Nehemia 3:1-32

3  Nanao ny Vavahadin’ondry+ i Eliasiba+ mpisoronabe sy ireo mpisorona rahalahiny, ka nanamasina+ sy nametaka azy io. Nohamasinin’izy ireo koa ny manda nanomboka teo amin’ny Tilikambon’i Mea+ ka hatrany amin’ny Tilikambon’i Hananela.+  Nanamboatra ny simba tamin’ny manda teo anilan’izy ireo ny olona avy ao Jeriko,+ ary teo anilan’ireo i Zakora zanak’i Imry.  Ny Vavahadin-trondro+ no nataon’ny taranak’i Hasena. Nataon’izy ireo ny tolàna,+ ary napetany ny vavahady+ sy ny karetsaka ary ny bara hidiny.+  Ary nanamboatra ny simba teo anilan’ireo i Meremota+ zanak’i Oria,+ zanak’i Hakoza. Teo anilany kosa i Mesolama+ zanak’i Berekia, zanak’i Mesezabela, ary teo anilany i Zadoka zanak’i Bana.  Ary nanamboatra ny simba teo anilan’ireo ny Tekoita,+ fa ny olona ambony+ teo aminy kosa tsy mba nanaiky hanompo ny tompony.  Ny Vavahadin’ilay Tanàna Taloha+ no namboarin’i Joiada zanak’i Pasea sy Mesolama zanak’i Besodia. Izy ireo no nanao ny tolàna sady nametaka ny vavahady sy ny karetsaka ary ny bara hidiny.+  Ary nanamboatra ny simba teo anilan’ireo i Melatia Gibeonita+ sy Jadona Meronotita,+ dia ireo olona avy any Gibeona+ sy Mizpa,+ izay teo ambany fiadidian’ny governora+ atỳ ampitan’ny Renirano.+  Ary nanamboatra ny simba teo anilan’ireo i Oziela zanak’i Haraia, mpanefy volamena.+ Teo anilany i Hanania izay anisan’ny mpanamboatra menaka fanosorana,+ ary nataon’izy ireo rarivato ny lalan’i Jerosalema hatreo amin’ny Manda Lehibe.+  Ary nanamboatra ny simba teo anilan’ireo i Refaia zanak’i Hora, andrianan’ny antsasaky ny faritanin’i Jerosalema. 10  Ary teo anilany i Jedaia zanak’i Haromafa no nanamboatra ny simba tandrifin’ny tranony,+ ary teo anilan’i Jedaia i Hatosy zanak’i Hasabnia. 11  Nanamboatra ampahany tamin’ilay manda i Malkia zanak’i Harima+ sy Hasoba zanak’i Pahata-moaba.+ Namboarin’izy ireo koa ny simba tamin’ny Tilikambon’ny Lafaoro.+ 12  Ary nanamboatra ny simba teo anilan’ireo i Saloma zanak’i Halohesy, andrianan’ny+ antsasaky ny faritanin’i Jerosalema, ary niaraka taminy ny zanany vavy. 13  Ny Vavahadin-dohasaha+ no namboarin’i Hanona sy ny mponin’i Zanoa.+ Izy ireo no nanao azy io sady nametaka ny vavahady+ sy ny karetsaka+ ary ny bara hidiny.+ Izy ireo koa no nanorina ny ampahany arivo hakiho tamin’ilay manda, hatreo amin’ny Vavahadin’ny Antontan-davenona.+ 14  Ary ny Vavahadin’ny Antontan-davenona no namboarin’i Malkia zanak’i Rekaba, andrianan’ny faritanin’i Beti-hakerema.+ Izy no nanao azy io sady nametaka ny vavahady sy ny karetsaka ary ny bara hidiny. 15  Ny Vavahadin-doharano+ no namboarin’i Saloma zanak’i Kola-hoze, andrianan’ny faritanin’i Mizpa.+ Izy no nanao azy io sy nanafo azy ary nametaka ny vavahady+ sy ny karetsaka ary ny bara hidiny. Izy koa no nanorina ny manda teo amin’ny Dobon’ny+ Lakandrano hatreo amin’ny Zaridainan’ny Mpanjaka,+ sy hatrany amin’ny Tohatoha-bato+ midina avy any amin’ny Tanànan’i Davida.+ 16  Nanarakaraka azy i Nehemia zanak’i Azboka, andrianan’ny antsasaky ny faritanin’i Beti-zora.+ Izy no nanamboatra ny simba hatreo anoloan’ny Fasan’i+ Davida sy hatrany amin’ilay dobo+ nataon’ny olona, ary hatreo amin’ny Tranon’ireo Mahery.+ 17  Nanarakaraka azy ny Levita+ izay nanamboatra ny simba. Ary nitarika azy ireo i Rehoma zanak’i Bany.+ Ary teo anilan’ireo i Hasabia, andrianan’ny antsasaky ny faritanin’i Keila,+ izay nisolo tena ny faritaniny. 18  Ary nanarakaraka azy, dia nanamboatra ny simba ny rahalahin’ireo Levita. Nitarika azy ireo i Bavay zanak’i Henadada, andrianan’ny antsasaky ny faritanin’i Keila. 19  Ary teo anilany i Ezera zanak’i Jesoa,+ andrianan’i Mizpa,+ no nanamboatra ampahany tamin’ilay manda, teo anoloan’ny fiakarana mankany amin’ilay Fitehirizam-piadiana eo amin’ny Kihon’ny Manda.+ 20  Nanarakaraka azy i Baroka zanak’i Zabay.+ Nazoto be+ izy nanamboatra ny ampahany tamin’ilay manda, nanomboka teo amin’ny Kihon’ny Manda ka hatrany amin’ny fidirana amin’ny tranon’i Eliasiba+ mpisoronabe. 21  Ary nanarakaraka azy i Meremota zanak’i Oria,+ zanak’i Hakoza. Nanamboatra ampahany tamin’ilay manda izy, nanomboka teo amin’ny fidirana amin’ny tranon’i Eliasiba ka hatrany amin’ny faran’io trano io. 22  Nanarakaraka azy ny mpisorona avy any amin’ny Faritr’i Jordana.+ Nanamboatra ny simba koa izy ireo. 23  Ary nanarakaraka an’ireo i Benjamina sy Hasoba, izay nanamboatra ny simba tandrifin’ny tranony avy. Ary nanarakaraka an’ireo i Azaria zanak’i Mahaseia, zanak’i Anania, izay nanamboatra ny simba teo akaikin’ny tranony. 24  Ary nanarakaraka azy i Binoy zanak’i Henadada, izay nanamboatra ny ampahany tamin’ilay manda, nanomboka teo amin’ny tranon’i Azaria ka hatrany amin’ny Kihon’ny Manda+ sy hatrany amin’ny zoron’ilay manda. 25  Nanarakaraka azy i Palala zanak’i Ozay, izay nanamboatra ny simba tandrifin’ny Kihon’ny Manda sy tandrifin’ilay tilikambo eo anilan’ny Tranon’ny Mpanjaka,+ dia ilay eo ambony ao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina.+ Ary nanarakaraka azy i Pedaia zanak’i Parosy.+ 26  Nonina tao Ofela+ ny Netinima,+ ary izy ireo no nanamboatra ny simba hatreo amin’ny Vavahadin-drano+ any atsinanana, sy hatrany amin’ny tilikambo mivohitra avy eo amin’ny manda. 27  Ary nanarakaraka an’ireo ny Tekoita+ izay nanamboatra ampahany tamin’ilay manda, nanomboka teo amin’ilay tilikambo lehibe mivohitra avy eo amin’ny manda ka hatrany amin’ny mandan’i Ofela. 28  Ny mpisorona kosa nanamboatra ny simba tandrifin’ny tranony avy, nanomboka teo amin’ny Vavahadin-tsoavaly+ no ho mianavaratra. 29  Ary nanarakaraka an’ireo i Zadoka+ zanak’i Imera, izay nanamboatra ny simba tandrifin’ny tranony. Nanarakaraka azy indray i Semaia zanak’i Sekania, ilay mpiandry ny Vavahady Atsinanana.+ 30  Nanarakaraka azy i Hanania zanak’i Selemia sy Hanona, izay fahenina amin’ny zanak’i Zalafa. Nanamboatra ampahany tamin’ilay manda izy ireo. Ary nanarakaraka an’ireo i Mesolama+ zanak’i Berekia, izay nanamboatra ny simba tandrifin’ny efitranony.+ 31  Nanarakaraka azy i Malkia, izay anisan’ny mpanefy volamena.+ Namboariny ny simba hatrany amin’ny tranon’ny Netinima+ sy ny mpivarotra,+ izay teo akaikin’ny Vavahady Fanaraha-maso, ary koa ny simba hatrany amin’ilay efitra any an-tampon-trano eo amin’ny zorony. 32  Ary ny mpanefy volamena sy ny mpivarotra no nanamboatra ny simba teo anelanelan’ny efitra any an-tampon-trano eo amin’ny zorony sy ny Vavahadin’ondry.+

Fanamarihana