Nehemia 2:1-20

2  Tamin’ny volana Nisana,+ tamin’ny taona faharoapolo+ nanjakan’i Artaksersesy+ Mpanjaka, dia noraisiko ny divay teo anoloan’ny mpanjaka ka natolotro azy toy ny mahazatra.+ Mbola tsy maloka endrika teo anatrehany mihitsy anefa aho, raha tsy tamin’izay.+  Koa niteny tamiko ny mpanjaka hoe: “Nahoana no maloka endrika+ ianao nefa tsy marary akory? Misy zavatra mampalahelo ny fonao mihitsy!”+ Natahotra be aho tamin’izay.  Dia hoy aho tamin’ny mpanjaka: “Ho ela velona anie ny mpanjaka!+ Nahoana moa aho no tsy ho maloka endrika? Rava ilay tanàna+ misy ny fasan-drazako,+ ary kilan’ny afo ny vavahadiny.”+  Ary hoy ny mpanjaka: “Inona àry no tianao hatao?”+ Avy hatrany aho dia nivavaka+ tamin’Andriamanitry ny lanitra.+  Dia hoy aho tamin’ny mpanjaka: “Raha sitraky ny mpanjaka,+ ary raha mahazo sitraka eo anatrehanao ny mpanomponao,+ dia mba alefaso ho any Joda aho, any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako, mba hanorina+ azy io indray.”  Tamin’izay dia nipetraka teo anilan’ny mpanjaka ny vadiny. Ary hoy ny mpanjaka tamiko: “Haharitra hafiriana ny dianao, ary rahoviana ianao no hiverina?” Koa sitraky+ ny mpanjaka ny handefa ahy, rehefa nolazaiko taminy ny fotoana.+  Dia hoy koa aho taminy: “Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka aho homena taratasy+ ho an’ireo governora+ any ampitan’ny Renirano,+ mba hamelan’izy ireo ahy handeha hatrany Joda.  Aoka koa aho homena taratasy ho an’i Asafa, mpiambina ny alan’ny mpanjaka, mba hanomezany ahy hazo hanaovako ny vavahadin’ny Lapan’ny+ tempoly,+ sy ny mandan’ny+ tanàna, ary ny trano hipetrahako.” Koa nomen’ny mpanjaka ahy ireo, araka ny soa nataon’ny tanan’Andriamanitro tamiko.+  Dia tonga tatỳ amin’ireo governora+ tatỳ ampitan’ny Renirano aho, ka nomeko azy ireo ny taratasin’ny mpanjaka. Nisy lehiben’ny tafika sy mpitaingin-tsoavaly koa nalefan’ny mpanjaka niaraka tamiko. 10  Ary ren’i Sanbala+ Horonita+ sy Tobia+ Amonita+ mpanompo izany ka sosotra+ izy ireo, satria nisy olona tonga mba hitady izay hahasoa ny zanak’Israely. 11  Tonga tao Jerosalema aho tamin’ny farany. Ary rehefa avy nijanona telo andro tao aho, 12  dia nifoha tamin’ny alina izaho sy ny lehilahy vitsivitsy. Ary tsy nolazaiko tamin’iza na iza+ izay zavatra nataon’Andriamanitro tao am-poko mba hatao amin’i Jerosalema.+ Tsy nitondra biby fiompy afa-tsy ilay nitaingenako koa aho. 13  Ary nivoaka avy teo amin’ny Vavahadin-dohasaha+ aho tamin’ny alina, dia nandeha tandrifin’ny Loharanon’ny Bibilava Be ary nankeny amin’ny Vavahadin’ny Antontan-davenona,+ ka nandinika ny faharavan’ny mandan’i+ Jerosalema sy ny vavahadiny+ kilan’ny afo. 14  Dia nankeny amin’ny Vavahadin-doharano+ sy ny Dobon’ny Mpanjaka aho, ary tsy nisy lalana handehanan’ilay biby nitaingenako. 15  Mbola niakatra nanaraka ny lohasaha+ falehan-driaka ihany anefa aho tamin’iny alina iny, ka nandinika ny manda. Dia niverina aho, ka niditra teo amin’ny Vavahadin-dohasaha,+ ary nody. 16  Tsy nahalala izay nalehako sy nataoko ireo solontenam-panjakana.+ Ary mbola tsy nilazako na inona na inona ny Jiosy sy ny mpisorona sy ny olona ambony sy ny solontenam-panjakana ary ny sisa tamin’ireo mpanao ny asa. 17  Farany dia hoy aho tamin’izy ireo: “Hitanareo izao fahavoazantsika izao! Rava i Jerosalema ary kilan’ny afo ny vavahadiny. Koa andao isika hanorina indray ny mandan’i Jerosalema, mba hifarana hatreo ny fandatsana antsika.”+ 18  Nolazaiko tamin’izy ireo koa ny soa nataon’ny tanan’Andriamanitro+ tamiko,+ sy ny tenin’ny mpanjaka+ tamiko. Dia hoy izy ireo: “Andao àry isika hanorina ny manda.” Koa nifampahery sy nivonona hanao an’ilay asa tsara izy ireo.+ 19  Nandre izany i Sanbala+ Horonita, sy Tobia+ Amonita+ mpanompo,+ ary Gasema+ Arabo,+ ka naneso+ sy nanamavo anay sady niteny hoe: “Fa inona ity ataonareo? Mikomy amin’ny mpanjaka angaha ianareo?”+ 20  Dia namaly aho hoe: “Ilay Andriamanitry ny lanitra+ no hampahomby izay ataonay.+ Ary hanorina ny manda izahay mpanompony. Fa ianareo kosa tsy manana anjara+ na zo na zavatra ahatsiarovana+ anareo eto Jerosalema.”

Fanamarihana