Mpitsara 7:1-25

7  Ary nifoha maraina i Jerobala,+ izany hoe i Gideona,+ mbamin’ny olona rehetra niaraka taminy, ka nitoby teo amin’ny loharanon’i Haroda. Ny tobin’ny Midianina kosa teo avaratry ny nisy an’i Gideona, teo amin’ny havoanan’i More, teny amin’ny lemaka iva.  Dia hoy i Jehovah tamin’i Gideona: “Maro loatra ny olona miaraka aminao, ka tsy hatolotro eo an-tanan’ireo ny Midianina,+ sao hirehareha+ momba izany ny Israely, ka hilaza amiko hoe: ‘Ny tanako ihany no namonjy ahy.’+  Koa manaova antso avo amin’ny olona, azafady, hoe: ‘Iza no matahotra sy mangovitra? Aoka izy hiverina.’”+ Ary nisy fitsapana nataon’i Gideona tamin’izy ireo. Dia olona roa arivo sy roa alina no niverina, ka iray alina sisa no nijanona.  Hoy ihany anefa i Jehovah tamin’i Gideona: “Mbola maro loatra ireo olona ireo,+ ka asaivo midina ho eny amoron-drano ry zareo fa hisy fitsapana hataoko aminy eny. Koa izay lazaiko aminao hoe: ‘Hiaraka aminao io’, no hiaraka aminao. Fa izay lazaiko hoe: ‘Tsy hiaraka aminao io’, dia tsy hiaraka aminao.”  Dia nasain’i Gideona nidina teny amoron-drano ny olona.+ Dia hoy i Jehovah tamin’i Gideona: “Atokàny izay rehetra milelaka rano, toy ny filelaky ny alika, ary atokàny koa izay rehetra mandohalika hisotro.”+  Ary telonjato lahy no naka rano tamin’ny tanany ho eo am-bavany ka nilelaka izany, fa ny sisa rehetra kosa nandohalika rehefa nisotro.  Hoy koa i Jehovah tamin’i Gideona: “Ireo telonjato lahy nilelaka rano ireo no hamonjeko anareo, ary hatolotro eo an-tananao ny Midianina.+ Fa asaivo mody kosa ny olona sisa rehetra.”  Koa nalain’ireo telonjato lahy ny vatsy sy ny anjombona+ teny amin’ny olona. Dia nalefan’i Gideona hody tany an-tranony avy ny lehilahy israelita rehetra, fa ireo telonjato lahy kosa no nohazoniny. Ary ny tobin’ny Midianina dia teny ambanin’izay nisy an’i Gideona, teny amin’ny lemaka iva.+  Ary hoy i Jehovah tamin’i Gideona, tamin’iny alina iny:+ “Mitsangàna, ary midìna ka tafiho ny ao an-toby, fa natolotro eo an-tananao izy.+ 10  Fa raha matahotra ny hidina ianao, dia ento midina miaraka aminao ho any an-toby i Pora mpanomponao.+ 11  Ary henoy izay horesahin’izy ireo+ fa hihamahery ny tananao aorian’izay,+ ka hidina hanafika ny ao an-toby tokoa ianao.” Dia nidina izy sy Pora mpanompony ka nankany an-tsisin’ilay toby, izay nisy olona efa voalahatra hiady. 12  Nitoetra tany amin’ny lemaka iva ny Midianina sy ny Amalekita ary ny Tatsinanana rehetra,+ sady maro be tahaka ny valala.+ Ary tsy hita isa ny ramevany,+ fa maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina. 13  Ary tonga tao i Gideona, ka injay fa nisy lehilahy iray nitantara nofy tamin’ny namany, nanao hoe: “Nanonofy+ aho hoe: Nisy mofo boribory natao tamin’ny vary orza, nikodiadia nanketo amin’ny tobin’ny Midianina. Ary tonga hatreny amin’ny tranolay anankiray ilay izy, dia nandona an’ilay tranolay, ka nampianjera azy.+ Avy eo, dia natsimbadik’ilay mofo ilay tranolay, ka nirodana tanteraka.” 14  Dia hoy ny navalin’ilay+ namany: “Koa inona moa fa tsy ny sabatr’i Gideona+ zanak’i Joasy, lehilahy israelita, izany! Efa natolotr’ilay tena Andriamanitra+ eo an-tanany ny Midianina sy ny toby rehetra.”+ 15  Raha vao ren’i Gideona ilay nofy sy ny dikany,+ dia niankohoka+ izy. Ary niverina tany amin’ny tobin’ny Israely izy, ka niteny hoe: “Mitsangàna,+ fa efa natolotr’i Jehovah eo an-tananareo ny tobin’ny Midianina.” 16  Dia nozarainy ho telo toko izy telonjato lahy, ka samy nomeny anjombona+ izy rehetra hotazoniny eny an-tanany, ary koa siny lehibe tsy nisy na inona na inona, sy fanilo hatao ao anatin’ireo siny. 17  Hoy koa izy tamin’ireo: “Jereo aho, ka ianaro izay hataoko, ary manaova sahala amiko. Ary rehefa tonga eo an-tsisin’ny toby aho, dia izay hataoko no hataonareo. 18  Koa rehefa mitsoka anjombona izaho sy izay rehetra miaraka amiko, dia tsofy koa ny anjombonareo, manodidina ny toby,+ ka mitenena hoe: ‘An’i Jehovah+ sy Gideona!’” 19  Ary tonga teo an-tsisin’ny toby i Gideona sy ny zato lahy niaraka taminy, rehefa nanomboka ny fotoam-piambenana teo antenatenan’ny alina.+ Vao avy nosoloan’ny Midianina ny miaramila mpiambina tamin’izay. Dia nitsoka anjombona+ ry Gideona, ary nopotipotehiny ny sinin-drano lehibe teny an-tanany.+ 20  Dia samy nitsoka ny anjombony+ sy namotipotika an’ireo siny lehibe izy telo toko. Ary noraisin’izy ireo tamin’ny tanany havia ny fanilo, fa ny tanany havanana kosa nihazona ny anjombona hotsofiny. Dia niantso mafy izy ireo hoe: “Sabatr’i Jehovah+ sy Gideona!” 21  Nandritra izany rehetra izany, dia samy nijanona teo amin’izay nisy azy, nanodidina ny toby, izy ireo. Koa nihazakazaka ny rehetra tao an-toby, ary velona ny horakoraka, dia vaky nandositra+ izy rehetra. 22  Ary mbola nitsoka ny anjombony+ foana izy telonjato lahy.+ Dia nataon’i Jehovah nifamely tamin’ny sabatra ny eran’ny toby.+ Koa nisy nandositra hatrany Beti-sita sy Zereraha ny tao an-toby, ka tonga hatrany amin’ny sisin’i Abela-mehola,+ any akaikin’i Tabata. 23  Nandritra izany fotoana izany, dia novorina ny lehilahy israelita avy tamin’ny fokon’i Naftaly+ sy Asera+ ary Manase+ manontolo, ka nenjehin’izy ireo+ ny Midianina. 24  Ary nandefa iraka eran’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima+ i Gideona, nanao hoe: “Midìna mba hifanandrina amin’ny Midianina, ary ataovy izay hahatongavana alohan’izy ireo hatrany Beti-bara sy ny Reniranon’i Jordana, ka ametraho olona eo amin’ireo toerana fiampitana.” Koa novorina ny lehilahy efraimita rehetra, ka nametrahany olona teo amin’ireo toerana fiampitana+ hatrany Beti-bara sy ny Reniranon’i Jordana. 25  Dia tratran’izy ireo koa ny andrianan’ny Midianina roa lahy, dia i Oreba sy Zeba.+ Ary i Oreba novonoiny teo amin’ny harambaton’i Oreba,+ fa i Zeba kosa novonoiny tao amin’ny famiazam-boalobok’i Zeba. Ary mbola nenjehin’izy ireo ny Midianina.+ Dia nentiny tany amin’i Gideona, tany amin’ny faritr’i Jordana, ny lohan’i Oreba sy ny lohan’i Zeba.+

Fanamarihana