Nomery 12:1-16
12 Ary nanome tsiny an’i Mosesy i Miriama sy Arona, noho ilay vehivavy kosita nalainy ho vady.+
2 Dia niteny foana izy mianadahy hoe: “Amin’ny alalan’i Mosesy ihany angaha no itenenan’i Jehovah, fa tsy amin’ny alalanay koa?”+ Ary nihaino i Jehovah.+
3 Tamin’ny olona teto ambonin’ny tany, dia i Mosesy no lehilahy be fandeferana*+ indrindra.
4 Tampoka teo dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona ary Miriama: “Mivoaha ho any amin’ny tranolay fihaonana ianareo telo mianadahy.” Dia nivoaka izy telo.
5 Nidina i Jehovah avy eo, ary tao anatin’ny andry rahona+ izy tamin’izay. Nijoro teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana izy, ka niantso an’i Arona sy Miriama. Dia nandroso izy mianadahy.
6 Ary hoy izy: “Henoy ny teniko, azafady. Raha misy mpaminanin’i Jehovah eo aminareo, dia ao amin’ny fahitana+ no hampahafantarako ny tenako aminy, ary ao amin’ny nofy+ no hitenenako aminy.
7 Fa tsy mba toy izany ny amin’i Mosesy mpanompoko!+ Izy no anankinana izay rehetra ao an-tranoko.+
8 Iresahako mivantana izy,+ fa tsy amin’ny alalan’ny teny saro-pantarina,+ ary ny endrik’i Jehovah mihitsy no hitany.+ Koa nahoana ianareo no tsy natahotra ny hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?”+
9 Koa tezitra be tamin’izy ireo i Jehovah, dia lasa.
10 Ary niala avy teo ambonin’ny tranolay ny rahona, ary io fa boka i Miriama ka lasa fotsy be.*+ Ary nitodika tany amin’i Miriama i Arona, ka hitany fa boka izy.+
11 Avy hatrany dia hoy i Arona tamin’i Mosesy: “Miala tsiny re, tompoko ô! Aza atao ho helokay re ny fahotana nataonay tamin-kadalana e!+
12 Azafady re e! Aoka izy mba tsy havela ho toy ny zaza maty+ tao an-kibon-dreniny, izay efa lany ny antsasaky ny nofony, amin’ny fotoana ivoahany avy ao.”
13 Koa nitaraina mafy tamin’i Jehovah i Mosesy hoe: “Mba miangavy re, Andriamanitra ô! Mba sitrano re izy e!”+
14 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Raha nororan-drainy+ ny tarehiny, tsy ho afa-baraka fito andro ve izy? Aoka hatokan-toerana+ fito andro any ivelan’ny toby+ izy, vao horaisina indray.”+
15 Koa natokan-toerana fito andro tany ivelan’ny toby i Miriama.+ Ary tsy niainga ny vahoaka raha tsy efa noraisina indray ho ao an-toby izy.
16 Taorian’izay vao niala tao Hazerota+ ny vahoaka, ka nitoby tany an-tany efitr’i Parana.+