Nomery 14:1-45
14 Dia nitaraina mafy ny vahoaka manontolo. Nigogogogo nitomany ny olona, nandritra an’iny alina iny.+
2 Ary nimenomenona tamin’i Mosesy sy Arona ny Israelita rehetra.+ Dia nanohitra azy roa lahy ny vahoaka manontolo, hoe: “Naleonay maty tany Ejipta na tatỳ an-tany efitra!
3 Fa maninona isika no entin’i Jehovah ho any amin’izany tany izany, dia ho fatin’ny sabatra any?+ Ho lasa babo any ny vadintsika sy ny zanatsika.+ Tsy aleontsika ve miverina any Ejipta e?”+
4 Nifampiresaka mihitsy aza izy ireo hoe: “Andao isika hanendry mpitarika, dia hiverina any Ejipta!”+
5 Ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny fiangonan’Israely manontolo i Mosesy sy Arona.
6 Nandrovitra ny akanjony kosa i Josoa+ zanak’i Nona, sy Kaleba+ zanak’i Jefone, izay anisan’ireo nitsikilo an’ilay tany.
7 Dia hoy izy roa lahy tamin’ny vahoakan’Israely manontolo: “Tena tsara be ilay tany notetezinay sy notsikilovinay.+
8 Raha ankasitrahan’i Jehovah isika, dia tena hoentiny hiditra ao amin’io tany io, ka homeny antsika io tany tondra-dronono sy tantely io.+
9 Aza mikomy amin’i Jehovah anefa ianareo, ary aza atahorana ny olona ao amin’io tany io,+ fa tsy ampy hohanintsika* ireo. Efa tsy misy miaro an-dry zareo intsony, dia i Jehovah koa manampy antsika,+ fa aza matahotra an-dry zareo.”
10 Nifampiresaka anefa ny vahoaka manontolo hoe hitora-bato azy roa lahy,+ saingy niseho tampoka teo ambonin’ny tranolay fihaonana, teo imason’ny vahoakan’Israely manontolo, ny voninahitr’i Jehovah.+
11 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mandra-pahoviana ity vahoaka ity no tsy hanaja ahy+ sy tsy hino ahy, na dia teo aza ny famantarana rehetra nataoko teo aminy?+
12 Avelao hasiako amin’ny areti-mandringana ry zareo dia haripako, dia aleo ianao hataoko firenena lehibe sy matanjaka noho ireo.”+
13 Hoy anefa i Mosesy tamin’i Jehovah: “Dia ho henon’ny Ejipsianina izany, nefa ianao efa nampiasa ny herinao dia namoaka an’ity vahoaka ity avy teo amin-dry zareo.+
14 Dia horesahin-dry zareo amin’ny mponin’io tany io izany. Efa henon-dry zareo koa fa eto amin’ity vahoaka ity ianao,+ Jehovah ô, sady miseho aminy sy miresaka aminy mivantana.+ Ianao no Jehovah, ary asianao rahona eo ambonin’ny vahoakanao. Mandeha eo alohany ao anatin’ny andry rahona koa ianao rehefa antoandro, ary ao anatin’ny andry afo rehefa alina.+
15 Koa raha indray aripakao* ity vahoaka ity, dia izao no holazain’ireo firenena efa naheno ny lazanao ireo:
16 ‘Tsy vitan’i Jehovah ny nitondra an’io vahoaka io nankany amin’ilay tany efa nianianany hoe homena azy, dia novonoiny tany an-tany efitra ry zareo.’+
17 Jehovah ô, mba asehoy re fa lehibe ny herinao e! Ianao mantsy efa nampanantena hoe:
18 ‘Tsy mora tezitra i Jehovah sady tena be fitiavana sy tsy mivadika,*+ ary mamela fahadisoana sy heloka, kanefa sanatria azy ny tsy hanasazy an’izay meloka, fa hosaziny noho ny fahadisoan’ny rainy ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.’+
19 Asehoy re fa tena be fitiavana sy tsy mivadika ianao e, ka avelao ny helok’ity vahoaka ity, toy ny namelanao ny helony nanomboka tany Ejipta ka hatramin’izao.”+
20 Dia hoy i Jehovah: “Avelako àry ny helony, araka ny teninao.+
21 Raha mbola velona koa anefa aho, dia ho feno ny voninahitr’i Jehovah ny tany manontolo.+
22 Saingy izao: Efa nahita ny voninahitro sy ny famantarana+ nataoko tany Ejipta sy tatỳ an-tany efitra ireo lehilahy ireo. Mbola mitsapa toetra ahy ihany+ anefa ry zareo efa impolo izay, sady tsy nihaino ny teniko,+ ka na ny iray amin’ireo aza
23 tsy hahita an’ilay tany nianianako tamin’ny razambeny. Tsy hisy hahita an’ilay izy mihitsy izay rehetra tsy manaja ahy.+
24 Fa i Kaleba mpanompoko+ kosa hampidiriko ao amin’ilay tany nalehany, dia ny taranany no haka an’ilay izy ho fananany.+ Hafa mihitsy mantsy ny toe-tsainy, sady nanaraka ahy tamin’ny fony manontolo izy.
25 Koa miverena mankany an-tany efitra rahampitso, dia mandehana any amin’ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena.+ Mipetraka eny amin’ny lohasaha* mantsy ny Amalekita sy ny Kananita.”+
26 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona:
27 “Mandra-pahoviana ity vahoaka ratsy fanahy ity no himenomenona foana amiko hoatr’izao?+ Efa henoko hoe inona no imenomenonan’ny Israelita amiko.+
28 Koa teneno ry zareo hoe: ‘“Raha mbola velona koa aho”, hoy i Jehovah, “dia hataoko aminareo izay henoko nolazainareo!+
29 Atỳ amin’ity tany efitra ity ny fatinareo no hiampatrampatra’,+ dia ianareo rehetra voasoratra anarana, izay 20 taona no ho miakatra, ka nimenomenona tamiko.+
30 Tsy hisy aminareo na iray aza hiditra ao amin’ilay tany nianianako* hoe hipetrahanareo,+ afa-tsy i Kaleba zanak’i Jefone, sy Josoa zanak’i Nona.+
31 “‘“Hampidiriko ao koa ny zanakareo izay nolazainareo hoe ho lasa babo,+ dia ry zareo no hipetraka ao amin’ilay tany tsy tianareo.+
32 Ny fatinareo kosa hiampatrampatra atỳ amin’ity tany efitra ity.
33 Dia ho lasa mpiandry ondry atỳ an-tany efitra mandritra ny 40 taona ny zanakareo,+ ka ry zareo no hizaka ny vokatry ny nivadihanareo tamiko,* mandra-pahafatinareo rehetra atỳ an-tany efitra.+
34 Satria 40 andro+ ianareo no nitsikilo an’ilay tany, dia 40 taona+ ianareo no hizaka ny vokatry ny fahadisoanareo. Ny andro iray mantsy hosoloana taona iray. Dia ho fantatrareo hoe inona ny vokany rehefa manohitra ahy* ianareo.
35 “‘“Izaho Jehovah no efa niteny. Izao no hataoko amin’io vahoaka ratsy fanahy mitambatra hanohitra ahy io: Atỳ amin’ity tany efitra ity izy ireo no ho ripaka tanteraka, ary atỳ izy ireo no ho faty.+
36 Ary ireo lehilahy nirahin’i Mosesy hitsikilo an’ilay tany ireo, nefa nanao tatitra ratsy momba an’ilay tany+ rehefa tafaverina, ka nahatonga ny vahoaka manontolo himenomenona tamin’i Mosesy,
37 eny, ireo lehilahy nanao tatitra ratsy ireo no hosazina ka ho faty eo anatrehan’i Jehovah.+
38 Amin’ireo lehilahy nitsikilo an’ilay tany kosa, dia i Josoa zanak’i Nona sy Kaleba zanak’i Jefone no mbola ho velona.”’”+
39 Dia nalahelo be ny Israelita rehetra rehefa nilazan’i Mosesy an’izany teny izany.
40 Nifoha maraina koa izy ireo ny ampitson’iny, ka nitady hiakatra teny an-tampon-tendrombohitra, sady niteny hoe: “Efa nanota izahay. Koa ireto izahay vonona hiakatra any amin’ilay toerana nolazain’i Jehovah.”+
41 Hoy anefa i Mosesy: “Fa maninona ianareo no mandika ny didin’i Jehovah? Tsy hahomby izany ataonareo izany!
42 Aza miakatra any fa tsy hanampy anareo i Jehovah. Ho resin’ny fahavalonareo any ianareo.+
43 Fa ho avy hiady aminareo ny Amalekita sy ny Kananita,+ ka ho fatin’ny sabatra ianareo. Tsy nankatò an’i Jehovah intsony mantsy ianareo, ka tsy hanampy anareo i Jehovah.”+
44 Mbola sahisahy ratsy ihany anefa izy ireo ka niakatra teny an-tampon-tendrombohitra.+ Tsy niala teo an-toby kosa i Mosesy sy ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah.+
45 Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita nipetraka teo amin’ilay tendrombohitra, ka namely sy nanaparitaka azy ireo hatrany Horma.+