Nehemia 8:1-18

8  Nivory toy ny olona iray+ ny vahoaka manontolo, teo amin’ilay tany malalaka+ tandrifin’ny Vavahadin-drano.+ Dia nasaina nalain’i Ezra,+ mpanao dika soratra, ny boky+ misy ny lalàn’i Mosesy+ izay nandidian’i Jehovah ny Israely.+  Koa nalain’i Ezra mpisorona+ ilay boky, ka nentiny teo anatrehan’ny fiangonana,+ dia izay rehetra tafavory teo na lahy na vavy, mbamin’izay rehetra afaka mihaino ka mahazo ny hevitr’izay reny.+ Andro voalohan’ny volana fahafito+ tamin’izay.  Dia novakiny+ mafy teo anoloan’ny tany malalaka tandrifin’ny Vavahadin-drano ilay boky misy ny lalàna, teo anatrehan’ireo lehilahy sy vehivavy ary ireo mahazo ny hevitr’izay reny. Novakiny izany, nanomboka vao maraina be+ ka hatramin’ny mitataovovonana. Koa nihaino tsara+ an’izay novakina ny rehetra.  Ary nijoro teo amin’ilay lampihazo+ natao ho an’io fotoan-dehibe io i Ezra mpanao dika soratra. Niara-nijoro taminy, teo ankavanany, i Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia. Teo ankaviany kosa i Pedaia sy Misaela sy Malkia+ sy Hasoma+ sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama.  Dia nanokatra+ ilay boky teo imason’ny olon-drehetra i Ezra, fa avo kokoa noho ny olon-drehetra no nisy azy. Koa nitsangana daholo ny olona+ rehefa nosokafany ilay izy.  Avy eo i Ezra dia nisaotra an’i Jehovah+ Andriamanitra, Ilay Andriamanitra lehibe. Ary nanandra-tanana+ ny olon-drehetra sady namaly hoe: “Amena! Amena!”+ Dia niondrika+ sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Jehovah izy ireo.+  Ary nanazava ny lalàna tamin’ny vahoaka ireo Levita,+ dia i Jesoa sy Bany sy Serebia+ sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada+ sy Hanana ary Pelaia.+ Ary ny vahoaka nijoro teo amin’izay nisy azy.+  Ary ny Levita dia namaky+ mafy an’ilay boky, izany hoe ny lalàn’Andriamanitra, ka namelabelatra sy nanazava ny heviny. Dia nataon’izy ireo azon’ny olona tsara izay novakina.+  Ary niteny toy izao tamin’ny olona rehetra i Nehemia+ Governora,+ sy Ezra+ mpisorona sady mpanao dika soratra, ary ny Levita izay nampianatra ny vahoaka: “Masina amin’i Jehovah Andriamanitrareo ity andro anio ity.+ Koa aza malahelo na mitomany.”+ Nitomany daholo mantsy ny olona, teo am-pihainoana izay voalazan’ny lalàna.+ 10  Hoy koa izy tamin’ireo: “Mandehana ka hano ny matavy ary sotroy ny mamy, dia anatero anjara+ izay tsy manana sakafo hokarakaraina. Fa masina amin’ny Tompontsika ity andro anio ity, koa aza malahelo fa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.” 11  Ary nandidy ny olona rehetra mba hangina ny Levita ka nanao hoe: “Aoka izay re, fa masina ity andro ity e! Ary aza malahelo!” 12  Dia lasa daholo ny olona ka nihinana sy nisotro sy nanatitra anjara+ ho an’izay tsy nanana, ary nifaly be+ mihitsy satria azon’izy ireo tsara izay nambara taminy.+ 13  Tamin’ny andro faharoa, dia niangona teo amin’i Ezra mpanao dika soratra, ireo lohan’ny fianakaviamben’ny vahoaka manontolo, mbamin’ny mpisorona sy ny Levita, satria te hahazo ny hevitr’izay voalazan’ny lalàna izy ireo.+ 14  Dia hitan’izy ireo voasoratra tao amin’ilay lalàna ny didy nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy,+ hoe tokony hipetraka ao anaty trano rantsankazo+ ny zanak’Israely mandritra ny fety amin’ny volana fahafito.+ 15  Tokony hampandre ny olona koa izy ireo, ka hanao antso avo+ manerana ny tanànany rehetra sy eran’i Jerosalema,+ hoe: “Mandehana any amin’ny faritra be tendrombohitra+ ary makà rantsankazo be ravina avy amin’ny hazo oliva,+ sy avy amin’ny hazo mitera-menaka, sy mirta, sy palmie, ary hazo hafa be sampany, mba hanaovana trano rantsankazo araka izay voasoratra.” 16  Koa nandeha naka izany ny olona ka samy nanao trano rantsankazo teny an-tampon-tranony+ sy teny an-tokotaniny, sy teny an-tokotanin’ny+ tranon’Andriamanitra, sy teny amin’ny tany malalaka+ tandrifin’ny Vavahadin-drano+ sy ny tany malalaka tandrifin’ny Vavahadin’i Efraima.+ 17  Koa nanao trano rantsankazo sy nipetraka tao amin’ireny ny fiangonana manontolo, izany hoe ireo nody avy any amin’ny fahababoana. Ary nisy fifaliam-be tokoa,+ satria mbola tsy nanao toy izany ny zanak’Israely hatramin’ny andron’i Josoa zanak’i Nona,+ ka hatramin’io andro io. 18  Ary novakina mafy isan’andro ny boky misy ny lalàn’Andriamanitra,+ nanomboka tamin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Nanao fety nandritra ny fito andro izy ireo, ary tamin’ny andro fahavalo dia nisy fivoriambe nanetriketrika, araka ny fitsipika momba izany.+

Fanamarihana