Nomery 16:1-50

16  Ary nitsangana i Kora,+ zanak’i Jizara,+ zanak’i Kehata,+ zanak’i Levy,+ mbamin’i Datana+ sy Abirama,+ zanak’i Eliaba,+ ary Ona zanak’i Peleta, izay samy taranak’i Robena.+  Nitsangana teo anatrehan’i Mosesy izy ireo, mbamin’ny dimampolo sy roanjato lahy teo amin’ny zanak’Israely. Samy mpiadidy vahoaka ireo lehilahy ireo, sady nantsoina foana rehefa nisy fivoriana, ary lehilahy nanan-daza.  Dia niangona hanohitra+ an’i Mosesy sy Arona izy ireo, ka nilaza hoe: “Efa tofoka aminareo izahay, fa masina+ avokoa ny vahoaka manontolo, ary i Jehovah no eo aminy.+ Koa nahoana ianareo no manandra-tena ho ambony noho ny fiangonan’i Jehovah?”+  Dia niankohoka i Mosesy raha vao nandre izany.  Ary hoy izy tamin’i Kora sy ny olony rehetra: “Rahampitso maraina i Jehovah no hampahafantatra hoe iza no azy,+ sy iza no masina,+ ary iza no tokony hanatona azy,+ ka izay hofidiny+ no hanatona azy.  Koa izao no ataovy, ry Kora sy ianareo olony rehetra:+ Makà fitondrana afo,+  ka asio afo ao anatiny, ary asio emboka manitra eo amboniny. Rahampitso no hanaovanareo izany eo anatrehan’i Jehovah. Ary izay olona hofidin’i Jehovah+ no masina. Efa tofoka aminareo izahay, ry taranak’i Levy!”+  Hoy koa i Mosesy tamin’i Kora: “Henoy kely izao, ry taranak’i Levy:  Tsy ampy anareo angaha ny nanavahan’Andriamanitry ny Israely anareo tamin’ny vahoakan’Israely? Efa navahany+ mantsy ianareo mba haseho eo anatrehany, hanaovanareo ny fanompoana momba ny tranolain’i Jehovah, sy hijoroanareo eo anatrehan’ny vahoaka mba hanompo azy.+ 10  Ary tsy ampy anao angaha ny nampanatonany anao sy ny rahalahinao rehetra anisan’ny taranak’i Levy? Dia mbola te hanao ny asa fisoronana koa ve ianareo?+ 11  Koa mivondrona hanohitra an’i Jehovah+ ianao sy ny olonao rehetra. Fa i Arona moa no inona no imenomenonanareo?”+ 12  Ary nampiantsoin’i Mosesy i Datana sy Abirama+ zanak’i Eliaba, nefa hoy izy roa lahy: “Tsy hiakatra any izahay!+ 13  Fa tsy ampy anao angaha ny nitondranao anay niala tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay atỳ an-tany efitra,+ no mbola mitady hanjakazaka aminay toy ny andriana koa ianao?+ 14  Ary tsy nampiditra anay tany amin’izay tany tondra-dronono sy tantely+ akory ianao, sady tsy nanome anay saha sy tanimboaloboka ho lovanay. Fa ny mason’ireo olona ireo mihitsy ve no tianao hopotsirina e? Tsy hiakatra any izahay!” 15  Dia tezitra be i Mosesy, ka hoy izy tamin’i Jehovah: “Aza mitodika hijery ny fanatitra varimbazaha atolony.+ Na ampondra iray aza tsy nalaiko taminy, ary tsy nisy nasiako ratsy izy ireo.”+ 16  Ary hoy i Mosesy tamin’i Kora:+ “Misehoa eo anatrehan’i Jehovah+ ianao sy ny olonao rehetra rahampitso, dia ianao sy ry zareo ary Arona. 17  Samia maka ny fitondrana afony, ka asio emboka manitra eo amboniny, ary samia mitondra ny fitondrana afony ho eo anatrehan’i Jehovah, dia fitondrana afo dimampolo sy roanjato. Samia mitondra fitondrana afo koa ianao sy Arona.” 18  Koa samy naka ny fitondrana afony izy ireo, dia nanisy afo sy emboka manitra teo amboniny, ka nijoro teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, niaraka tamin’i Mosesy sy Arona. 19  Ary novorin’i Kora teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ny vahoaka manontolo+ mba hanohitra azy roa lahy. Dia niseho tamin’ny vahoaka manontolo ny voninahitr’i Jehovah.+ 20  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: 21  “Misaraha+ amin’io vahoaka io ianareo, fa handringana+ azy indray mipy maso monja aho.” 22  Dia niankohoka izy roa lahy ka nilaza hoe: “Andriamanitra ô, Andriamanitra manome aina ny karaza-nofo rehetra ianao.+ Olona iray monja ve no nanota dia tezitra amin’ny vahoaka manontolo ianao?”+ 23  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 24  “Lazao amin’ny vahoaka hoe: ‘Mialà eny akaikin’ny tranolain’i Kora sy Datana ary Abirama!’”+ 25  Taorian’izay dia nitsangana i Mosesy ka nankany amin’i Datana sy Abirama, ary niaraka tamin’i Mosesy ny anti-panahin’ny+ Israely. 26  Ary hoy izy tamin’ny vahoaka: “Miangavy anareo aho mba hiala eo anoloan’ny tranolain’ireo olona ratsy fanahy ireo, ary aza mikasika an’izay rehetra azy,+ sao ho ringana noho ny fahotany ianareo.” 27  Dia niala avy hatrany teny akaikin’ny tranolain’i Kora sy Datana ary Abirama ny olona. Ary nivoaka i Datana sy Abirama, ka nijoro teo amin’ny fidirana amin’ny tranolainy,+ niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany mbamin’ny zanany madinika. 28  Dia hoy i Mosesy: “Izao no hahafantaranareo fa i Jehovah no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra ireny,+ fa tsy avy amin’ny nahim-poko fotsiny:+ 29  Raha toy ny fahafatesan’ny olon-drehetra no hahafatesan’ireo olona ireo, ary raha sazy toy ny sazy mpahazo ny olon-drehetra no hahazo azy ireo,+ dia tsy i Jehovah no naniraka ahy.+ 30  Fa raha zavatra miavaka kosa no hataon’i Jehovah,+ ka hisokatra ny tany ary hitelina an’ireo+ sy izay rehetra azy, ka hidina velona any amin’ny Fasana*+ izy ireo, dia ho fantatrareo tokoa fa naniratsira an’i Jehovah ireo lehilahy ireo.”+ 31  Raha vao tapitra izany teniny izany, dia nitresaka ny tany teo ambanin’izy ireo.+ 32  Dia nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo sy ny ankohonany ary ny olon’i Kora rehetra, mbamin’ny fananany rehetra.+ 33  Koa nidina velona tany amin’ny Fasana* izy ireo, mbamin’izay rehetra azy, ary nanarona azy ireo ny tany+ ka ringana tsy ho eo amin’ny fiangonana izy ireo.+ 34  Ary ny Israelita rehetra izay nanodidina azy ireo dia nandositra rehefa nandre ny kiakiakany, fa hoy izy ireo: “Matahotra izahay sao hitelina anay ny tany!”+ 35  Ary nisy afo avy tamin’i Jehovah+ nandevona an’ireo dimampolo sy roanjato lahy, izay nanatitra emboka manitra.+ 36  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 37  “Ilazao i Eleazara zanak’i Arona mpisorona mba haka ireo fitondrana afo+ avy ao anaty afo, ka lazao aminy hoe: ‘Aparitaho ny vainafo, fa masina ireny fitondrana afo ireny, 38  dia ny fitondrana afon’ireo maty noho ny fahotany.+ Aoka hamboarina ho takelaka metaly manify ireny mba hapetaka eo amin’ny alitara,+ satria natolony teo anatrehan’i Jehovah ireny ka masina. Ary ho famantarana ho an’ny zanak’Israely ireny.’”+ 39  Koa nalain’i Eleazara mpisorona ireo fitondrana afo+ varahina nentin’ireo efa kilan’ny afo. Dia novelezina ho manify ireny mba hapetaka teo amin’ny alitara, 40  ho fahatsiarovana ho an’ny zanak’Israely, mba tsy hisy olon-kafa+ ankoatra ny taranak’i Arona handoro emboka manitra eo anatrehan’i Jehovah,+ ary mba tsy hisy olona ho lasa tahaka an’i Kora sy ny olony.+ Araka izay nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy no nataon’i Eleazara. 41  Ny ampitson’iny ihany, dia nimenomenona tamin’i Mosesy sy Arona ny vahoaka manontolo,+ dia ny zanak’Israely, ka nanao hoe: “Ianareo ireo no nahafaty ny vahoakan’i Jehovah.” 42  Koa niangona hanohitra an’i Mosesy sy Arona ny vahoaka. Dia nitodika tany amin’ny tranolay fihaonana izy ireo, ka hitany fa nanarona azy io ny rahona, ary niseho ny voninahitr’i Jehovah.+ 43  Ary nankeo anoloan’ny tranolay fihaonana i Mosesy sy Arona.+ 44  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 45  “Mitsangàna ianareo ka mialà amin’io vahoaka io, fa handringana azy indray mipy maso monja aho.”+ Dia niankohoka izy roa lahy.+ 46  Ary hoy i Mosesy tamin’i Arona: “Alaivo ny fitondrana afo ka asio afo alaina avy eo amin’ny alitara+ ary asio emboka manitra, ka mandehana haingana eny amin’ny vahoaka mba handrakotra ny fahotan’izy ireo,+ fa tezitra be i Jehovah.+ Efa nanomboka mantsy ny loza!” 47  Dia naka izany avy hatrany i Arona, araka ny tenin’i Mosesy, ka nihazakazaka nankeny amin’ny fiangonana. Ary efa nanomboka namely ny vahoaka ny loza. Koa nasiany emboka manitra teo amin’ny fitondrana afo. Dia nandrakotra ny fahotan’ny vahoaka izy. 48  Ary nijoro teo anelanelan’ny maty sy ny velona izy.+ Dia nitsahatra ihany ny loza nony farany.+ 49  Nahatratra fitonjato sy efatra arivo sy iray alina ny matin’ny loza, ankoatra an’izay maty noho ny amin’i Kora. 50  Ary efa nitsahatra ny loza rehefa niverina teo amin’i Mosesy teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana i Arona.

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.