Nehemia 6:1-19

6  Raha vao ren’i Sanbala+ sy Tobia+ sy Gasema+ Arabo+ ary ny sisa tamin’ny fahavalonay fa voaoriko indray ny manda+ ka tsy misy banga intsony, na dia mbola tsy voapetako aza ny vavahady,+  dia nandefa hafatra avy hatrany tany amiko i Sanbala sy Gasema hoe: “Andao isika hifanao fotoana+ any amin’ny tanàna kelin’ny lemak’i* Ono.”+ Niray tetika hanisy ratsy ahy anefa izy ireo.+  Koa nandefa iraka tany amin’izy ireo aho+ nilaza hoe: “Asa lehibe no ataoko,+ ka tsy afaka midina any aho. Nahoana ny asa no hatsahatra mba hidinako any aminareo?”+  Inefatra izy ireo no nandefa izany hafatra izany tany amiko, ary nitovy foana ny navaliko azy.  Farany dia nirahin’i Sanbala+ tany amiko ny mpanompony hilaza izany teny izany fanindiminy. Ary nampitondrainy taratasy tsy nihidy izy,  ka izao no voasoratra tao: “Malaza any amin’ireo firenena fa miray tetika ny hikomy+ ianao sy ny Jiosy, ary izany koa no nolazain’i Gasema.+ Izany no antony anorenanao ny manda. Ianao koa, hono, no lasa mpanjakan’izy ireo.+  Ary misy mpaminany notendrenao mihitsy aza hiantsoantso momba anao eran’i Jerosalema hoe: ‘Misy mpanjaka eto Joda!’ Tsy maintsy hisy hitatitra any amin’ny mpanjaka anefa izany. Koa tongava atỳ! Andao isika hiara-midinika.”+  Nandefa hafatra tany aminy anefa aho hoe: “Tsy nisy akory izany zavatra lazainao izany,+ fa noforoninao tao am-ponao fotsiny.”+  Te hampitahotra anay mantsy izy rehetra, ary nilaza hoe: “Hiraviravy tanana+ ireo, dia tsy hiasa intsony, ka tsy ho vita ilay asa.” Mba ampaherezo anefa aho, Andriamanitra ô!+ 10  Ary nankao an-tranon’i Semaia zanak’i Delaia zanak’i Mehetebela aho, rehefa nihidy aman-trano izy.+ Dia hoy izy: “Andao isika hifanao fotoana+ ao an-tranon’Andriamanitra, ao amin’ny tempoly,+ ka hidiantsika ny varavarana. Ho avy ao mantsy ry zareo hamono anao, eny, ho avy ao ry zareo amin’ny alina+ hamono anao.” 11  Hoy anefa aho: “Lehilahy toa ahy izao ve dia handositra?+ Ary raha olona toa ahy izao ve no miditra ao amin’ny tempoly, dia ho velona?+ Tsy hiditra aho!” 12  Koa nanadihady aho, ka fantatro hoe tsy Andriamanitra+ no naniraka azy, fa mba hamelezana ahy no nilazany+ an’io faminaniana io, satria nokaramain’i+ Tobia sy Sanbala+ izy. 13  Ny antony nanakaramana+ azy, dia mba hampitahorana ahy+ sy hanarahako ny teniny ka hanotako.+ Ho afaka hanaratsy laza+ ahy izy ireo amin’izay, mba hanalana baraka ahy.+ 14  Tsarovy,+ ry Andriamanitro ô, izany nataon’i Tobia+ sy Sanbala izany, ary koa ny nataon’i Noadia mpaminanivavy+ sy ny mpaminany hafa izay nitady hampitahotra ahy foana. 15  Vita ihany ny manda+ tamin’ny fahadimy amby roapolon’ny volana Elola, tao anatin’ny roa amby dimampolo andro. 16  Raha vao ren’ny fahavalonay+ rehetra izany, ary hitan’ny firenena rehetra nanodidina anay koa, dia nahatsiaro tena ho afa-baraka izy ireo. Koa fantany fa noho ny Andriamanitray+ no nahavitana an’ilay asa. 17  Nandefa taratasy maro be tany amin’i Tobia+ ny olona ambony+ tao Joda, tamin’izany andro izany. Ary naharay taratasy avy tamin’i Tobia koa izy ireo. 18  Olona maro tao Joda mantsy no efa nianiana fa hanohana azy, noho izy vinantolahin’i Sekania zanak’i Ara,+ ary i Johanana zanany lahy efa nanambady ny zanakavavin’i Mesolama+ zanak’i Berekia. 19  Tsy nitsahatra nandoka an’i Tobia teo anatrehako koa izy ireo,+ sady nitatitra ny teniko rehetra tany aminy. Ary nandefa taratasy mba hampitahorana ahy i Tobia.+

Fanamarihana

A.b.t.: “lohasaha lemak’i.”