Nahoma 1:1-15
1 Izao no teny fanamelohana an’i Ninive,+ ao amin’ny boky mitantara ny fahitan’i Nahoma* Elkosita:
2 Andriamanitra mitaky ny hanompoana azy irery ihany i Jehovah,+ ary mamaly ny olona araka izay nataony.Mamaly ny olona araka izay nataony i Jehovah, sady efa hampiseho ny fahatezerany.+
Mamaly ny fahavalony araka izay nataony i Jehovah,Ary mitahiry fahatezerena amin’izy ireny.
3 Tsy mora tezitra i Jehovah+ sady tena mahery.+Tsy hataon’i Jehovah afa-maina mihitsy anefa izay tokony hosazina.+
Ao anaty rivotra mandravarava sy tafio-drivotra izy no mandeha,Ary ny rahona no vovoka eo ambanin’ny tongony.+
4 Teneniny mafy ny ranomasina+ ka ataony ritra,Dia ataony maina koa ny renirano rehetra.+
Malazo i Basana sy Karmela,+Ary malazo koa ny voninkazon’i Libàna.
5 Mihovotrovotra ny tendrombohitra noho ny aminy,Ary mitsonika ny havoana.+
Hanatrika eo izy ka hihozongozona ny tany,Sy izao tontolo izao ary izay rehetra eo aminy.+
6 Iza no hahavita hijanona eo anatrehany rehefa tezitra izy?+
Ary iza no hahatanty ny fahatezerany?+
Hiraradraraka hoatran’ny afo ny fahatezerany mafy,Ary ho potipotika ny vatolampy noho ny zavatra hataony.
7 Tsara i Jehovah,+ sady manda fiarovana amin’ny andro fahoriana.+
Tsy hadinony mihitsy* izay mialoka eo aminy.+
8 Horavany tanteraka amin’ny tondra-drano mahery be ilay tanàna,*Ary hanenjika an’ireo fahavalony ny haizina.
9 Inona no tetika eritreretinareo hanoherana an’i Jehovah?
Handringana tanteraka izy.
Tsy hitranga fanindroany ny fahoriana.+
10 Mifampidipiditra hoatran’ny tsilo mantsy izy ireo,Sady hoatran’ny olona mamon’ny labiera.*Ho levona hoatran’ny vodivary maina anefa izy ireo.
11 Hipoitra avy ao aminao ny olona iray manao tetika hanoherana an’i Jehovah,Sady manome torohevitra tsy misy dikany.
12 Izao no tenin’i Jehovah:
“Na dia matanjaka be sady maro be aza izy ireo,Dia hovonoina ka ho faty daholo.*
Efa nampahoriko ianao,* nefa tsy hampahoriko intsony.
13 Dia hotapahiko ny zioga nampitondrainy anao ka hesoriko aminao,+Ary hotapahiko hizara roa ny zavatra namatorana anao.
14 Izao no didin’i Jehovah momba anao:*‘Tsy hanan-taranaka hitondra ny anaranao intsony ianao.
Hofoanako tsy hisy ao an-tranon’ny* andriamanitrao ny sary sokitra sy ny sarivongana metaly.*
Dia hanamboatra fasana ho anao aho, satria olona tsy misy dikany ianao.’
15 Mandeha eny an-tendrombohitra ny tongotr’ilay mitondra vaovao tsara,Dia ilay mitory fiadanana.+
Ankalazao ireo fetinao,+ ry Joda ô! Efao ny voadinao,Satria tsy handalo eo aminao intsony ilay olona tsy misy ilana azy,
Fa ho ringana tanteraka.”