Mpitsara 6:1-40

6  Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah+ ny zanak’Israely, ka natolotr’i Jehovah teo an-tanan’ny Midianina+ nandritra ny fito taona.  Dia nanjakazaka tamin’ny Israely ny Midianina.+ Ary noho ny nafitsok’izy ireo no nanaovan’ny zanak’Israely an’ireo fitehirizam-bokatra any ambanin’ny tany, teny an-tendrombohitra, mbamin’ireo lava-bato sy ireo toerana sarotra aleha.+  Ary rehefa namafy voa+ ny Israely, dia niakatra hanafika azy ny Midianina sy ny Amalekita+ ary ny Tatsinanana.+  Nitoby mba hiady tamin’ny Israely ireny, sady nanimba ny vokatry ny tany, hatrany Gaza. Koa nataony fongana ny hanina sy ny ondry sy ny omby ary ny ampondra sisa tavela tany Israely.+  Fa niakatra nitondra ny biby fiompiny sy ny tranolainy ireny, ka nanao rodobe sahala amin’ny valala.+ Tsy hita isa koa izy ireny sy ny ramevany.+ Ary tonga handrava an’ilay tany ireny.+  Koa lasa nahantra be ny Israely noho ny nataon’ny Midianina. Dia niantso vonjy tamin’i Jehovah ny zanak’Israely.+  Ary satria niantso vonjy tamin’i Jehovah ny zanak’Israely noho ny nataon’ny Midianina,+  dia naniraka lehilahy iray mpaminany+ i Jehovah, ho any amin’izy ireo, mba hilaza hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta,+ ka namoaka anareo avy tany amin’ny trano fanandevozana.+  Koa nafahako teo an-tanan’ny Ejipsianina sy izay rehetra nampahory anareo ianareo. Noroahiko tsy ho eo anatrehanareo ireny, ary nomeko anareo ny taniny.+ 10  Hoy koa aho taminareo: “Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.+ Aza matahotra ny andriamanitry ny Amorita+ izay tompon’ny tany onenanareo.”+ Tsy nihaino ny feoko anefa ianareo.’”+ 11  Ary tonga ilay anjelin’i Jehovah,+ ka nipetraka teo ambanin’ilay hazoben’i Joasy Abi-ezerita,+ tany Ofra. I Gideona+ zanakalahin’i Joasy tamin’izay dia nively varimbazaha tao amin’ny lavaka famiazam-boaloboka mba tsy ho hitan’ny Midianina, ary nataony haingana izany. 12  Dia niseho taminy ilay anjelin’i Jehovah, ka nanao hoe: “Momba anao i Jehovah,+ ry ilay matanjaka sady mahery fo.” 13  Hoy anefa i Gideona taminy: “Miala tsiny aminao aho, tompoko, fa raha momba anay i Jehovah, nahoana no mianjady aminay izao zavatra rehetra izao?+ Ary aiza ny zava-mahagaga rehetra nataony+ izay notantarain’ny razanay taminay+ hoe: ‘Tsy avy tany Ejipta ve isika no nentin’i Jehovah niakatra?’+ Fa efa nahafoy anay mihitsy i Jehovah,+ ary efa natolony teo am-pelatanan’ny Midianina izahay.” 14  Dia nitodika nanatrika azy i Jehovah, ka nanao hoe: “Mandehana amin’izao herinao izao+ ka vonjeo eo am-pelatanan’ny Midianina ny Israely.+ Tsy efa naniraka anao ve aho?”+ 15  Ary hoy i Gideona taminy: “Miala tsiny aminao aho, Jehovah ô! Ahoana no hamonjeko ny Israely?+ Ny fianakaviako* ange no tsinontsinona indrindra amin’ny fokon’i Manase e! Ary izaho no kely indrindra ao amin’ny ankohonan-draiko.”+ 16  Hoy anefa i Jehovah: “Homba anao aho,+ ka hovonoinao toy ny famono olona iray monja ny Midianina.”+ 17  Dia hoy i Gideona: “Raha mahazo sitraka aminao àry aho,+ dia mba manaova famantarana hahalalako fa ianao no miteny amiko.+ 18  Koa aza miala eto, azafady, mandra-piveriko eto aminao,+ fa haka fanomezana aho mba hoentiko eto anatrehanao.”+ Dia hoy izy: “Hipetraka eto foana aho mandra-piverinao.” 19  Ary nankao an-trano i Gideona, ka nikarakara zanak’osy+ sy nanao mofo tsy misy lalivay tamin’ny lafarinina+ iray efaha. Dia nataony tao anaty harona ny hena, ary tao anaty vilany ny ron-kena, ka nentiny nankany amin’ilay anjely teo ambanin’ilay hazobe. Ary narosony teo aminy izany. 20  Ary hoy ilay anjelin’Andriamanitra: “Alaivo ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, ka apetraho erỳ ambonin’irỳ vatolampy lehibe irỳ,+ ary araraho eo ny ron-kena.” Dia nataon’i Gideona izany. 21  Ary naroson’ilay anjelin’i Jehovah ny tehina teny an-tanany, ka nokasihiny tamin’ny tendron’iny ilay hena sy ny mofo tsy misy lalivay. Dia nisy afo niakatra avy tamin’ilay vatolampy ka nandevona an’ilay hena sy ny mofo tsy misy lalivay.+ Fa ilay anjelin’i Jehovah kosa nanjavona tsy hitany intsony. 22  Koa takatr’i Gideona fa anjelin’i Jehovah+ ilay teo. Avy hatrany, dia hoy izy: “Lozako, ry Jehovah Tompo Fara Tampony, fa nifanatrika tamin’ny anjelin’i Jehovah aho!”+ 23  Fa hoy i Jehovah taminy: “Fiadanana anie ho anao!+ Aza matahotra+ fa tsy ho faty ianao.”+ 24  Koa nanorina alitara+ ho an’i Jehovah teo i Gideona. Mbola Jehovah-saloma foana no iantsoana+ an’ilay alitara mandraka androany ary mbola any Ofra,+ tanànan’ny Abi-ezerita, ilay izy. 25  Ny alin’iny, dia hoy koa i Jehovah tamin’i Gideona: “Alaivo ny vantotr’ombilahin-drainao, dia ilay vantotr’ombilahy faharoa efa fito taona. Ravao ny alitaran’i Bala,+ izay an-drainao, ary kapao ny tsato-kazo masina eo anilany.+ 26  Ary manorena alitara ho an’i Jehovah Andriamanitrao eo an-tampon’ity toerana voaro mafy ity, ka ataovy mitandahatra ny vato eo aminy. Ary alaivo ilay vantotr’ombilahy faharoa, dia atolory ho fanatitra dorana eo ambony kitay, ka ilay tsato-kazo masina hokapainao no hataonao kitay.” 27  Koa naka folo lahy tamin’ny mpanompony i Gideona, ka nanao araka izay efa nolazain’i Jehovah taminy.+ Ary tamin’ny alina no nanaovany izany,+ noho izy natahotra mafy ny ankohonan-drainy sy ny lehilahy tao an-tanàna, fa tsy vitany ny nanao izany tamin’ny antoandro. 28  Rehefa nifoha vao maraina toy ny mahazatra ny olona tao an-tanàna, dia io fa efa rava ny alitaran’i Bala, ary efa voakapa ny tsato-kazo masina+ teo anilany, ary ilay vantotr’ombilahy faharoa dia efa natolotra teo ambonin’ilay alitara vao naorina. 29  Dia nifanontany ny olona hoe: “Fa iza no nanao an’izao?” Ary namotopototra sy nitady izy ireo, ka hoy izy ireo nony farany: “I Gideona zanak’i Joasy no nanao an’izao.” 30  Koa hoy ny tao an-tanàna tamin’i Joasy: “Avoahy ny zanakao mba hovonoina ho faty,+ fa narodany ny alitaran’i Bala, sady nokapainy ny tsato-kazo masina teo anilany.” 31  Dia hoy i Joasy+ tamin’izay rehetra nitsangana hanohitra azy:+ “Ianareo indray ve no hiaro an’i Bala sao mba azonareo vonjena ihany izy? Izay rehetra miaro an’i Bala dia hovonoina ho faty izao maraina izao ihany.+ Raha Andriamanitra+ tokoa i Bala, dia aoka izy no hiaro ny tenany,+ satria nisy nandrodana ny alitarany.” 32  Ary nantsoiny hoe Jerobala+ i Gideona nanomboka tamin’izay andro izay, fa hoy izy: “Aoka i Bala no hiaro ny tenany, satria nisy nandrodana ny alitarany.”+ 33  Ary nivondrona ho iray+ ny Midianina+ rehetra sy ny Amalekita+ ary ny Tatsinanana.+ Koa nankeny ampita izy ireo ka nitoby teo amin’ny lemaka ivan’i Jezirela.+ 34  Ary tonga tamin’i* Gideona ny fanahin’i* Jehovah,+ ka notsofiny ny anjombona.+ Dia novorina ny Abi-ezerita+ mba hanaraka azy. 35  Nandefa iraka+ tany amin’ny fokon’i Manase manontolo izy, ka novorina koa ireo mba hanaraka azy. Ary nandefa iraka tany amin’ny fokon’i Asera sy Zebolona ary Naftaly koa izy, ka niakatra ireo mba hitsena azy. 36  Dia hoy i Gideona tamin’Andriamanitra: “Raha izaho no hampiasainao hamonjena ny Israely, araka ny efa nampanantenainao,+ 37  dia hisy volonondry hapetrako eo am-pamoloana. Koa raha ny volonondry ihany no hisy ando, fa ny tany rehetra kosa ho maina, dia ho fantatro fa izaho no hampiasainao hamonjena ny Israely, araka ny efa nampanantenainao.” 38  Dia tanteraka tokoa izany. Koa rehefa nifoha maraina izy ny ampitson’iny, dia nofiazany ilay volonondry, ka nahafeno vilia baolina lehibe fampiasa amin’ny fanasambe ny ranonando taminy. 39  Fa hoy indray i Gideona tamin’Andriamanitra: “Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa avelao aho mbola hiteny indray mandeha monja. Avelao re aho, azafady, mba hanao fitsapana indray mandeha indray amin’ilay volonondry e! Koa raha sitrakao, dia aoka ilay volonondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa hisy ando.” 40  Dia nataon’Andriamanitra izany tamin’iny alina iny, ka ilay volonondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa nisy ando.

Fanamarihana

A.b.t.: “ny arivo misy ahy.”
Na: “nandrakotra an’i.”
Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.