fa nanaraka lalankely nihodidina kosa ny mpandeha an-dalambe.+   Tsy teo intsony ireo mponina tany ambanivohitra, tsy teo amin’ny Israely intsony ireny,+Mandra-pitsangako, izaho Debora,+Mandra-pitsangako ho reny teo amin’ny Israely.+   Nifidy andriamani-baovao ny olona.+Tamin’izay no nisian’ny ady teny am-bavahady,+Ary tsy nahitana ampinga na lefonaTeo amin’ny olona efatra alina teo amin’ny Israely.+   Miray fo amin’ireo mpitari-tafika eo amin’ny Israely aho.+Nirotsaka an-tsitrapo niaraka tamin’ny vahoaka izy ireo.+Misaora an’i Jehovah!+ 10  Ianareo izay mitaingina ampondravavy mena somary mavo,+Ianareo izay mipetraka eo ambony karipetra mirenty,Ary ianareo izay mandeha eny an-dalana,Mandiniha!+ 11  Re teny am-pantsakana+ ny feon’ny olona sasany mpizara rano.Teny no nitantarany ny zavatra ara-drariny nataon’i Jehovah,+Sy ny zavatra ara-drariny nataon’ny olony monina eny ambanivohitr’Israely.Tamin’izay no nidinan’ny vahoakan’i Jehovah teny am-bavahady. 12  Mifohaza, mifohaza, ry Debora+ ô,Mifohaza, mifohaza, ka mihirà!+Mitsangàna ry Baraka,+ ary ento manaraka anao ireo babonao, ry zanak’i Abinoama!+ 13  Tamin’izay ireo sisa tsy maty no nidina tany amin’ireo olo-manan-kaja.Nidina ho atỳ amiko ny vahoakan’i Jehovah mba hiady amin’ny olo-mahery. 14  Avy tamin’ny fokon’i Efraima ny olona nankeny amin’ny lemaka iva.+Niaraka taminao teo anivon’ny vahoakanao ireny, ry Benjamina ô!Avy tamin’i Makira+ no niavian’ireo mpitari-tafika nidina tany,Ary avy tamin’i Zebolona ireo nampiasa ny fitaovan’ny mpitan-tsoratra.+ 15  Niaraka tamin’i Debora ireo andriana teo amin’ny fokon’i Isakara,+Ary sahala amin’i Isakara ihany i Baraka.+Nirahina handeha an-tongotra hankeny amin’ny lemaka iva izy.+Nisy ampahany tamin’ny fokon’i Robena nisalasala be tao am-pony tao.+ 16  Nahoana ianao no nipetraka teo anelanelan’ny kitapon-dasely roa,Mba hihaino ny feon-tsodina fibaikoana ny andian’ondry?+Nisy ampahany tamin’ny fokon’i Robena nisalasala be tao am-pony tao.+ 17  Mbola nijanona tao amin’ny fonenany teny ampitan’i Jordana i Gileada.+Ary nahoana i Dana no mbola nijanona tao an-tsambo tamin’iny fotoana iny?+Nipetra-potsiny teo amoron-dranomasina i Asera,Ary mbola nijanona teo amin’ny fitodian-tsambony izy.+ 18  Vahoaka nanao vivery ny ainy* i Zebolona, ary vonona ho faty mihitsy aza.+Toy izany koa i Naftaly,+ teny amin’ny havoana tany ambanivohitra.+ 19  Nisy mpanjaka tonga mba hiady,Ary tamin’izay no niady ireo mpanjakan’i Kanana+Tao Tanaka,+ teo amoron’ny ranon’i Megido.+Tsy nahazo volafotsy anefa izy ireo.+ 20  Avy tany an-danitra ny kintana no niady+ tamin’i Sisera,Avy tamin’ny lalana arahiny ireny no niady taminy. 21  Nopaohin’ny riakan’i Kisona ireny,+Dia ny riakan’ny andro fahiny, eny, ny riakan’i Kisona.+Nanitsakitsaka an’ireo olo-mahery+ aho. 22  Tamin’izay no nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly,+Satria niriotra mafy dia mafy ny soavalilahy. 23  ‘Ozòny+ i Meroza’, hoy ilay anjelin’i Jehovah,+‘Ozòny tsy misy farany ny mponina ao,Satria tsy mba tonga nanampy an’i Jehovah,Tsy niaraka tamin’ireo olo-mahery mba hanampy an’i Jehovah.’ 24  Hotahina mihoatra noho ny vehivavy rehetra i Jaela,+ vadin’i Hebera Kenita,+Hotahina mihoatra noho ny vehivavy rehetra mipetraka an-tranolay izy.+ 25  Rano no nangatahin’i Sisera, fa ronono no nomeny azy,Eny, habobo no natolony tao anaty vilia baolina lehibe fampiasan’ny olo-manan-kaja amin’ny fanasambe.+ 26  Dia noraisiny haingana ny fantsika be fanenjanan-day,Noraisin’ny tanany havanana ny marotoa fampiasan’ny mpanao asa mafy,+Ka nasiany tamin’iny i Sisera, ary novakiny ny lohany.+Koa nataony tresaka sy gorobaka ny fihirifany. 27  Teo anelanelan’ny tongotr’i Jaela izy no nianjera sy lavo ary nivalampatra.Teo anelanelan’ny tongony izy no nianjera sy lavo,Ary teo amin’izay nianjerany izy no lavo sy resy.+ 28  Teo am-baravarankely ny vehivavy iray no nitazana sy niandry izay hahatongavany,Nitazana teo amin’ny makarakaram-baravarankely+ ny renin’i Sisera, ka nanao hoe:‘Fa maninona àry no mbola tsy tonga foana ny kalesin’adiny?+Fa maninona àry no mbola tsy re mikatrokatroka foana ny kitron’ny soavaly mitarika ny kalesiny?’+ 29  Izay hendry tamin’ireo andriambaviny+ no namaly azy,Ny tenany koa aza niteny anakampo hoe: 30  ‘Tsy efa mba nahazo babo sy nizara izany+ ve ry zareo izay?Vehivavy iray, vehivavy roa ho an’ny vatan-dehilahy tsirairay.+Lamba miloko no azon’i Sisera, eny, lamba miloko,Akanjo iray misy peta-kofehy, lamba miloko, akanjo roa misy peta-kofehyNo eny am-bozon’ny lehilahy nahazo babo.’ 31  Ho faty toy izany koa anie ny fahavalonao rehetra,+ Jehovah ô!Fa izay tia anao+ kosa ho tahaka ny masoandro mibaliaka.”+ Ary tsy nisy korontana intsony teo amin’ilay tany nandritra ny efapolo taona.+

Fanamarihana

Ho mariky ny voady na fanokanan-tena ho an’Andriamanitra.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.