Nehemia 5:1-19

5  Nitaraina+ mafy anefa ireo lehilahy mbamin’ny vadin’izy ireo, noho ny nataon’ny Jiosy rahalahiny.+  Nisy nilaza hoe: “Ny zanakay lahy sy ny zanakay vavy no nataonay antoka, mba hahazoanay varimbazaha hohanina ka hahavelona anay.”+  Tao koa ny nilaza hoe: “Ny sahanay sy ny tanimboalobokay ary ny tranonay no nataonay antoka,+ mba hahazoanay varimbazaha tamin’ny fotoana tsy nisian’ny sakafo.”  Ary tao ny nilaza hoe: “Nisambo-bola izahay handoavana hetra+ ho an’ny mpanjaka, ka ny sahanay sy ny tanimboalobokay no nataonay antoka.+  Ary toy ny rahalahinay ihany izahay+ sady mitovy ihany ny zanak’izy ireo sy ny zanakay, kanefa izahay voatery handefa ny zanakay lahy sy ny zanakay vavy ho andevo,+ ary ny zanakay vavy sasany aza efa lasa andevo mihitsy. Tsy misy azonay atao satria lasan’olona ny sahanay sy ny tanimboalobokay.”  Tezitra be aho raha vao nandre azy ireo nitaraina sy niteny toy izany.  Koa rehefa nandinika tsara an’ilay raharaha aho, dia nomeko tsiny+ ireo olona ambony sy solontenam-panjakana. Ary hoy aho tamin’izy ireo: “Be loatra ny zanabola+ takinareo amin’ny rahalahinareo.” Nandamina fivoriana lehibe ho azy ireo koa aho.+  Ary hoy aho tamin’izy ireo: “Izahay aza efa nanao izay tratran’ny herinay hanavotana+ an’ireo Jiosy rahalahinay izay namidy tamin’ireo firenena, koa ianareo indray ve no hivarotra ny rahalahinareo?+ Dia tsy maintsy hividy azy ireo indray ve izahay mba hanavotana azy?” Tsy nahateny tsy nahavolana izy ireo tamin’izay.+  Hoy koa aho: “Tsy mety izao ataonareo izao.+ Tsy tokony hatahotra+ an’Andriamanitsika+ foana ve ianareo, mba tsy handatsan’ireo+ firenena fahavalo antsika?+ 10  Izaho sy ny rahalahiko ary ny mpanompoko koa mba efa nampisambotra vola sy varimbazaha tamin’ny Jiosy. Kanefa, aoka re isika mba tsy hitaky zanabola amin’izy ireo intsony e!+ 11  Mba avereno aminy anio dia anio re ny sahany,+ sy ny tanimboliny, sy ny sahan’olivany, ary ny tranony e! Avereno aminy koa ny zanabola notakinareo taminy, dia ny ampahazaton’izay nosamboriny, na vola izany na varimbazaha na divay vaovao na menaka.” 12  Dia hoy izy ireo: “Hamerina izay nalainay izahay,+ ary tsy hitaky na inona na inona amin’izy ireo ho takalony.+ Hotanterahinay tokoa izany teninao izany.”+ Koa nantsoiko ireo mpisorona ary nasaiko nianiana hanao araka izany teny izany.+ 13  Ary nakopako ny tratran’akanjoko, dia hoy aho: “Hakopak’Andriamanitra toy izao anie izay olona tsy manatanteraka izany teny izany, eny, hakopany hiala amin’ny tranony sy ny fananany izy, ka tsy hanana na inona na inona intsony!” Dia hoy ny fiangonana manontolo: “Amena!”*+ Ary nidera an’i Jehovah izy ireo.+ Dia nanao araka izany teny izany ny olona.+ 14  Tsy nihinana ny anjara hanina tokony ho an’ny governora koa izaho sy ny rahalahiko,+ hatramin’ny andro nanendren’ny mpanjaka ahy ho governoran’izy+ ireo teto amin’ny tanin’i Joda, tamin’ny taona faharoapolo+ ka hatramin’ny taona faharoa amby telopolo+ nanjakan’i Artaksersesy+ Mpanjaka, izany hoe, nandritra ny roa ambin’ny folo taona. 15  Ireo governora talohako kosa nampitondra enta-mavesatra ny vahoaka, ka nitaky tamin’izy ireo sekely* volafotsy efapolo isan’andro ho vidin’ny sakafo sy ny divay. Nanjakazaka tamin’ny vahoaka+ koa ny mpanompon’izy ireo. Tsy mba nanao toy izany anefa aho+ satria natahotra an’Andriamanitra.+ 16  Ankoatra izany, dia nandray anjara tamin’ny fanamboarana an’io manda io ny tenako,+ ary niangona hanao ilay asa ny mpanompoko rehetra, nefa na tanimboly iray aza tsy nalainay.+ 17  Ary nisy Jiosy sy solontenam-panjakana nihinana teo an-databatro.+ Dimampolo amby zato izy ireo, ankoatra an’ireo tonga teo aminay avy any amin’ny firenena manodidina. 18  Koa ireto avy no nokarakaraina ho ahy isan’andro: Omby iray sy ondry voafantina enina ary vorona. Nisy divay+ be dia be isan-karazany koa isaky ny folo andro. Ary tsy nitaky ny anjara hanina tokony ho an’ny governora aho, satria efa navesatra ny fanompoana nampanaovina an’ity vahoaka ity. 19  “Mba tsarovy aho,+ ry Andriamanitro ô, ka aoka aho hahazo sitraka aminao+ noho izay rehetra nataoko ho an’ity vahoaka ity.”+

Fanamarihana

Midika hoe “Ho tanteraka anie izany!”
1 sekely = 11,4 g.