Nehemia 9:1-38

9  Tamin’ny andro fahefatra amby roapolon’io volana+ io, dia nivory ny zanak’Israely, ka nifady hanina+ sy nitafy lamba gony+ ary nihosim-bovoka.+  Ary nisaraka+ tamin’ny hafa firenena+ rehetra ny taranak’Israely, ka nitsangana ary niaiky+ ny fahotany+ sy ny fahadisoan’ny razany.+  Dia nitsangana teo amin’ny toerany+ izy ireo ka namaky mafy ny boky misy ny lalàn’i+ Jehovah Andriamaniny, nandritra ny adiny telo.*+ Niaiky heloka+ sy niankohoka teo anatrehan’i Jehovah Andriamaniny koa izy ireo taorian’izay, nandritra ny adiny telo.+  Ary nijoro teo amin’ilay lampihazo+ natao ho an’ny Levita i Jesoa sy Bany sy Kadmiela sy Sebania sy Bony sy Serebia+ sy Bany ary Kenany ka nitaraina mafy+ tamin’i Jehovah Andriamaniny.  Ary hoy i Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary Petahia, izay samy Levita: “Mitsangàna ianareo, ka misaora+ an’i Jehovah ilay Andriamanitrareo hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay!+ Aoka izy ireo hisaotra ny anaranao be voninahitra,+ izay mendrika ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.  “Ianao irery ihany no Jehovah.+ Ianao no nanao ny lanitra,+ eny, ny lanitry ny lanitra sy ny tafiny rehetra,+ mbamin’ny tany+ sy izay rehetra eo amboniny,+ ary ny ranomasina+ sy izay rehetra ao anatiny.+ Ianao no miantoka ny fahaveloman’ireny rehetra ireny. Miankohoka eo anatrehanao koa ny tafiky+ ny lanitra.  Ianao no Jehovah Andriamanitra, izay nifidy an’i Abrama+ sy nitondra azy niala tao Oran’ny Kaldeanina,+ ka nanova ny anarany ho Abrahama.+  Hitanao fa nifikitra taminao ny fony,+ ka nanao fifanekena+ taminy ianao mba hanome azy sy ny taranany+ ny tanin’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita. Koa notanterahinao ny teninao satria manao ny rariny+ ianao.  “Hitanao+ ny fahorian’ny razanay tany Ejipta, ary renao+ ny fitarainany teo amoron’ny Ranomasina Mena. 10  Dia nanao famantarana sy fahagagana ianao hamelezana an’i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny olon-drehetra tao amin’ny taniny.+ Fantatrao mantsy fa nataony tsinontsinona+ ny razanay. Koa nampahalaza ny anaranao+ ianao, toy ny amin’izao anio izao. 11  Nosarahinao+ teo anatrehany ny ranomasina, ka nandia tany maina teo afovoany izy ireo.+ Fa ny mpanenjika azy kosa natsipinao mafy tao amin’ny lalina,+ toy ny vato+ natsipy tao anaty rano mahery.+ 12  Andry rahona no nitarihanao azy nandritra ny andro,+ ary andry afo nandritra ny alina+ mba hanazavana+ ny lalan-kalehany. 13  Nidina nankeo amin’ny Tendrombohitra Sinay ianao,+ ary niteny tamin’izy ireo avy tany an-danitra+ sady nanome azy didim-pitsarana ara-drariny,+ sy lalàna marina,+ ary fitsipika+ sy didy+ mahasoa. 14  Dia nampahafantarinao azy ny sabatanao+ masina, ary nomenao didy sy fitsipika ary lalàna izy ireo tamin’ny alalan’i Mosesy mpanomponao.+ 15  Nomenao mofo avy tany an-danitra izy ireo rehefa noana,+ ary namoahanao rano avy tamin’ny vatolampy rehefa nangetaheta,+ ka nasainao niditra+ haka an’ilay tany efa nanangananao tanana sy nianiananao homena azy.+ 16  “Sahisahy ratsy+ anefa ny razanay sady nanamafy hatoka,+ ka tsy nihaino ny didinao. 17  Tsy nety nihaino izy ireo+ ary tsy nahatsiaro+ ireo asa mahatalanjona nataonao ho azy. Nanjary mafy hatoka+ kosa izy ireo ka nanendry olona hitarika+ azy hiverina ho andevo any Ejipta. Andriamanitra mamela heloka+ anefa ianao, sady tsara fanahy,+ mamindra fo,+ tsy mora tezitra+ ary be+ hatsaram-panahy feno fitiavana, ka tsy nahafoy azy.+ 18  Nanao sarivongana* zanak’omby izy ireo,+ ka nilaza hoe: ‘Io ny Andriamanitsika, izay nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta.’+ Ary naniratsira anao tokoa izy ireo. 19  Na izany aza, dia tsy nahafoy+ azy tany an-tany efitra ianao satria be famindram-po. Tsy niala teo ambonin’izy ireo ny andry rahona nandritra ny andro mba hitari-dalana azy,+ na ny andry afo nandritra ny alina mba hanazava ny lalan-kalehany.+ 20  Nomenao ny fanahinao*+ izy ireo mba ho malina. Tsy nohazoninao koa ny mana fa nomenao hohaniny,+ ary nomenao rano izy ireo rehefa nangetaheta.+ 21  Efapolo+ taona ianao no namatsy sakafo azy ireo tany an-tany efitra, ary tsy nisy nahory azy.+ Tsy tonta ny fitafiany+ ary tsy nivonto ny tongony.+ 22  “Ary nanome azy fanjakana+ sy firenena ianao, ka notsinjarainao ireny.+ Koa nalainy ny tanin’i Sihona,+ izany hoe ny tanin’ny mpanjakan’i Hesbona,+ ary koa ny tanin’i Oga+ mpanjakan’i Basana.+ 23  Nataonao maro tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ny taranany.+ Ary nitondra azy ireo ianao mba ho eto amin’ity tany+ ity izay efa nampanantenainao ny razany+ fa hidirany sy halainy ho fananany. 24  Koa niditra teto amin’ity tany ity ny taranak’izy ireo+ ary naka izany ho fananany.+ Nataonao resy+ teo anatrehan’izy ireo ny Kananita+ nonina tao, ary natolotrao teo an-tanany ny mpanjakany+ sy ny mponin’ilay tany,*+ ka nataon’izy ireo araka izay nitiavany azy.+ 25  Namabo tanàna voaro mafy+ izy ireo ary nahazo tany lonaka+ sy trano feno zava-tsoa isan-karazany,+ sy lavaka fanangonan-drano efa nohadina,+ sy tanimboaloboka, sy sahan’oliva,+ ary hazo fihinam-boa be dia be. Dia nihinana izy ireo ka voky+ ary nihanatavy+ sady finaritra tamin’ny fiainana, noho ianao tena tsara toetra.+ 26  “Tsy nankatò+ anefa izy ireo, ary nikomy taminao+ sady tsy niraharaha ny lalànao.+ Novonoiny koa ny mpaminaninao,+ izay nampirisika azy hiverina aminao.+ Ary naniratsira anao tokoa izy ireo.+ 27  Izany no nanoloranao azy teo an-tanan’ireo fahavalo+ nampahory+ azy. Rehefa azom-pahoriana anefa izy ireo dia nitaraina mafy taminao,+ ka renao avy tany an-danitra izany.+ Ary be famindram-po+ ianao, ka nanome mpamonjy+ mba hanafaka azy eo an-tanan’ny fahavalony.+ 28  “Raha vao nilamindamina anefa ny fiainany, dia nanao izay ratsy teo anatrehanao indray izy+ ka nafoinao teo an-tanan’ireo fahavalo nanosihosy azy.+ Dia niverina taminao izy ireo ary niantso vonjy taminao.+ Nandre azy avy tany an-danitra ianao,+ ka nanafaka azy satria be famindram-po. Ary imbetsaka ianao no nanao izany.+ 29  Na dia nampirisika+ azy hiverina hanaraka ny lalànao aza ianao,+ dia mbola sahisahy ratsy+ ihany izy ireo, ka tsy nihaino ny didinao. Nanota izy ireo+ ka nanda ny didim-pitsaranao,+ izay mahavelona ny olona mankatò azy.+ Ary nanao be marenina*+ foana izy ireo, sady nanamafy hatoka+ ka tsy nihaino.+ 30  Nandefitra taminy an-taonany maro+ anefa ianao, ary nampitandrina+ azy foana tamin’ny alalan’ny fanahinao izay nomenao ho an’ny mpaminaninao, kanefa tsy nihaino izy ireo.+ Koa natolotrao teo an-tanan’ny mponina manodidina izy, tamin’ny farany.+ 31  Be famindram-po anefa ianao ka tsy nandringana azy+ na nahafoy+ azy, satria Andriamanitra tsara fanahy+ sy mamindra fo+ ianao. 32  “Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ry Andriamanitra lehibe+ sy mahery+ ary mendrika hatahorana,+ izay manaja fifanekena+ sy maneho hatsaram-panahy feno fitiavana!+ Aza atao tsinontsinona+ re ny fahoriana rehetra nanjo anay+ sy ny mpanjakanay+ sy ny andriananay+ sy ny mpisoronay+ sy ny mpaminaninay+ sy ny razanay+ ary ny olonao rehetra, hatramin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asyria ka mandraka androany.+ 33  Rariny+ ny anao matoa manjo anay izao rehetra izao. Hita tamin’izay nataonao fa tsy mivadika+ ianao, fa izahay kosa no nanao ratsy.+ 34  Tsy nankatò ny lalànao+ ny mpanjakanay sy ny andriananay sy ny mpisoronay ary ny razanay,+ sady tsy nitandrina ny didinao+ na ny fampahatsiahivanao izay nananaranao+ azy. 35  Tsy nanompo anao izy ireo+ sady tsy niala tamin’ny fanao ratsiny,+ tamin’ny fotoana mbola nisian’ny fanjakana+ teo amin’izy ireo sy nahazoany zava-tsoa+ be dia be avy taminao, ary nonenany tao amin’ilay tany+ malalaka sady lonaka nomenao azy. 36  Andevo izahay ankehitriny,+ eny, andevo eto amin’ity tany ity, izay nomenao ny razanay mba hihinanany ny vokatra sy ny zava-tsoa eo aminy.+ 37  Be ny vokatry ny tany,+ nefa noho ny fahotanay+ dia lasan’ireo mpanjaka+ notendrenao hifehy anay izany. Manjaka aminay sy ny biby fiompinay araka izay tiany izy ireo, ka ory dia ory izahay.+ 38  “Noho izany rehetra izany, dia hanao fianianana izahay,+ ary hataonay an-tsoratra izany ka hanisy tombo-kase+ an’izany ny andriananay sy ny Levitanay ary ny mpisoronay.”+

Fanamarihana

A.b.t.: “ampahefatr’andro.”
Natao tamin’ny metaly narendrika.
A.b.t.: “fanahy tsara.”
A.b.t.: “olon’ny tany.”
A.b.t.: “nanome soroka mikiribiby.”