Nomery 2:1-34

2  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona:  “Rehefa mitoby ny zanak’Israely, dia hitoby ao amin’ny fizarana* misy azy avy ny tsirairay,+ araka ireo famantarana ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy. Hitoby manodidina ny tranolay fihaonana izy ireo, sady hanatrika azy io.  “Ny hitoby eo atsinanana manandrify ny fiposahan’ny masoandro, dia ny fizarana misy ny tobin’i Joda, araka ny tafiny avy. I Nasona+ zanak’i Aminadaba no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Joda.  Eninjato sy efatra arivo sy fito alina ireo lehilahy ao amin’ny tafik’i Nasona, izany hoe ireo voasoratra anarana.+  Ny fokon’i Isakara+ no hitoby eo anilany, ka i Netanela+ zanak’i Zoara no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Isakara.  Efajato sy efatra arivo sy dimy alina ireo lehilahy ao amin’ny tafik’i Netanela, izany hoe ireo voasoratra anarana.+  Eo amin’ny ilany iray kosa ny fokon’i Zebolona, ka i Eliaba+ zanak’i Helona no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Zebolona.  Efajato sy fito arivo sy dimy alina ireo lehilahy ao amin’ny tafik’i Eliaba, izany hoe ireo voasoratra anarana.+  “Ny voasoratra anarana rehetra ao amin’ny tobin’i Joda dia efajato sy enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny tafiny avy. Izy ireo no hiainga voalohany.+ 10  “Ary ny fizarana misy ny tobin’i Robena+ dia ho eo atsimo, araka ny tafiny avy. I Elizora+ zanak’i Sedeora no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Robena. 11  Dimanjato sy enina arivo sy efatra alina ireo lehilahy ao amin’ny tafik’i Elizora, izany hoe ireo voasoratra anarana.+ 12  Ny fokon’i Simeona no hitoby eo anilany, ka i Selomiela+ zanak’i Zorisaday no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Simeona. 13  Telonjato sy sivy arivo sy dimy alina ireo lehilahy ao amin’ny tafik’i Selomiela, izany hoe ireo voasoratra anarana.+ 14  Eo amin’ny ilany iray kosa ny fokon’i Gada, ka i Eliasafa+ zanak’i Regoela no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Gada. 15  Dimampolo sy eninjato sy dimy arivo sy efatra alina ireo lehilahy ao amin’ny tafik’i Eliasafa, izany hoe ireo voasoratra anarana.+ 16  “Ny voasoratra anarana rehetra ao amin’ny tobin’i Robena dia dimampolo sy efajato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny tafiny avy. Izy ireo no hiainga faharoa.+ 17  “Rehefa hifindra ny tranolay fihaonana,+ dia ho eo afovoan’ireo toby no hisy ny tobin’ny Levita.+ “Araka izay hitobian’ireo foko ihany no hiaingany,+ samy amin’ny filaharany avy, araka ny fizarana misy azy. 18  “Ny fizarana misy ny tobin’i Efraima,+ araka ny tafiny avy, dia ho eo andrefana. I Elisama+ zanak’i Amihoda no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Efraima. 19  Dimanjato sy efatra alina ireo lehilahy ao amin’ny tafik’i Elisama, izany hoe ireo voasoratra anarana.+ 20  Ny fokon’i Manase+ no ho eo anilany, ka i Gamaliela+ zanak’i Pedazora no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Manase. 21  Roanjato sy roa arivo sy telo alina ireo lehilahy ao amin’ny tafik’i Gamaliela, izany hoe ireo voasoratra anarana.+ 22  Eo amin’ny ilany iray kosa ny fokon’i Benjamina,+ ka i Abidana+ zanak’i Gideony no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Benjamina. 23  Efajato sy dimy arivo sy telo alina ireo lehilahy ao amin’ny tafik’i Abidana, izany hoe ireo voasoratra anarana.+ 24  “Ny voasoratra anarana rehetra ao amin’ny tobin’i Efraima dia zato sy valo arivo sy iray hetsy, araka ny tafiny avy. Izy ireo no hiainga fahatelo.+ 25  “Ny fizarana misy ny tobin’i Dana dia ho eo avaratra, araka ny tafiny avy. I Ahiezera+ zanak’i Amisaday no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Dana. 26  Fitonjato sy roa arivo sy enina alina ireo lehilahy ao amin’ny tafik’i Ahiezera, izany hoe ireo voasoratra anarana.+ 27  Ny fokon’i Asera no hitoby eo anilany, ka i Pagiela+ zanak’i Okrana no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Asera. 28  Dimanjato sy arivo sy efatra alina ireo lehilahy ao amin’ny tafik’i Pagiela, izany hoe ireo voasoratra anarana.+ 29  Eo amin’ny ilany iray kosa ny fokon’i Naftaly,+ ka i Ahira+ zanak’i Enana no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Naftaly. 30  Efajato sy telo arivo sy dimy alina ireo lehilahy ao amin’ny tafik’i Ahira, izany hoe ireo voasoratra anarana.+ 31  “Ny voasoratra anarana rehetra ao amin’ny tobin’i Dana dia eninjato sy fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Izy ireo no hiainga farany,+ araka ireo fizarana misy azy avy.” 32  Ireo no voasoratra anarana tamin’ny zanak’Israely, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy. Ny voasoratra anarana rehetra tao amin’ireo toby, araka ny tafiny avy, dia dimampolo sy dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy.+ 33  Ny Levita kosa anefa tsy mba nosoratana anarana+ niaraka tamin’ny zanak’Israely, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 34  Dia nanao araka izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy ny zanak’Israely.+ Toy izany no nitobian’izy ireo, araka ny fizarana nisy azy avy,+ ary toy izany koa no niaingany,+ niaraka tamin’ny fianakaviany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy.

Fanamarihana

Jereo No 1:52 f.a.p.