Nomery 18:1-32

18  Ary hoy i Jehovah tamin’i Arona: “Ianao sy ny zanakao lahy ary ny fianakaviambe avy amin’ny rainao no hampamoahina noho izay fahadisoana atao amin’ny toerana masina,+ ary ianao sy ny zanakao lahy no hampamoahina noho izay fahadisoana atao amin’ny asa fisoronanareo.+  Asaivo miaraka aminao ireo rahalahinao avy amin’ny fokon’i Levy, izany hoe ny fokon’ny rainao, mba hiara-miasa aminao sy hanampy anao+ mbamin’ny zanakao lahy, eo anoloan’ny tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona.+  Ary hanao ny adidiny aminao sy ny andraikiny amin’ny tranolay manontolo izy ireo.+ Ny fitaovan’ny toerana masina sy ny alitara ihany no tsy azony hatonina, mba tsy ho faty+ ianareo sy izy ireo.  Ary hiaraka aminao izy ireo ka hanao ny andraikiny amin’ny tranolay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra ao amin’ny tranolay. Tsy misy olon-kafa mahazo manakaiky anareo.+  Ary ataovy ny andraikitrareo amin’ny toerana masina+ sy ny alitara,+ mba tsy hisy fahatezerana+ hihatra amin’ny zanak’Israely intsony.  Efa nalaiko avy teo amin’ny zanak’Israely ny Levita rahalahinareo,+ ho fanomezana ho anareo,+ ka homena an’i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny tranolay fihaonana.+  Koa aoka ianao sy ny zanakao lahy hanao tsara ny asa fisoronana, izany hoe ny zava-drehetra momba ny alitara sy izay ao ambadiky ny ridao.+ Ary hanao ny fanompoana ianareo.+ Hataoko fanomezana ho anareo ny fanompoana, dia ny asa fisoronana, ary hovonoina ho faty izay olon-kafa manatona eo.”+  Hoy koa i Jehovah tamin’i Arona: “Efa nankiniko taminao ireo fanomezana omena ahy.+ Omeko ho anjaranao sy ny zanakao lahy ny zava-masina rehetra avy amin’ny zanak’Israely. Ho anjaranareo izany mandritra ny fotoana tsy voafetra.+  Ho anao ny ampahany amin’ny zavatra masina indrindra nalaina avy amin’ireo fanatitra natao anaty afo. Zavatra masina indrindra ho anao sy ho an’ny zanakao lahy ny fanatitra rehetra hatolony ho ahy, anisan’izany ny fanatitra varimbazaha+ sy ny fanatitra noho ny ota+ ary ny fanatitra noho ny heloka.+ 10  Ao amin’ny toerana tena masina ianao no hihinana izany,+ ka ny lahy rehetra no hihinana azy.+ Ho zava-masina ho anao izany.+ 11  Ary ho anao ny fanomezana+ omen’ny zanak’Israely, sy izay rehetra ataony fanatitra ahetsiketsika.+ Efa nomeko anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy izany,+ ho anjaranareo mandritra ny fotoana tsy voafetra. Mahazo mihinana izany izay rehetra madio ao amin’ny ankohonanao.+ 12  “Efa nomeko anao izay tsara indrindra amin’ny menaka sy ny divay vaovao ary ny varimbazaha, dia ny voaloham-bokatra+ homeny an’i Jehovah.+ 13  Ho anao ny voaloham-bokatra rehetra eo amin’ny taniny, izay hoentiny ho an’i Jehovah.+ Mahazo mihinana izany izay rehetra madio ao amin’ny ankohonanao. 14  “Ho anao izay zavatra voatokana rehetra eo amin’ny Israely.+ 15  “Ho anao koa ny voalohan-teraka rehetra+ amin’ny karaza-nofo rehetra, izay hatolony ho an’i Jehovah, na olona izany na biby. Tsy maintsy havotanao anefa ny voalohan-teraky ny olona,+ ary havotanao koa ny voalohan-teraky ny biby maloto.+ 16  Izay iray volana no ho miakatra no havotanao araka ny vidiny anombanana azy, dia sekely volafotsy dimy, araka ny sekelin’ny toerana masina.+ Gera roapolo ny sekely iray.+ 17  Ny lahy voalohan-teraky ny omby na ondry na osy ihany no tsy havotanao fa masina.+ Hafafinao eo ambony alitara ny rany,+ ary hodoranao mba hidona-tsetroka ny taviny, ho fanatitra atao anaty afo, ho hanitra mampitony an’i Jehovah.+ 18  Ho anao ny nofon’ireny, toy ny tratrany izay atao fanatitra ahetsiketsika sy ny feny ankavanana.+ 19  Ny fanomezana masina rehetra+ homen’ny zanak’Israely an’i Jehovah, dia efa nomeko anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy, ho anjaranareo mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Fifanekena maharitra* ataon’i Jehovah aminao sy ny taranakao izany, mandritra ny fotoana tsy voafetra.”+ 20  Hoy koa i Jehovah tamin’i Arona: “Tsy hanana lova ao amin’ny tanin’izy ireo ianao, ary tsy hisy anjaranao eo aminy.+ Fa izaho no anjaranao sy lovanao eo amin’ny zanak’Israely.+ 21  “Ary ny ampahafolon-karena+ rehetra eo amin’ny Israely dia efa nomeko ho lovan’ny taranak’i Levy, ho tambin’ny fanompoana ataony momba ny tranolay fihaonana. 22  Tsy tokony hanakaiky ny tranolay fihaonana intsony ny zanak’Israely sao hanota ka ho faty.+ 23  Ary hanao ny fanompoana momba ny tranolay fihaonana ny Levita. Izy ireo no hampamoahina noho ny fahadisoan’ny vahoaka.+ Izao no lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra hatramin’ny taranakareo fara mandimby: Tsy hahazo lova eo amin’ny zanak’Israely ny Levita.+ 24  Fa efa nomeko ho lovan’ny Levita ny ampahafolon-karena homen’ny zanak’Israely ho fanomezana ho an’i Jehovah. Izany no nilazako taminy hoe: ‘Tsy hahazo lova eo amin’ny zanak’Israely izy ireo.’”+ 25  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 26  “Mitenena amin’ny Levita, ka lazao aminy hoe: ‘Hahazo ny ampahafolon-karena avy amin’ny zanak’Israely ianareo, ary efa nomeko anareo ho lovanareo izany.+ Ary ataovy fanomezana ho an’i Jehovah ny ampahafolony amin’ilay ampahafolon-karena.+ 27  Atao ho isan’ny fanomezanareo izany, toy ny voa avy eny am-pamoloana,+ mbamin’ny divay na menaka be dia be avy amin’ny famiazana. 28  Amin’izay ianareo dia manao fanomezana ho an’i Jehovah koa, avy amin’ny ampahafolon-karena rehetra ho azonareo avy amin’ny zanak’Israely. Avy amin’ireny kosa no hakanareo ny fanomezana ho an’i Jehovah, ka homenareo an’i Arona mpisorona. 29  Avy amin’ny fanomezana rehetra omena anareo no hakanareo ny tsara indrindra,+ ka hanomezanareo ny karazam-panomezana rehetra ho an’i Jehovah, ho zava-masina.’ 30  “Ary lazao amin’ny Levita hoe: ‘Rehefa manome ny tsara indrindra amin’ireny+ ianareo, dia ho anareo Levita ny ambiny, toy ny vokatra avy eny am-pamoloana, sy ny divay na menaka avy amin’ny famiazana. 31  Hihinana an’ireny amin’ny toerana rehetra ianareo sy ny ankohonanareo, satria ireny no karamanareo ho tambin’ny fanompoanareo ao amin’ny tranolay fihaonana.+ 32  Tsy hiteraka ota ho anareo izany, rehefa ny tsara indrindra amin’ireny no homenareo. Ary aza manazimbazimba ny zava-masin’ny zanak’Israely, sao ho faty ianareo.’”+

Fanamarihana

A.b.t.: “fifaneken-tsira.”