Nehemia 1:1-11

  • Vaovao avy any Jerosalema (1-3)

  • Vavaka nataon’i Nehemia (4-11)

1  Izao no tenin’i Nehemia*+ zanak’i Hakalia: Tao an-dapan’i* Sosana*+ aho tamin’ny volana Kisleo,* tamin’ny taona faha-20. 2  Tamin’izay no tonga i Hanany,+ anisan’ny rahalahiko, niaraka tamin’ny lehilahy hafa avy tany Joda. Nanontaniako azy ireo hoe manao ahoana ny Jiosy sisa tafaverina avy any an-tsesitany.+ Nanontaniako momba an’i Jerosalema koa izy ireo. 3  Dia hoy izy ireo: “Tena voa mafy sy afa-baraka ireo sisa avy natao sesitany, izay any amin’ny faritany.+ Ny mandan’i Jerosalema koa mbola rava,+ ary kilan’ny afo ny vavahadiny.”+ 4  Tafapetraka mihitsy aho raha vao naheno an’izany teny izany, dia nitomany. Nalahelo teny foana aho nandritra ny andro maromaro, ary nifady hanina+ sy nivavaka teo anatrehan’ilay Andriamanitry ny lanitra. 5  Dia hoy aho: “Ry Jehovah Andriamanitry ny lanitra ô! Andriamanitra tena miavaka sady mendrika hatahorana ianao. Manaja ny fifanekena nataonao ianao, ka izay tia anao sy mankatò ny didinao no tianao sady tsy ivadihanao.+ 6  Mba miangavy anao re aho mba hanongilan-tsofina sy hanokatra ny masonao, ka hihaino an’izao vavaka ataon’ny mpanomponao izao e! Mivavaka andro aman’alina+ momba ny Israelita mpanomponao aho, sady miaiky ny fahotana nataon’ny vahoakan’Israely taminao. Samy efa nanota izahay, na izaho na ny fireneko.*+ 7  Tena nanao ratsy taminao tokoa izahay,+ satria tsy mba nanaraka ny didy sy ny fitsipika ary ny didim-pitsarana izay nomenao an’i Mosesy mpanomponao.+ 8  “Mba tsarovy ny didy* nomenao an’i Mosesy mpanomponao hoe: ‘Raha mivadika amiko ianareo, dia haparitako any amin’ny firenen-kafa.+ 9  Raha miverina amiko kosa ianareo ka manaraka ny didiko sy mankatò an’ireny, dia hangoniko na dia miparitaka any amin’ny faravodilanitra aza. Dia halaiko avy any ianareo,+ ka hoentiko any amin’ilay toerana nofidiko mba hametrahako ny anarako.’+ 10  Mpanomponao sy vahoakanao izy ireo, ary navotanao tamin’ny herinao lehibe sy ny tananao mahery.+ 11  Jehovah ô! Miangavy anao re mba hihaino tsara ny vavaka ataon’ity mpanomponao e! Mba henoy koa ny vavak’ireo mpanomponao izay faly erỳ manaja* ny anaranao. Ataovy mahomby re izay ataon’ny mpanomponao androany e, dia mba ataovy miantra ahy ny mpanjaka.”+ Mpandroso zava-pisotron’ny mpanjaka aho tamin’izany.+

Fanamarihana

Midika hoe “Mampionona i Jah.”
Na: “Tao amin’ny trano voaro mafy tao.”
Na: “Sosa.”
Abt: “ny ankohonan-draiko.”
Na: “fampitandremana.”
Abt: “matahotra.”