Mpitsara 9:1-57

9  Tatỳ aoriana, dia nankany Sekema+ i Abimeleka+ zanak’i Jerobala, ka niresaka tamin’ireo anadahin-dreniny sy tamin’izay rehetra anisan’ny fianakaviamben’ny taranaky ny rain’ny reniny, nanao hoe:  “Mba ilazao, azafady, ny mponina* rehetra eto Sekema hoe: ‘Iza no tianareo ho mpitondra anareo: Izy fitopolo lahy+ zanak’i Jerobala sa lehilahy iray? Tadidio fa taolanareo sy nofonareo aho.’”+  Koa nolazain’ireo anadahin-dreniny tamin’ny mponina rehetra tany Sekema izany teniny rehetra izany, ka i Abimeleka no nandrian’ny fon’ireo,+ fa hoy ireo: “Rahalahintsika ihany ange izy e!”+  Dia nomen’ireo farantsa volafotsy fitopolo avy tao an-tranon’i Bala-berita+ i Abimeleka. Koa izany no nampiasainy hanakaramana olona mpidonana-poana sy sahisahy ratsy,+ mba handeha hiaraka aminy.  Avy eo, dia nankany an-tranon-drainy tany Ofra+ izy ka namono azy fitopolo lahy rahalahiny,+ zanak’i Jerobala, teo ambonin’ny vato iray. Fa i Jotama faralahin’i Jerobala ihany no sisa velona, satria niafina izy.  Dia nivondrona ny mponina rehetra tao Sekema sy ny olona rehetra tao amin’ny tranon’i Milo,+ ka nampanjaka+ an’i Abimeleka, teo akaikin’ny hazobe+ iray, teo akaikin’ilay tsangambato tao Sekema.+  Rehefa nisy nilaza izany tamin’i Jotama, dia nandeha avy hatrany izy, ka nitsangana teo an-tampon’ny Tendrombohitra Gerizima,+ ary niantsoantso hoe: “Mihainoa ahy, ianareo mponina ao Sekema, ary aoka Andriamanitra hihaino anareo:  “Indray andro, hono, dia nandeha nanosotra an’izay ho mpanjakany ny hazo, ka hoy izy ireo tamin’ny hazo oliva:+ ‘Manjakà aminay.’+  Fa hoy ny oliva tamin’ireo: ‘Izaho ve dia hamoy ny menaka ato amiko, izay anomezam-boninahitra+ an’Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hihofahofa eo ambonin’ny hazo hafa?’+ 10  Dia hoy ireo hazo tamin’ny aviavy:+ ‘Avia, aoka ianao ho mpanjakavavinay.’ 11  Fa hoy ny aviavy: ‘Izaho ve dia hamoy ireo voankazo mamy sy vokatra tsara avy amiko, ka handeha hihofahofa eo ambonin’ny hazo hafa?’+ 12  Avy eo, dia hoy ireo hazo tamin’ny voaloboka: ‘Avia, aoka ianao ho mpanjakavavinay.’ 13  Fa hoy ny voaloboka tamin’ireo: ‘Izaho ve dia hamoy ny divaiko vaovao izay mampifaly an’Andriamanitra sy ny olona,+ ka handeha hihofahofa eo ambonin’ny hazo hafa?’ 14  Farany, dia hoy ny hazo rehetra tamin’ny tsilo:+ ‘Avia, manjakà aminay.’ 15  Ary hoy ilay tsilo tamin’ireo hazo: ‘Raha amim-pahatsorana no hanosoranareo ahy ho mpanjakanareo, dia avia mialoka eto ambany alokaloko.+ Fa raha tsy izany, dia aoka hisy afo+ hivoaka avy amiko ka handevona ny sederan’i+ Libanona.’+ 16  “Koa raha amim-pahatsorana sy amin-kitsim-po no nanaovanareo izao sy nametrahanareo an’i Abimeleka ho mpanjaka,+ ary raha soa no nataonareo tamin’i Jerobala sy ny ankohonany, ary raha araka izay zava-bitany no nataonareo taminy, 17  rehefa niady ho anareo ny raiko+ ka nanao vivery ny ainy*+ mba hanafahana anareo teo an-tanan’ny Midianina,+ 18  fa ianareo kosa nitsangana hanohitra ny ankohonan-draiko androany, ka novonoinareo teo ambonin’ny vato iray ny zanany+ fitopolo lahy,+ ary nataonareo mpanjakan’ny+ olona ao Sekema i Abimeleka, zanaky ny mpanompovaviny,+ satria fotsiny hoe rahalahinareo izy, 19  eny, raha amim-pahatsorana sy amin-kitsim-po no nanaovanareo izao tamin’i Jerobala sy ny ankohonany androany, dia mifalia amin’i Abimeleka, ary aoka koa izy hifaly aminareo.+ 20  Fa raha tsy izany, dia aoka hisy afo+ hivoaka avy amin’i Abimeleka ka handevona ny mponina ao Sekema sy ny olona ao amin’ny tranon’i Milo,+ ary aoka koa hisy afo+ hivoaka avy amin’ny mponina ao Sekema sy ny olona ao amin’ny tranon’i Milo, ka handevona an’i Abimeleka.”+ 21  Dia lasa nitsoaka i Jotama,+ ka nandositra nankany Bera, ary nanorim-ponenana tany izy noho ny amin’i Abimeleka rahalahiny. 22  Ary nanao ny tenany ho andriana teo amin’ny Israely i Abimeleka, nandritra ny telo taona.+ 23  Avy eo, dia navelan’Andriamanitra hisy tsy fifankahazoana+ teo amin’i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema, ka nivadika+ tamin’i Abimeleka ireo mponina ireo, 24  ho valin’ny herisetra natao tamin’izy fitopolo lahy zanak’i Jerobala,+ ary mba hatsingeriny eo an-dohan’i Abimeleka rahalahiny ny ran’izy ireo, satria namono azy ireo i Abimeleka,+ ary mba hatsingeriny eo an-dohan’ny olona tao Sekema ny ran’izy ireo, satria nampirisika an’i Abimeleka+ hamono ny rahalahiny ireo. 25  Koa nandefa olona hiafina tany an-tampon-tendrombohitra ny mponina tao Sekema, mba hanafika an’i Abimeleka. Ary norobain’ireo daholo izay rehetra nandalo teny akaikin’izy ireo, tamin’izany lalana izany. Tatỳ aoriana, dia nisy nilaza izany tamin’i Abimeleka. 26  Dia tonga i Gala+ zanak’i Ebeda, mbamin’ny rahalahiny, ka niampita nankany Sekema.+ Ary natoky an’i Gala ireo mponina tao Sekema.+ 27  Dia nivoaka ho any an-tsaha toy ny fanaony izy ireo, ka nioty voaloboka teny amin’ny tanimboalobony sy nanitsakitsaka izany, ary niravoravo+ nanao fety. Avy eo, dia nankany an-tranon’ny andriamaniny+ izy ireo, ka nihinana sy nisotro+ ary nanozona+ an’i Abimeleka. 28  Ary hoy i Gala zanak’i Ebeda: “Fa iza moa i Abimeleka,+ ary iza moa i Sekema no hotompointsika? Tsy zanak’i Jerobala+ ve izy? Ary tsy i Zebola+ ve no mpiadidiny? Manompoa ny olon’i Hamora+ rain’i Sekema ianareo, fa izahay kosa, nahoana izahay no hanompo azy? 29  Raha mba eo ambany fifehezako mantsy ity vahoaka ity,+ dia ho efa naongako i Abimeleka!” Dia hoy koa izy tamin’i Abimeleka: “Ataovy maro ny miaramilanao, ka mivoaha.”+ 30  Ary ren’i Zebola andrianan’ny tanàna ny tenin’i Gala zanak’i Ebeda,+ ka nirehitra ny fahatezerany. 31  Dia nofitahiny i Gala ka nandefa iraka tany amin’i Abimeleka izy, nanao hoe: “Tonga eto Sekema+ i Gala zanak’i Ebeda, mbamin’ny rahalahiny, ary taominy hanohitra anao daholo ny iray tanàna. 32  Koa mitsangàna ianao sy ny olonao raha mbola alina+ ny andro, ka miafena+ any an-tsaha. 33  Ary mifohaza aloha be raha vao miposaka ny masoandro ny ampitso maraina, ka aoka ianareo hirohotra hanafika ny tanàna. Koa rehefa mivoaka hiady aminao izy sy ny olony, dia ataovy aminy daholo izay rehetra mety ho vitanao.” 34  Dia nifoha tokoa i Abimeleka sy ny olony rehetra raha mbola alina ny andro, ka nizara efatra toko ary niafina mba hanafika an’i Sekema. 35  Ary nivoaka i Gala+ zanak’i Ebeda, ka nijoro teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’ny tanàna. Dia nipoitra avy tao amin’izay niafenany i Abimeleka sy ny olony. 36  Raha vao hitan’i Gala ny olona, dia niteny tamin’i Zebola izy hoe: “Jereo fa misy olona midina avy eny an-tampon-tendrombohitra.” Fa hoy i Zebola taminy: “Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao dia ataonao fa olona.”+ 37  Rehefa afaka kelikely, dia hoy indray i Gala: “Jereo fa misy olona midina avy erỳ afovoan’ny tany, fa ny iray toko kosa manatona avy erỳ amin’ny lalana eo akaikin’ny hazoben’i Meonenima.” 38  Dia hoy i Zebola taminy: “Aiza amin’izay ilay vavanao+ niteny hoe: ‘Fa iza moa i Abimeleka no hotompointsika?’+ Tsy ireo ve ny olona nolavinao?+ Koa mivoaha hiady aminy, azafady!” 39  Koa nivoaka nitarika an’ireo mponina tao Sekema i Gala, ka niady tamin’i Abimeleka. 40  Dia nanenjika an’i Gala i Abimeleka, fa nandositra teo anoloany izy. Ary niampatrampatra ny faty, hatreny amin’ny fidirana amin’ny vavahady. 41  Ary mbola nonina tao Aroma i Abimeleka. Dia noroahin’i Zebola+ tsy honina tany Sekema+ intsony i Gala+ sy ny rahalahiny. 42  Ary nivoaka ho any an-tsaha ny olona ny ampitson’iny, ka nisy nilaza izany tamin’i Abimeleka.+ 43  Koa nalain’i Abimeleka ny vahoaka, ka nozarainy ho telo toko,+ ary niafina tany an-tsaha izy. Ary nijery izy ka indreny fa nivoaka avy ao an-tanàna ny olona. Dia nanafika an’ireny izy ka namono azy. 44  Ary nirohotra nankeo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’ny tanàna i Abimeleka sy ireo antokon’olona niaraka taminy. Fa ny roa toko kosa nirohotra nanafika an’izay rehetra teny an-tsaha, ka namono an’ireny.+ 45  Ary notafihin’i Abimeleka ilay tanàna nandritra iny andro iny ka nobaboiny. Dia novonoiny ny olona tao.+ Avy eo, dia noravany ilay tanàna+ sady nofafazany sira.+ 46  Ren’ny mponina rehetra tao amin’ilay tilikambo tao Sekema izany, ka avy hatrany izy ireo dia nankao amin’ilay efitra fandosirana tao an-tranon’i Ela-berita.+ 47  Ary nisy nilaza tamin’i Abimeleka fa niangona tao ny mponina rehetra avy tao amin’ilay tilikambo tao Sekema. 48  Dia niakatra tany amin’ny Tendrombohitra Zalmona+ i Abimeleka sy ny olony. Ary naka famaky izy ka nikapa sampan-kazo, ary nobatainy izany ka nolanjainy teny an-tsorony. Dia hoy izy tamin’ny olony: “Izay hitanareo ataoko dia mba ataovy koa,+ ary malaky ianareo!” 49  Dia samy nikapa sampan-kazo koa ny olona rehetra, ka nanaraka an’i Abimeleka. Ary nataon’izy ireo niankina tamin’ilay efitra fandosirana izany, ka nodorany ilay efitra. Koa maty daholo àry ny mponina rehetra tao amin’ilay tilikambo tao Sekema, izany hoe lehilahy sy vehivavy arivo teo ho eo.+ 50  Dia nankany Tebeza+ i Abimeleka, ary nitoby mba hiady tamin’i Tebeza ka namabo azy. 51  Ary nisy tilikambo mafy teo afovoan-tanàna, ka tao no nandosiran’ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra ary izay rehetra nonina tao an-tanàna. Dia nohidian’izy ireo ilay tilikambo, ary niakatra tany an-tampony izy ireo. 52  Ary nankany amin’ilay tilikambo i Abimeleka ka notafihiny izy io. Dia niakatra hatrany akaikin’ny fidirana amin’ilay tilikambo izy mba handoro azy io.+ 53  Fa nisy vehivavy anankiray naka vato fikosoham-bary ka nanjera izany tamin’ny lohan’i Abimeleka. Dia vaky ny karandohany,+ 54  ka nantsoiny haingana ilay mpanompo nitondra ny fitaovam-piadiany, ary hoy izy: “Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy ho faty aho,+ sao holazain’ny olona hoe: ‘Vehivavy no namono azy.’” Dia notrabahan’ilay mpanompony avy hatrany izy, ka maty.+ 55  Ary rehefa hitan’ny lehilahy israelita fa maty i Abimeleka, dia samy nankany amin’izay nisy azy izy ireo. 56  Koa novalian’Andriamanitra àry ny ratsy nataon’i Abimeleka tamin-drainy, tamin’ny namonoany ny rahalahiny fitopolo.+ 57  Ary natsingerin’Andriamanitra teo an-dohan’ny lehilahy tao Sekema ny ratsy rehetra nataony,+ mba ho tanteraka tamin’izy ireo ilay ozona+ nambaran’i Jotama,+ zanak’i Jerobala.+

Fanamarihana

Na: “ireo manana tany.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.