Nomery 22:1-41

22  Dia niainga ny zanak’Israely ka nitoby teny amin’ny lemaka karakaina any Moaba,+ eny ampitan’i Jordana sady tandrifin’i Jeriko.  Ary efa hitan’i Balaka+ zanak’i Zipora ny zava-drehetra nataon’ny Israely tamin’ny Amorita.  Dia nihorohoro mafy ny Moabita noho ny hamaroan’ny zanak’Israely, ka raiki-tahotra mafy izy ireo.+  Ary hoy ny Moabita tamin’ny anti-panahin’ny Midianina:+ “Haripak’io firenena io daholo ny manodidina antsika, tahaka ny firaokan’ny omby ny zava-maitso eny an-tsaha.” I Balaka+ zanak’i Zipora no mpanjakan’i Moaba tamin’izany fotoana izany.  Ary nandefa iraka izy hiantso an’i Balama+ zanak’i Beora, any Petora,+ izay eo amoron’ny Renirano+ ao amin’ny tanin’ny zanaky ny fireneny, hilaza hoe: “Misy vahoaka nivoaka avy tany Ejipta, ka mandrakotra ny tany hatrany amin’izay faran’ny taza-maso,+ ary mitoetra tandrifiko mihitsy izy ireo.  Koa mba tongava re ka ozòny+ io vahoaka io, fa mahery noho izaho izy e! Angamba ho afaka handresy azy aho ka handroaka azy tsy ho eto amin’ny taniko. Fantatro tsara mantsy fa izay tsofinao rano dia mahazo fitahiana, fa izay ozoninao kosa voaozona.”+  Koa nandeha ny anti-panahin’i Moaba sy ny anti-panahin’ny Midianina, sady nitondra ny saran’ny fanaovana sikidy.+ Dia nankany amin’i Balama+ izy ireo ka nilaza taminy ny tenin’i Balaka.  Dia hoy i Balama tamin’ireo: “Mijanòna eto anio alina, dia homeko valiny ianareo araka izay holazain’i Jehovah amiko.”+ Koa nijanona tao amin’i Balama ireo andrianan’i Moaba.  Ary nankeo amin’i Balama Andriamanitra, ka niteny hoe:+ “Iza ireo lehilahy ato aminao ireo?” 10  Dia hoy i Balama tamin’Andriamanitra: “Naniraka olona ho atỳ amiko i Balaka+ zanak’i Zipora, mpanjakan’i Moaba, hilaza hoe: 11  ‘Tonga eto amiko ilay vahoaka nivoaka avy tany Ejipta, ary mandrakotra ny tany hatrany amin’izay faran’ny taza-maso izy ireo.+ Koa tongava ka ozòny ireo.+ Angamba aho ho afaka hiady aminy ka handroaka azy.’” 12  Fa hoy Andriamanitra tamin’i Balama: “Aza mandeha miaraka amin’ireo. Ary aza manozona an’io vahoaka io,+ fa notahina izy.”+ 13  Ary nifoha maraina i Balama ka niteny tamin’ireo andrianan’i Balaka hoe: “Modia any amin’ny taninareo, fa tsy avelan’i Jehovah hiaraka aminareo aho.” 14  Dia niainga ireo andrianan’i Moaba ka tonga tany amin’i Balaka, ary nilaza hoe: “Tsy nety niaraka taminay i Balama.”+ 15  Naniraka andriana hafa indray anefa i Balaka, dia andriana maro kokoa sy manan-kaja kokoa noho ny teo aloha. 16  Koa tonga tany amin’i Balama ireo ka niteny hoe: “Izao no nolazain’i Balaka zanak’i Zipora: ‘Aoka mba tsy hisy hahasakana anao tsy ho tonga atỳ amiko. 17  Fa tena hanome anao voninahitra lehibe aho,+ ary hataoko daholo izay lazainao.+ Koa mba tongava re, ka ozòny io vahoaka io e!’” 18  Fa hoy ny navalin’i Balama ny mpanompon’i Balaka: “Na homen’i Balaka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy ho afaka handika ny baikon’i Jehovah Andriamanitro na amin-javatra kely na lehibe.+ 19  Raha sitrakareo anefa, dia mijanòna eto anio alina, mba hahafantarako izay mbola holazain’i Jehovah amiko.”+ 20  Ary nankeo amin’i Balama Andriamanitra nony alina, ka niteny hoe: “Raha hiantso anao no nahatongavan’ireo olona ireo, dia mandehana miaraka aminy, nefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no azonao lazaina.”+ 21  Dia nifoha maraina i Balama ka nanisy lasely ny ampondravaviny, ary nandeha niaraka tamin’ireo andrianan’i Moaba.+ 22  Dia nirehitra ny fahatezeran’Andriamanitra satria nandeha i Balama. Ary nijoro teo an-dalana ilay anjelin’i Jehovah mba hanohitra azy.+ Nitaingina ny ampondravaviny i Balama tamin’izay, ary nisy mpanompo roa niaraka taminy. 23  Ary hitan’ilay ampondra ilay anjelin’i Jehovah, izay nijoro teo an-dalana sady nitana sabatra efa voatsoaka tao anaty tranony.+ Dia nitady hivily any anaty saha ilay ampondra, nefa nikapoka azy i Balama mba hampiverina azy teo amin’ny lalana. 24  Ary mbola nijoro teo amin’ilay lalana tery, teo anelanelan’ireo tanimboaloboka, ilay anjelin’i Jehovah. Nisy fefy vato teo amin’ny andaniny roa tamin’ilay lalana. 25  Ary nahita an’ilay anjelin’i Jehovah foana ilay ampondravavy, ka nisisika hitampify tamin’ny fefy. Dia tery tao ny tongotr’i Balama, ka vao mainka nokapohiny izy. 26  Ary nandalo indray ilay anjelin’i Jehovah ka nijoro teo amin’ny toerana tery, izay tsy nahafahana nivily niankavanana na niankavia. 27  Rehefa hitan’ilay ampondra ilay anjelin’i Jehovah, dia nandry teo ambanin’i Balama izy. Koa nirehitra ny fahatezeran’i Balama,+ ka vao mainka nokapohiny tamin’ny tehiny ilay ampondra. 28  Farany, dia nampitenenin’i Jehovah ilay ampondra,+ ka niteny tamin’i Balama hoe: “Fa inona no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho izao?”+ 29  Dia hoy i Balama: “Satria mampijaly ahy ianao. Raha nisy sabatra tetỳ an-tanako, dia efa matiko ianao!”+ 30  Ary hoy ilay ampondravavy tamin’i Balama: “Tsy ampondranao efa fitainginao hatrizay niainanao ka hatramin’izao ve aho? Efa mpanao izao taminao ve aho?”+ Dia hoy izy: “Tsia!” 31  Ary nampahiratin’i Jehovah ny mason’i Balama,+ ka hitany ilay anjelin’i Jehovah, izay nijoro teo an-dalana sady nitana sabatra efa voatsoaka tao anaty tranony. Dia niondrika avy hatrany izy ka niankohoka. 32  Ary hoy ilay anjelin’i Jehovah taminy: “Nahoana no nokapohinao intelo ny ampondranao? Nivoaka hanohitra anao aho, satria mifanipaka tanteraka amin’ny sitrapoko ny ataonao.+ 33  Ary nahita ahy io ampondra io ka nitady hiala ahy intelo.+ Fa raha tsy niala ahy izy, dia ianao no efa matiko,+ fa izy kosa notsimbiniko.” 34  Dia hoy i Balama tamin’ilay anjelin’i Jehovah: “Efa nanota aho,+ fa tsy fantatro hoe ianao no nijoro teo an-dalana hisakana ahy. Koa raha tsy mety eo imasonao izao, dia avelao aho hiverina.” 35  Fa hoy ilay anjelin’i Jehovah tamin’i Balama: “Mandehana miaraka amin’ireo olona ireo,+ nefa izay teny holazaiko aminao ihany no azonao lazaina.”+ Koa nanohy ny diany niaraka tamin’ireo andrianan’i Balaka i Balama. 36  Rehefa ren’i Balaka fa tonga i Balama, dia nivoaka avy hatrany izy mba hitsena azy tao amin’ny tanànan’i Moaba, izay teo amoron’i Arnona, teo an-tsisin’ny taniny.+ 37  Ary hoy i Balaka taminy: “Tsy efa naniraka olona hiantso anao ve aho? Koa nahoana ianao no tsy tonga tatỳ amiko? Heverinao angaha fa tsy ho vitako mihitsy ny hanome voninahitra anao?”+ 38  Dia hoy i Balama: “Efa tonga eto aminao aho izao, nefa ho afaka hilaza inona moa aho?+ Ny teny hataon’Andriamanitra eo am-bavako ihany no holazaiko.”+ 39  Koa niaraka tamin’i Balaka i Balama, ka tonga tao Kiriata-hozota izy ireo. 40  Ary nanao sorona omby aman’ondry i Balaka,+ ka nisy ampahany nampanateriny tany amin’i Balama sy ireo andriana niaraka taminy. 41  Nony maraina, dia nalain’i Balaka i Balama ka nentiny niakatra ho eo Bamota-bala,+ mba hahatazanany ny vahoaka manontolo.+

Fanamarihana