Mpitsara 8:1-35

8  Dia hoy ny lehilahy efraimita tamin’i Gideona: “Mba ahoana koa izao zavatra nataonao taminay izao no tsy nantsoinao izahay rehefa nandeha niady tamin’ny Midianina ianao?”+ Koa nila ady taminy ireo ka nasiaka taminy.+  Farany, dia hoy i Gideona tamin’ireo: “Fa inona moa no mba vitako raha ampitahaina amin’ny vitanareo?+ Tsy ny sisam-boaloboka notazan’ny Efraimita+ aza ve no tsara kokoa noho ny voaloboka rehetra notazan’ny Abi-ezerita?+  Teo an-tananareo ange no nanoloran’Andriamanitra an’i Oreba sy Zeba+ andrianan’ny Midianina e! Ary inona moa no mba vitako raha ampitahaina amin’ny vitanareo?” Rehefa avy niteny izany i Gideona vao tony ny fahatezeran’izy ireo taminy.+  Ary tonga teo amin’ny Reniranon’i Jordana i Gideona, ka niampita azy io izy sy ireo telonjato lahy niaraka taminy. Efa reraka izy ireo, nefa mbola nanenjika ny fahavalony ihany.  Taoriana kelin’izay, dia hoy izy tamin’ireo lehilahy tao Sokota:+ “Mba omeo mofo re ny olona manaraka ahy+ fa reraka e! Manenjika an’i Zebaha+ sy Zalmona,+ mpanjakan’ny Midianina, mantsy aho.”  Fa hoy ireo andrianan’i Sokota: “Efa eo am-pelatananao angaha i Zebaha sy Zalmona no omenay mofo ny miaramilanao?”+  Dia hoy i Gideona: “Hoveleziko amin’ny tsilon’ny tany efitra sy amin’ny voarointsilo ianareo, rehefa hatolotr’i Jehovah eo an-tanako i Zebaha sy Zalmona.”+  Dia nanohy ny diany izy, ka niakatra nankany Penoela.+ Ary niteny toy izany tamin’ny lehilahy tao koa izy, nefa namaly azy sahala amin’ny tao Sokota koa ireo.  Dia hoy koa izy tamin’ny lehilahy tao Penoela: “Rehefa tafaverina soa aman-tsara aho, dia harodako ity tilikambo ity.”+ 10  Ary tany Karkora i Zebaha sy Zalmona,+ mbamin’ny miaramilany dimy arivo sy iray alina teo ho eo, izay sisa tavela tamin’ny tafiky ny Tatsinanana manontolo,+ fa efa maty ny roa alina sy iray hetsy izay samy lehilahy mpitan-tsabatra.+ 11  Mbola nanohy ny diany niakatra ihany i Gideona, ka nanaraka ny lalan’ireo olona nipetraka an-tranolay, any atsinanan’i Noba sy Jogbeha.+ Dia namely ny toby izy raha iny tsy nanampo na inona na inona iny ny tao an-toby.+ 12  Ary nandositra i Zebaha sy Zalmona, ka nenjehin’i Gideona avy hatrany. Dia azony i Zebaha sy Zalmona+ mpanjakan’ny Midianina. Ary nataon’i Gideona nangovitra izay rehetra tao an-toby. 13  Dia niverina avy tany an’ady i Gideona, zanak’i Joasy, ary nihazo ny lalana niakatra tany Heresa. 14  Nisambotra tovolahy iray anisan’ny lehilahy tao Sokota+ i Gideona teny an-dalana ka nanontaniany io.+ Koa nosoratan’ilay tovolahy ny anaran’ny andrianan’i+ Sokota sy ny anti-panahy tao, dia fito amby fitopolo lahy. 15  Dia nankany amin’ny lehilahy tao Sokota i Gideona, ka nanao hoe: “Ireto i Zebaha sy Zalmona izay nanarabianareo ahy hoe: ‘Efa eo am-pelatananao angaha i Zebaha sy Zalmona no omenay mofo ny miaramilanao efa reraka?’”+ 16  Dia nalain’i Gideona ny anti-panahy tao an-tanàna. Ary naka tsilon’ny tany efitra sy voarointsilo izy, dia nofaiziny tamin’ireny ny lehilahy tao Sokota ka nataony nahalala ny anarany.+ 17  Narodany+ koa ilay tilikambo tao Penoela,+ ary naripany ny lehilahy tao an-tanàna. 18  Ary hoy izy tamin’i Zebaha sy Zalmona:+ “Hoatran’iza izany lehilahy novonoinareo tany Tabara+ izany?” Hoy ireo: “Tahaka anao izao ry zareo. Tahaka ny zanaky ny mpanjaka ny bikabikany.” 19  Dia hoy i Gideona: “Ny rahalahiko zanak’i Neny izany! Raha mbola velona koa i Jehovah, dia tsy hovonoiko ho faty ianareo raha mba nitsimbina ny ain’izy ireo.”+ 20  Dia hoy i Gideona tamin’i Jatera zanany lahimatoa: “Mitsangàna! Vonoy ho faty ireo.” Tsy nanatsoaka ny sabany anefa ilay tovolahy, satria natahotra. Mbola tovolahy+ mantsy izy. 21  Fa hoy i Zebaha sy Zalmona: “Ianao mihitsy no aoka hamely anay, satria ny heriny+ no ahitana ny tena lehilahy.” Dia novonoin’i+ Gideona i Zebaha sy Zalmona. Ary nalainy ireo ravaka miendrika volana teny am-bozon’ny ramevan’izy ireo. 22  Dia hoy ny lehilahy israelita tamin’i Gideona: “Aoka ianao ho mpitondra anay,+ dia ianao sy ny zanakao ary ny zafikelinao, satria namonjy anay teo an-tanan’ny Midianina ianao.”+ 23  Fa hoy i Gideona: “Tsy ho mpitondra anareo aho, ary tsy ho mpitondra anareo koa ny zanako.+ I Jehovah ihany no ho mpitondra anareo.”+ 24  Hoy koa i Gideona: “Mamelà ahy hangataka izao zavatra izao aminareo: Aoka ianareo samy hanome ahy ny kavin’orona+ azonareo tamin’ny babonareo.” Nanana kavin’orona volamena mantsy ireny, satria Ismaelita.+ 25  Dia hoy izy ireo: “Homenay tokoa izany.” Koa namelatra lamba fitafy izy ireo, dia natsipin’ny tsirairay teo ny kavin’orona azony tamin’ny babo. 26  Ary ny lanjan’ny kavin’orona volamena nangatahin’i Gideona dia nahatratra sekely volamena fitonjato sy arivo, ankoatra ny ravaka miendrika volana,+ sy ny kavina ary ny akanjo volonondry nolokoana volomparasy somary mena+ izay nanaovan’ireo mpanjakan’ny Midianina, mbamin’ny rojo teny am-bozon’ny rameva.+ 27  Ary nanao efoda+ tamin’izany volamena izany i Gideona, ka narantirantiny tao Ofra+ tanànany ilay izy. Dia nanana fifandraisana mamoafady tamin’ilay efoda ny Israely rehetra,+ hany ka lasa fandrika ho an’i Gideona sy ny ankohonany ilay izy.+ 28  Dia resin’ny zanak’Israely ny Midianina,+ ka tsy nahatraka intsony ny lohany. Koa tsy nisy korontana intsony teo amin’ilay tany nandritra ny efapolo taona, tamin’ny andron’i Gideona.+ 29  Dia nandeha i Jerobala+ zanak’i Joasy, ka nonina tany an-tranony. 30  Ary fitopolo ny zanakalahy naterak’i* Gideona,+ satria lasa nanana vady maro izy. 31  Nitera-dahy taminy koa ilay vadikeliny tany Sekema, ka nantsoiny hoe Abimeleka+ io zanany io. 32  Farany, dia maty i Gideona zanak’i Joasy rehefa tratrantitra, ka nalevina tao amin’ny fasan’i Joasy rainy, tao Ofran’ny Abi-ezerita.+ 33  Raha vao maty i Gideona dia nanomboka nanana fifandraisana mamoafady tamin’ireo Bala indray ny zanak’Israely,+ ka i Bala-berita no nataony andriamaniny.+ 34  Tsy tsaroan’ny zanak’Israely intsony i Jehovah Andriamaniny,+ izay nanafaka azy teo an-tanan’ny fahavalony rehetra nanodidina.+ 35  Ary tsy nanehoan’izy ireo hatsaram-panahy feno fitiavana+ ny ankohonan’i Jerobala, izany hoe i Gideona, na teo aza ny soa rehetra nataon’i Jerobala tamin’ny zanak’Israely.+

Fanamarihana

A.b.t.: “avy tao amin’ny foto-pen’i.”