Nehemia 12:1-47

12  Ireto avy ny mpisorona sy Levita niara-niakatra tamin’i Zerobabela+ zanak’i Sealtiela,+ sy niaraka tamin’i Jesoa:+ Seraia, Jeremia, Ezra,  Amaria,+ Maloka, Hatosy,  Sekania, Rehoma, Meremota,  Ido, Ginetoy, Abia,  Miamina, Madia, Bilga,  Semaia,+ Joariba, Jedaia,+  Salo, Amoka,+ Hilkia, ary Jedaia.+ Ireo no filohan’ny mpisorona sy ny rahalahiny, tamin’ny andron’i Jesoa.+  Ireto avy ny Levita: Jesoa,+ Binoy,+ Kadmiela,+ Serebia, Joda, ary Matania,+ izay niandraikitra ny hira fisaorana niaraka tamin’ny rahalahiny.  Ary niambina tandrifin’ireo i Bakbokia sy Ony rahalahin’izy ireo. 10  Ary i Jesoa niteraka an’i Joiakima,+ i Joiakima niteraka an’i Eliasiba,+ i Eliasiba niteraka an’i Joiada,+ 11  i Joiada niteraka an’i Jonatana, ary Jonatana niteraka an’i Jadoa.+ 12  Tamin’ny andron’i Joiakima, dia ireto avy ny mpisorona lohan’ireo fianakaviambe:+ I Meraia ho an’ny fianakavian-dry Seraia,+ i Hanania ho an-dry Jeremia, 13  i Mesolama ho an-dry Ezra,+ i Johanana ho an-dry Amaria, 14  i Jonatana ho an-dry Meliko, i Josefa ho an-dry Sebania,+ 15  i Adna ho an-dry Harima,+ i Helkay ho an-dry Meraiota, 16  i Zakaria ho an-dry Ido, i Mesolama ho an-dry Ginetona, 17  i Zikry ho an-dry Abia,+ ... ho an-dry Miniamina, i Piltahy ho an-dry Moadia, 18  i Samoa ho an-dry Bilga,+ Jonatana ho an-dry Semaia, 19  i Matenay ho an-dry Joariba, i Ozy ho an-dry Jedaia,+ 20  i Kalay ho an-dry Salay, i Ebera ho an-dry Amoka, 21  i Hasabia ho an-dry Hilkia, ary i Netanela ho an-dry Jedaia.+ 22  Nosoratana ho isan’ny lohan’ireo fianakaviambe ny Levita sy ny mpisorona, tamin’ny andron’i Eliasiba+ sy Joiada+ sy Johanana ary Jadoa,+ ka hatramin’ny andro nanjakan’i Dariosy Persianina. 23  Koa mbola nosoratana tao amin’ny boky mirakitra ny tantara tamin’izany ny taranak’i Levy izay lohan’ireo fianakaviambe,+ hatramin’ny andron’i Johanana zanak’i Eliasiba. 24  I Hasabia sy Serebia+ ary Jesoa zanak’i Kadmiela+ no filohan’ny Levita, ary nifanandrify taminy ny rahalahin’izy ireo mba hihira fiderana sy fisaorana, araka ny didin’i+ Davida lehilahin’Andriamanitra, ka nifanandrify ireo antokona mpiambina. 25  I Matania+ sy Bakbokia sy Obadia sy Mesolama sy Talmona ary Akoba+ no mpiandry vavahady,+ izay niambina ny fitehirizana entana teo akaikin’ny vavahady. 26  Ireo no velona tamin’ny andron’i Joiakima+ zanak’i Jesoa,+ zanak’i Jozadaka,+ sy tamin’ny andron’i Nehemia+ Governora sy Ezra+ mpisorona sady mpanao dika soratra.+ 27  Rehefa hotokanana+ ny mandan’i Jerosalema, dia nampanantsoina tany amin’izay rehetra nisy azy ny Levita, ary nasaina nankany Jerosalema mba hanao ny fitokanana sy hifaly, ka hisaotra+ sy hihira+ miaraka amin’ny kipantsona sy lokanga+ ary harpa.+ 28  Ary nivory ny zanaky ny mpihira avy any amin’ny Faritr’i Jordana,+ dia avy eny amin’ny manodidina an’i Jerosalema, sy avy any amin’ireo tanàna kelin’ny Netofatita,+ 29  sy avy any Beti-gilgala,+ ary avy any amin’ireo sahan’i Geba+ sy Azmaveta.+ Nanorina ny tanàna keliny+ teny amin’ny manodidina an’i Jerosalema mantsy ireo mpihira. 30  Ary nidio+ ny mpisorona sy ny Levita, ary nodioviny koa ny vahoaka+ sy ny vavahady+ ary ny manda.+ 31  Dia nentiko niakatra teny ambony manda ny andrianan’ny+ Joda. Ary nanendry antoko mpihira+ roa mpanao hira fisaorana aho ary koa filaharam-be nanaraka azy ireo. Koa nandeha niankavanana teo ambony manda ny antokony iray, nankany amin’ny Vavahadin’ny Antontan-davenona.+ 32  Nanaraka azy tao aoriana i Hosaia sy ny antsasaky ny andrianan’ny Joda 33  sy Azaria, Ezra, Mesolama, 34  Joda, Benjamina, Semaia, Jeremia, 35  sy ny sasany tamin’ny taranaky ny mpisorona izay nitondra trompetra,+ dia i Zakaria, zanak’i Jonatana, zanak’i Semaia, zanak’i Matania, zanak’i Mikaia, zanak’i Zakora,+ zanak’i Asafa,+ 36  ary ireo rahalahiny, dia i Semaia, Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela, Joda ary Hanany, izay samy nitondra ny zavamaneno+ nataon’i Davida, lehilahin’Andriamanitra. Ary teo alohan’izy ireo i Ezra+ mpanao dika soratra. 37  Teo amin’ny Vavahadin-doharano+ izy ireo dia nizotra nahitsy, ka nandalo teo amin’ny Tohatoha-baton’ny+ Tanànan’i Davida,+ satria nandeha teo ambonin’ilay manda teo amin’ny fiakarana, dia ilay manda teo ambonin’ny Tranon’i Davida. Ary tonga hatrany amin’ny Vavahadin-drano+ tany atsinanana izy ireo. 38  Nandeha koa ilay antoko mpihira+ iray mpanao hira fisaorana, ary tao aoriany izaho sy ny antsasaky ny vahoaka. Nandeha teo ambony manda izahay hatrany amin’ny Tilikambon’ny Lafaoro,+ dia nankeo amin’ny Manda Lehibe,+ 39  ary nandalo teo ambonin’ny Vavahadin’i Efraima+ sy ny Vavahadin’ilay Tanàna Taloha,+ ka nizotra nankany amin’ny Vavahadin-trondro+ sy ny Tilikambon’i Hananela+ ary ny Tilikambon’i Mea,+ hatrany amin’ny Vavahadin’ondry,+ dia nijanona teo amin’ny Vavahadin’ny Mpiambina. 40  Farany dia nijanona teo amin’ny tranon’Andriamanitra+ ireo antoko mpihira+ roa mpanao hira fisaorana, mbamin’ny tenako sy ny antsasak’ireo solontenam-panjakana niaraka tamiko,+ 41  sy ireo mpisorona, izany hoe i Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria, ary Hanania, izay samy nitondra trompetra,+ 42  sy Mahaseia, Semaia, Eleazara, Ozy, Johanana, Malkia, Elama, ary Ezera. Ary mbola re foana ireo mpihira niandraiketan’i Jizrahia.+ 43  Nanao sorona maro be+ izy ireo tamin’izay andro izay sady nifaly,+ satria Andriamanitra mihitsy no nanao izay hahatsapany fifaliam-be.+ Nifaly koa ny zaza+ amam-behivavy,+ ka re hatrany lavitra ny fifaliana tao Jerosalema.+ 44  Tamin’izay koa dia nisy lehilahy notendrena hiandraikitra an’ireo efitrano+ nitehirizana ny entana+ sy ny fanomezana+ sy ny voaloham-bokatra+ ary ny ampahafolon-karena.+ Nasaina nangonin’izy ireo tao ny anjaran’ny mpisorona sy ny Levita+ izay nalaina avy tamin’ireo sahan’ny tanàna, araka izay notakin’ny lalàna.+ Faly mantsy ny Joda noho ireo mpisorona sy Levita+ nanao fanompoana. 45  Nanomboka nanao ny adidy+ tamin’Andriamaniny, sy ny adidy nifandray tamin’ny fidiovana+ izy ireo. Nanao toy izany koa ireo mpihira+ sy mpiandry vavahady,+ araka ny didin’i Davida sy Solomona zanany. 46  Fahiny mantsy, tamin’ny andron’i Davida sy Asafa, dia nisy ny filohan’ireo mpihira,+ ary nisy koa ny hira fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra.+ 47  Tamin’ny andron’i Zerobabela+ sy Nehemia,+ dia nomen’ny Israely rehetra ny anjaran’ny mpihira+ sy mpiandry vavahady,+ araka izay nilaina isan’andro. Nohamasinin’izy ireo ho an’ny Levita izany,+ ary ny Levita kosa nanamasina izany ho an’ny taranak’i Arona.

Fanamarihana