Nehemia 11:1-36

  • Nisy olona nipetraka indray tao Jerosalema (1-36)

11  Nipetraka tao Jerosalema ny andrianan’ny vahoaka.+ Ary nanao antsapaka+ ny vahoaka mba hahitana hoe isaky ny fianakaviana folo, dia fianakaviana iza no hipetraka ao Jerosalema tanàna masina. Ny fianakaviana sivy ambiny kosa hijanona any amin’ny tanàna hafa. 2  Dia noderain’ny vahoaka ny lehilahy rehetra nanolo-tena hipetraka tao Jerosalema. 3  Nipetraka tao Jerosalema ireo filohan’ny faritany. Ny sisa tamin’ny Israely kosa, izany hoe ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpanompo tao amin’ny tempoly*+ ary ireo zanaky ny mpanompon’i Solomona,+ dia nipetraka tany amin’ny tanàna hafa tany Joda, teo amin’ny lovany sy ny tanànany avy.+ 4  Nisy avy tamin’ny fokon’i Joda sy Benjamina koa nipetraka tao Jerosalema. Ireto avy ny filohan’ny faritany: Ny avy tamin’ny fokon’i Joda dia i Ataia zanak’i Ozia, zanak’i Zakaria, zanak’i Amaria, zanak’i Sefatia, zanak’i Mahalalila, avy tamin’ny taranak’i Pereza;+ 5  sy Mahaseia zanak’i Baroka, zanak’i Kola-hoze, zanak’i Hazaia, zanak’i Adaia, zanak’i Joariba, zanak’i Zakaria, avy tamin’ny fianakavian’ny Selita. 6  Nisy 468 ny taranak’i Pereza nipetraka tany Jerosalema, ary lehilahy matanjaka izy ireo. 7  Ny avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia i Salo+ zanak’i Mesolama, zanak’i Joeda, zanak’i Pedaia, zanak’i Kolaia, zanak’i Mahaseia, zanak’i Itiela, zanak’i Jesaia; 8  nanarakaraka azy ny ankohonan’i Gabay sy Salay, izay nisy 928; 9  sy Joela zanak’i Zikry izay mpiandraikitra azy ireo, ary Joda zanak’i Hasenoa mpiandraikitra lefitry ny tanàna. 10  Ny avy tamin’ny mpisorona dia i Jedaia zanak’i Joariba, Jakina,+ 11  Seraia zanak’i Hilkia, zanak’i Mesolama, zanak’i Zadoka, zanak’i Meraiota, zanak’i Ahitoba+ mpitarika tao an-tranon’ilay* tena Andriamanitra; 12  sy ny rahalahin’izy ireo izay nanao ny asa tao amin’ilay trano, izay nisy 822; sy Adaia zanak’i Jerohama, zanak’i Pelalia, zanak’i Amzy, zanak’i Zakaria, zanak’i Pasora,+ zanak’i Malkia, 13  sy ireo rahalahiny izay lohan’ny fianakaviambe, izay nisy 242; sy Amasay zanak’i Azarela, zanak’i Ahazay, zanak’i Mesilemota, zanak’i Imera, 14  ary ny rahalahiny izay lehilahy matanjaka sy be herim-po, izay nisy 128. I Zabdiela, izay anisan’ny fianakaviana manan-kaja, no mpiandraikitra azy ireo. 15  Ary ny avy tamin’ny Levita dia i Semaia+ zanak’i Hasoba, zanak’i Azrikama, zanak’i Hasabia, zanak’i Bony; 16  sy Sabetahy+ sy Jozabada+ izay samy filohan’ny Levita sady niandraikitra ny raharaha tany ivelan’ny tranon’ilay tena Andriamanitra; 17  sy Matania+ mpitarika ny antoko-mpihira sy nitarika ny fiderana tamin’ny fotoanan’ny vavaka,+ izany hoe i Matania zanak’i Mika, zanak’i Zabdy, zanak’i Asafa;+ sy Bakbokia mpiandraikitra lefitra teo amin’ny rahalahiny, ary Abda zanak’i Samoa, zanak’i Galala, zanak’i Jedotona.+ 18  Nisy 284 ny Levita rehetra tao amin’ilay tanàna masina. 19  Ny mpiandry vavahady dia i Akoba sy Talmona+ ary ny rahalahiny, izay niambina teo amin’ny vavahady. Nisy 172 izy ireo. 20  Samy tao amin’ny tany nolovany,* tany amin’ny tanàna hafa rehetra tao Joda ny sisa tamin’ny Israely sy ny mpisorona ary ny Levita. 21  Nipetraka tany Ofela+ kosa ny mpanompo tao amin’ny tempoly,*+ ka i Ziha sy Gispa no niandraikitra azy ireo. 22  I Ozy zanak’i Bany, zanak’i Hasabia, zanak’i Matania,+ zanak’i Mika, avy tamin’ny taranak’i Asafa izay samy mpihira, no mpiandraikitra ny Levita tao Jerosalema. Izy no niandraikitra ny asa tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra. 23  Efa namoaka didy momba azy ireo ny mpanjaka,+ ary nisy fandaharana raikitra hoe homena izay ilainy isan’andro ny mpihira. 24  Ary i Petahia, zanak’i Mesezabela, taranak’i Zera, zanak’i Joda, no mpanolo-tsain’ny mpanjaka* momba ny raharaha rehetra nahakasika ny vahoaka. 25  Ireto avy ny tanàna kely tany ambanivohitra nipetrahan’ny sasany tamin’ny fokon’i Joda: I Kiriata-arba+ sy ny tanàna niankina taminy,* Dibona sy ny tanàna niankina taminy, Jekabzela+ sy ny tanàna keliny, 26  Jesoa, Molada,+ Beti-paleta,+ 27  Hazara-soala,+ Beri-sheba sy ny tanàna niankina taminy,* 28  Ziklaga,+ Mekona sy ny tanàna niankina taminy,* 29  En-rimona,+ Zora,+ Jarmota, 30  Zanoa+ sy Adolama ary ny tanàna keliny, Lakisy+ sy ny sahany, ary Azeka+ sy ny tanàna niankina taminy.* Hatrany Beri-sheba ka hatrany amin’ny Lohasahan’i Hinoma izy ireo no nipetraka.*+ 31  Ny fokon’i Benjamina kosa tany Geba,+ Mikmasy, Aia, Betela+ sy ny tanàna niankina taminy,* 32  Anatota,+ Noba,+ Anania, 33  Hazora, Rama,+ Gitaima, 34  Hadida, Zeboima, Nebala, 35  Loda, ary Ono,+ ilay lohasahan’ny* mpanao asa tanana. 36  Ary notendrena nankany amin’ny tanin’ny Benjamina ny Levita sasany avy tany Joda.

Fanamarihana

Na: “ny Netinima.” Abt: “ireo nomena.”
Na: “tao an-tempolin’ilay.”
Na: “tao amin’ny lovany.”
Na: “ny Netinima.” Abt: “ireo nomena.”
Abt: “no teo an-tanan’ny mpanjaka.”
Na: “nanodidina azy.”
Na: “nanodidina azy.”
Na: “nanodidina azy.”
Na: “nitoby.”
Na: “nanodidina azy.”
Na: “nanodidina azy.”
Na mety hoe “Ono, ary ilay lohasahan’ny.”