Nomery 26:1-65
-
Nisaina fanindroany ny Israelita (1-65)
26 Taorian’ilay loza,+ dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Eleazara zanak’i Arona mpisorona:
2 “Isao ny vahoakan’Israely manontolo, dia izay 20 taona no ho miakatra, isaky ny fianakaviambeny, ka isao izay rehetra afaka manompo ao amin’ny tafika eo amin’ny Israely.”+
3 Hoy àry i Mosesy sy Eleazara+ mpisorona tamin’izy ireo, tany amin’ny lemaka karakaina any Moaba,+ tany akaikin’ny Reniranon’i Jordana sady tandrifin’i Jeriko:+
4 “Isao izay 20 taona no ho miakatra, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.”+
Ireto avy ny zanak’Israely nivoaka avy tany Ejipta:
5 I Robena+ no lahimatoan’i Israely, ka ireto avy ny taranany:+ Avy tamin’i Hanoka ny Hanokita, avy tamin’i Palo ny Paloita,
6 avy tamin’i Hezrona ny Hezronita, ary avy tamin’i Karmy ny Karmita.
7 Ireo no fianakavian’ny Robenita, ary 43 730 no voasoratra anarana tamin’izy ireo.+
8 Ary ny zanakalahin’i Palo dia i Eliaba.
9 Ny zanakalahin’i Eliaba kosa dia i Nemoela sy Datana ary Abirama. Solontenan’ny fiangonana i Datana sy Abirama, ary izy roa lahy ireo ilay niaraka tamin’ny antokon’i Kora+ niady tamin’i Mosesy+ sy Arona, tamin’izy ireo niady tamin’i Jehovah.+
10 Nisokatra* ny tany tamin’izay ka nitelina azy ireo. Fa i Kora kosa niara-maty tamin’ny mpanohana azy, rehefa nolevonin’ny afo izy 250 lahy.+ Koa lasa anatra ho an’ny hafa izy ireo.+
11 Tsy maty kosa anefa ny zanakalahin’i Kora.+
12 Ireto avy ny taranak’i Simeona,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Nemoela ny Nemoelita, avy tamin’i Jamina ny Jaminita, avy tamin’i Jakina ny Jakinita,
13 avy tamin’i Zera ny Zerita, ary avy tamin’i Saoly ny Saolita.
14 Ireo no fianakavian’ny Simeonita: 22 200 ny isany.+
15 Ireto avy ny taranak’i Gada,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Zefona ny Zefonita, avy tamin’i Hagy ny Hagita, avy tamin’i Sony ny Sonita,
16 avy tamin’i Ozny ny Oznita, avy tamin’i Ery ny Erita,
17 avy tamin’i Aroda ny Arodita, ary avy tamin’i Arely ny Arelita.
18 Ireo no fianakavian’ny taranak’i Gada, ary 40 500 no voasoratra anarana tamin’izy ireo.+
19 Ary ny zanakalahin’i Joda+ dia i Era sy Onana.+ Maty tany Kanana anefa i Era sy Onana.+
20 Ireto avy ny taranak’i Joda, araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Sela+ ny Selita, avy tamin’i Pereza+ ny Perezita, ary avy tamin’i Zera+ ny Zerita.
21 Ireto avy ny taranak’i Pereza: Avy tamin’i Hezrona+ ny Hezronita, ary avy tamin’i Hamola+ ny Hamolita.
22 Ireo no fianakavian’i Joda, ary 76 500 no voasoratra anarana tamin’izy ireo.+
23 Ireto avy ny taranak’i Isakara,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Tola+ ny Tolita, avy tamin’i Pova ny Povita,
24 avy tamin’i Jasoba ny Jasobita, ary avy tamin’i Simrona ny Simronita.
25 Ireo no fianakavian’i Isakara, ary 64 300 no voasoratra anarana tamin’izy ireo.+
26 Ireto avy ny taranak’i Zebolona,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Sereda ny Seredita, avy tamin’i Elona ny Elonita, ary avy tamin’i Jahalela ny Jahalelita.
27 Ireo no fianakavian’ny Zebolonita, ary 60 500 no voasoratra anarana tamin’izy ireo.+
28 Ary ny zanakalahin’i Josefa,+ araka ny fianakaviany avy, dia i Manase sy Efraima.+
29 Ireto no taranak’i Manase:+ Avy tamin’i Makira+ ny Makirita. I Makira no niteraka an’i Gileada,+ ary avy tamin’i Gileada ny Gileadita.
30 Ireto avy ny taranak’i Gileada: Avy tamin’i Jezera ny Jezerita, avy tamin’i Heleka ny Helekita,
31 avy tamin’i Asriela ny Asrielita, avy tamin’i Sekema ny Sekemita,
32 avy tamin’i Semida ny Semidita, ary avy tamin’i Hefera ny Heferita.
33 Tsy nanan-janakalahy anefa i Zelofada zanak’i Hefera, fa zanakavavy ihany.+ Ny anaran’ny zanakavavin’i Zelofada+ dia Mahala, Noa, Hogla, Milka, ary Tirza.
34 Ireo no fianakavian’i Manase, ary 52 700 no voasoratra anarana tamin’izy ireo.+
35 Ireto avy ny taranak’i Efraima,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Sotela+ ny Sotelita, avy tamin’i Bekera ny Bekerita, ary avy tamin’i Tahana ny Tahanita.
36 Ireto no taranak’i Sotela: Avy tamin’i Erana ny Eranita.
37 Ireo no fianakavian’ny taranak’i Efraima, ary 32 500 no voasoratra anarana tamin’izy ireo.+ Ireo no taranak’i Josefa, araka ny fianakaviany avy.
38 Ireto avy ny taranak’i Benjamina,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Bela+ ny Belita, avy tamin’i Asbela ny Asbelita, avy tamin’i Ahirama ny Ahiramita,
39 avy tamin’i Sefofama ny Sefofamita, ary avy tamin’i Hofama ny Hofamita.
40 Ny zanakalahin’i Bela dia i Arda sy Namàna.+ Avy tamin’i Arda ny Ardita, ary avy tamin’i Namàna ny Namanita.
41 Ireo no taranak’i Benjamina, araka ny fianakaviany avy, ary 45 600 no voasoratra anarana tamin’izy ireo.+
42 Ireto no taranak’i Dana,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Sohama ny Sohamita. Ireo no fianakavian’i Dana, araka ny fianakaviany avy.
43 Nisy 64 400 no voasoratra anarana tamin’ny fianakavian’ny Sohamita rehetra.+
44 Ireto avy ny taranak’i Asera,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Jimna ny Jimnita, avy tamin’i Jisvy ny Jisvita, ary avy tamin’i Beria ny Berita.
45 Ireto no taranak’i Beria: Avy tamin’i Hebera ny Heberita, ary avy tamin’i Malkiela ny Malkielita.
46 Ary Sera no anaran’ny zanakavavin’i Asera.
47 Ireo no fianakavian’ny taranak’i Asera, ary 53 400 no voasoratra anarana tamin’izy ireo.+
48 Ireto avy ny taranak’i Naftaly,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Jazila ny Jazilita, avy tamin’i Gony ny Gonita,
49 avy tamin’i Jezera ny Jezerita, ary avy tamin’i Silema ny Silemita.
50 Ireo no fianakavian’i Naftaly, araka ny fianakaviany avy, ary 45 400 no voasoratra anarana tamin’izy ireo.+
51 Nisy 601 730 àry ny Israelita rehetra voasoratra anarana.+
52 Taorian’izany, dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:
53 “Hozaraina amin’izy ireo arakaraka ny isan’ny olona* ny tany mba ho lovany.+
54 Izay foko lehibe kokoa dia tokony homenao lova lehibe kokoa, ary izay foko kely kokoa dia tokony homenao lova kely kokoa.+ Tokony ho arakaraka ny isan’ny voasoratra anarana ny lova homena ny foko tsirairay.
55 Hatao antsapaka anefa ny fizarana ny tany,+ ary tokony ho arakaraka ny anaran’ny fokon’ny fianakaviambeny no hahazoany ny lovany.
56 Hanao antsapaka ianareo mba hamantarana ny lovan’ny foko tsirairay, na kely ilay foko na lehibe.”
57 Ireto avy no voasoratra anarana tamin’ny Levita,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Gersona ny Gersonita, avy tamin’i Kehata+ ny Kehatita, ary avy tamin’i Merary ny Merarita.
58 Ireto avy ny fianakavian’ny Levita: Ny Libnita,+ ny Hebronita,+ ny Malita,+ ny Mosita,+ ary ny Korahita.+
Ary niteraka an’i Amrama i Kehata.+
59 Ny anaran’ny vadin’i Amrama dia Jokebeda,+ zanakavavin’i Levy izay naterany tany Ejipta. Niteraka an’i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin’i Amrama i Jokebeda.+
60 Ary niteraka an’i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara i Arona.+
61 Maty anefa i Nadaba sy Abiho, satria nanolotra afo teo anatrehan’i Jehovah nefa tsy nahazoana alalana ilay izy.+
62 Nisy 23 000 no voasoratra anarana rehetra, dia ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra.+ Tsy nosoratana anarana niaraka tamin’ny Israelita mantsy izy ireo,+ satria tsy tokony homena lova teo amin’ny Israelita.+
63 Ireo no voasoratra anarana, ka i Mosesy sy Eleazara mpisorona no nanoratra ny anarany, tamin’izy ireo nanoratra ny anaran’ny Israelita tany amin’ny lemaka karakaina any Moaba, any akaikin’ny Reniranon’i Jordana sady tandrifin’i Jeriko.
64 Tsy anisan’ireo voasoratra anarana tany an-tany efitr’i Sinay anefa izy ireo na iray aza, tamin’i Mosesy sy Arona mpisorona nanisa ny Israelita.+
65 Fa hoy i Jehovah momba azy ireny: “Tsy maintsy ho faty atỳ an-tany efitra ireo.”+ Koa tsy nisy niangana ireny, afa-tsy i Kaleba zanak’i Jefone sy Josoa zanak’i Nona.+