Nehemia 4:1-23

4  Raha vao ren’i Sanbala+ fa nanorina indray ny manda izahay, dia tezitra+ sy nisafoaka mafy izy, ka nesoiny+ foana ny Jiosy.  Ary hoy izy teo anatrehan’ny rahalahiny+ sy ny tafik’i Samaria: “Inona koa no ataon’ireo Jiosy kely aina ireo? Mihevitra angaha ry zareo hoe mahavita tena? Hanao sorona+ angaha ry zareo? Ho vitan’izy ireo indray andro angaha io? Tadiavin’izy ireo hampiasaina indray angaha ireo vato efa may avy amin’ny fakofako+ feno vovoka?”  Ary teo anilany i Tobia+ Amonita,+ ka niteny hoe: “Na amboadia+ aza no mianika an’io manda vato aoriny io, dia ho rava io.”  Koa mihainoa,+ ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay.+ Atsingereno eo an-dohan’ireo ny latsa+ ataony aminay, ka ataovy izay hahavoaroba azy sy hahalasa azy ho babo any an-tanin’olona.  Ary aza odian-tsy hita ny fahadisoany+ sy ny fahotany. Aoka tsy ho voakosoka izany, fa nila ady tamin’ireo mpanao fanorenana izy.  Koa naorinay indray ny manda ary notampenanay daholo ny banga, ka vitanay hatreo amin’ny antsasaky ny haavony. Ary niasa tamin’ny fony ny olona.+  Dia tezitra be ry Sanbala+ sy Tobia+ mbamin’ny Arabo+ sy ny Amonita+ ary ny Asdodita,+ raha vao nandre fa nandroso ny fanamboarana ny mandan’i Jerosalema. Efa kely sisa mantsy dia ho voatampina ny banga.  Koa niray tetika+ izy rehetra mba ho avy hiady amin’i Jerosalema ary hanao izay handrebirebena anay.  Nivavaka+ tamin’Andriamanitray anefa izahay, ary nametraka mpiambina andro aman’alina mba hiaro anay noho ny amin’izy ireo. 10  Ary hoy ny mponin’i Joda: “Efa kely ny herin’ireo mpitondra entana+ nefa mbola be dia be ny fakofako.+ Ary tsy ho vitanay samirery ny manorina eny ambony manda.” 11  Hoy koa ny fahavalonay: “Tsy hanampo na inona na inona ireo,+ ary tsy ho hitany mihitsy isika raha tsy efa tonga eo aminy. Dia hamono azy ireo isika ka hampitsahatra ny asa.” 12  Koa rehefa tonga ny Jiosy izay nonina tany akaikin’ireo fahavalo, dia impolo izy ireo no nilaza taminay hoe: “Ho tonga avy any amin’ny faritra rehetra manodidina ny fahavalo ka hanafika anareo.” 13  Koa nametrahako mpiambina teny amin’ny faritra iva ivelan’ny manda, teny amin’ny toerana tsy misy manakontakona, ary nasaiko niambina isam-pianakaviana ny olona, ka samy nitondra ny sabany+ sy ny lefony+ ary ny tsipìkany. 14  Raha vao hitako fa natahotra izy ireo, dia nitsangana aho ka nilaza tamin’ny olona ambony+ sy ny solontenam-panjakana+ ary ny vahoaka hoe: “Aza matahotra+ an’ireo fa i Jehovah, ilay lehibe+ sy mendrika hatahorana+ no ataovy an-tsaina. Ary miadia hiaro ny rahalahinareo+ sy ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo.” 15  Dia ren’ny fahavalonay fa fantatray ny tetik’izy ireo ka nataon’Andriamanitra nandamòka.+ Ary niverina tany amin’ny manda izahay rehetra, ka samy nanao ny asanay. 16  Koa nanomboka tamin’izay andro izay, dia ny antsasaky ny tovolahy+ no nanao ny asa, fa ny antsasany kosa nitana lefona sy ampinga ary tsipìka sady nanao akanjo mifono vy.+ Ary ireo andriana+ no tao ambadiky ny taranak’i Joda manontolo. 17  Ary ireo mpanorina teny ambony manda sy ireo mpitaona entana dia samy niasa tamin’ny tanany an’ila, fa ny tanany+ ilany kosa nitazona lefom-pohy.+ 18  Samy nanao ny sabany teo amin’ny fehikibony+ ireo mpanorina rehefa nanao ny fanorenana.+ Ary teo anilako ilay mpitsoka anjombona.+ 19  Dia hoy aho tamin’ny olona ambony sy ny solontenam-panjakana+ ary ny vahoaka: “Mbola betsaka sady goavana ny asa, ary miparitaka be eny amin’ny manda isika ka mifanalavitra. 20  Koa raha mandre feon’anjombona ianareo, dia miangòna miaraka aminay any amin’izay toerana iavian’ilay feo. Fa hiady ho antsika ny Andriamanitsika.”+ 21  Ary niasa ny antsasany taminay, fa ny antsasany kosa nitan-defona, raha vao nazava ratsy ny andro ka mandra-pipoitran’ny kintana. 22  Hoy koa aho tamin’ny vahoaka, tamin’izay fotoana izay: “Aoka hatory eto Jerosalema ny lehilahy tsirairay miaraka amin’ny mpanompony avy,+ ka hiambina antsika izy ireo amin’ny alina, ary hiasa amin’ny antoandro.” 23  Fa na izaho,+ na ny rahalahiko,+ na ny mpanompoko,+ na ny lehilahy mpiambina+ tao andamosiko, dia tsy mba niala akanjo, sady samy nitana lefom-pohy+ teny an-tanany ankavanana.

Fanamarihana