Nomery 13:1-33

13  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Maniraha olona hijery taratra ny tany Kanana, izay homeko ny zanak’Israely.+ Lehilahy iray isaky ny fokon’ireo rainy no hirahinareo, izay samy mpiadidy+ eo amin’izy ireo.”  Koa nirahin’i Mosesy avy tany an-tany efitr’i Parana+ izy ireo, araka ny baikon’i Jehovah. Samy lohany teo amin’ny zanak’Israely izy rehetra.  Ireto avy ny anaran’izy ireo: Samoa zanak’i Zakora no avy amin’ny fokon’i Robena;  Safata zanak’i Hory no avy amin’ny fokon’i Simeona;  Kaleba+ zanak’i Jefone no avy amin’ny fokon’i Joda;  Jigala zanak’i Josefa no avy amin’ny fokon’i Isakara;  Hosea+ zanak’i Nona no avy amin’ny fokon’i Efraima;  Palty zanak’i Rafo no avy amin’ny fokon’i Benjamina; 10  Gadiela zanak’i Sody no avy amin’ny fokon’i Zebolona; 11  Gady zanak’i Sosy no avy amin’ny fokon’i Josefa,+ izany hoe avy amin’ny fokon’i Manase;+ 12  Amiela zanak’i Gemaly no avy amin’ny fokon’i Dana; 13  Setora zanak’i Mikaela no avy amin’ny fokon’i Asera; 14  Naby zanak’i Vofsy no avy amin’ny fokon’i Naftaly; 15  Geoela zanak’i Maky no avy amin’ny fokon’i Gada. 16  Ireo no anaran’ny lehilahy nirahin’i Mosesy hijery taratra an’ilay tany. Ary nantsoin’i Mosesy hoe Josoa+ i Hosea zanak’i Nona. 17  Rehefa nalefan’i Mosesy hijery taratra ny tany Kanana izy ireo, dia nilazany hoe: “Miakara ho any Negeba,+ ary miakara ho any amin’ny faritra be tendrombohitra.+ 18  Jereo ny toetoetran’ilay tany,+ ary koa ny olona monina eo, raha matanjaka izy na osa, raha vitsy na maro. 19  Jereo koa ny tany onenany, na tsara na ratsy, sy ny tanàna onenany, na anaty toby na anaty manda, 20  ary koa ny toetry ny tany, na lonaka na tsia,+ na misy hazo na tsia. Koa aoka ianareo ho be herim-po,+ ary makà amin’ny vokatry ny tany.” Fotoana fahamasahan’ny voaloboka tamin’izay, dia ny voaloboka vokatra voalohany.+ 21  Koa niakatra izy ireo ka nijery taratra an’ilay tany, hatrany amin’ny tany efitr’i Zina+ ka hatrany Rehoba,+ eo amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata.+ 22  Rehefa niakatra nankany Negeba+ izy ireo, dia tonga tao Hebrona.+ Nonina tao ry Ahimana sy Sesay ary Talmay,+ izay samy terak’i Anàka.+ Fito taona talohan’i Zoana+ any Ejipta no efa voaorina i Hebrona.+ 23  Rehefa tonga teo amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Eskola+ izy ireo, dia nanapaka tahom-boaloboka nisy sampahony iray.+ Roa lahy izy ireo no nilanja izany tamin’ny bao filanjana. Nitondra ampongabendanitra+ sy aviavy koa izy ireo. 24  Koa nantsoin’izy ireo hoe lohasaha falehan-driakan’i Eskola+ io toerana io, noho ilay sampahom-boaloboka notapahin’ny zanak’Israely teo. 25  Dia niverina izy ireo, efapolo andro+ tatỳ aoriana, rehefa avy nijery taratra an’ilay tany. 26  Koa nandeha izy ireo ka tonga tany an-tany efitr’i Parana any Kadesy,+ teo amin’i Mosesy sy Arona ary ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely. Ary tonga nanao tatitra tamin’izy mirahalahy sy ny vahoaka manontolo ireo mpitsikilo, sady nampiseho azy ny vokatry ny tany. 27  Hoy koa izy ireo tamin’i Mosesy: “Nankao amin’ilay tany nanirahanao anay izahay, ary tena tondra-dronono sy tantely+ tokoa ilay izy, ary itony no vokatra+ avy tany. 28  Matanjaka anefa ny mponina ao amin’ilay tany, sady tena lehibe ireo tanàna voaro mafy,+ ary hitanay tao koa ireo terak’i Anàka.+ 29  Monina any Negeba+ ny Amalekita,+ ary any amin’ny faritra be tendrombohitra ny Hetita sy ny Jebosita+ ary ny Amorita,+ fa ny Kananita+ kosa any amoron’ny ranomasina sy eny amoron’i Jordana.” 30  Ary niezaka nampangina ny vahoaka i Kaleba,+ mba hihainoan’izy ireo an’i Mosesy, ka hoy izy: “Andao isika hiakatra avy hatrany, fa tsy maintsy ho azontsika io tany io, satria haharesy azy tokoa isika.”+ 31  Hoy anefa ireo lehilahy niaraka taminy: “Tsy afaka miakatra hiady amin’io firenena io isika, fa mahery noho isika izy.”+ 32  Ary ratsy ny zavatra nolazain’izy ireo+ tamin’ny zanak’Israely momba ilay tany, tamin’ny nilazany hoe: “Ilay tany izay notetezinay sy nojerenay taratra, dia mahalany ripaka ny mponina ao aminy, ary goavam-be ny olona rehetra hitanay tao.+ 33  Hitanay tao ny Nefilima, dia ireo taranak’i Anàka,+ izay avy amin’ny Nefilima, hany ka toy ny valala ny fahitanay ny tenanay, ary toy izany koa ny fahitany anay.”+

Fanamarihana