Nomery 17:1-13

  • Nitsimoka ny tehin’i Arona (1-13)

17  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 2  “Teneno ny Israelita mba hanome tehina iray isaky ny fianakaviambe, avy amin’ny mpiadidy ny fianakaviambe tsirairay,+ ka tehina 12 izy rehetra. Dia soraty eo amin’ny tehiny avy ny anaran’ny tsirairay. 3  Tokony hosoratanao eo amin’ny tehin’i Levy ny anaran’i Arona, satria tehina iray ihany isaky ny lohan’ny fianakaviambe. 4  Apetraho ao amin’ny tranolay fihaonana ireo tehina ireo, ka ataovy eo anoloan’ny Vata Misy ny Tenin’ny Vavolombelona,+ eo amin’ilay isehoako aminao foana.+ 5  Ary hitsimoka ny tehin’izay lehilahy hofidiko,+ ka hatsahatro ny fimenomenonan’ny Israelita,+ izay mimenomenona amiko sy aminareo koa.”+ 6  Dia niteny tamin’ny Israelita i Mosesy, ka samy nanome azy tehina iray avy isaky ny fianakaviambe ny mpiadidy rehetra, dia tehina 12. Teo koa ny tehin’i Arona. 7  Dia napetrak’i Mosesy teo anatrehan’i Jehovah, tao amin’ny tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona, ireo tehina ireo. 8  Rehefa nankao amin’ny tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona i Mosesy ny ampitson’iny, dia io fa efa nitsimoka ny tehin’i Arona, ilay an’ny taranak’i Levy. Nitsimoka ilay izy ka nisy felany sy voan’amandy efa masaka. 9  Ary navoakan’i Mosesy avy teo anatrehan’i Jehovah daholo ireo tehina ireo, ka nentiny teo amin’ny vahoakan’Israely manontolo. Dia nijery an’ireo tehina ny olona, ka samy naka ny tehiny ny lehilahy tsirairay. 10  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Avereno eo anoloan’ny Vata Misy ny Tenin’ny Vavolombelona ny tehin’i Arona,+ fa hotehirizina eo izy io ho fampitandremana+ ho an’izay zatra mikomy,+ mba tsy himenomenona amiko intsony izy ireo, ka tsy ho faty.” 11  Tonga dia nataon’i Mosesy izany, araka ny didy nomen’i Jehovah azy. Izany mihitsy no nataony. 12  Ary hoy ny Israelita tamin’i Mosesy: “Ho faty izao izahay! Tena ho ringana mihitsy izahay! Ho ringana daholo! 13  Fa ho faty izay manakaikikaiky ny tranolain’i Jehovah!+ Dia izahay ve izany dia ho faty daholo?”+

Fanamarihana