Nomery 29:1-40

  • Toromarika momba ny fanatitra isan-karazany (1-40)

    • Amin’ny andro itsofana trompetra (1-6)

    • Amin’ny Andro Fandrakofam-pahotana (7-11)

    • Rehefa Fetin’ny Trano Rantsankazo (12-38)

29  “‘Manaova fivoriambe masina, amin’ny andro voalohan’ny volana fahafito. Ary aza manao asa mafy, na inona izany na inona.+ Tokony hitsoka trompetra ianareo amin’io andro io.+ 2  Ireto no hatolotrareo ho fanatitra dorana, mba hamoaka hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah: Vantotr’ombilahy iray, sy ondrilahy iray, ary ondrilahy kely fito izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema ireo biby rehetra ireo. 3  Ny fanatitra varimbazaha ampiarahina amin’ireo dia lafarinina tsara toto afangaro menaka, ka lafarinina telo ampahafolon’ny efaha no hampiarahina amin’ilay omby, roa ampahafolon’ny efaha no hampiarahina amin’ilay ondrilahy, 4  ary ampahafolon’ny efaha no hampiarahina amin’ny ondrilahy kely tsirairay amin’ny ondrilahy kely fito. 5  Manolora koa osilahy kely iray ho fanatitra noho ny ota, mba handrakofana ny fahotanareo. 6  Ireo no hatolotrareo, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra isam-bolana sy ny fanatitra varimbazaha hampiarahina aminy,+ ary ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra varimbazaha ampiarahina aminy.+ Hampiarahina amin’ny fanatitra zava-pisotro daholo ireo,+ araka ny efa fanao, mba ho hanitra mahafinaritra,* ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. 7  “‘Tokony hanao fivoriambe masina ianareo, amin’ny andro fahafolon’io volana fahafito io,+ ary hampijaly tena.* Aza miasa mihitsy.+ 8  Ireto no hatolotrareo ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah, mba ho hanitra mahafinaritra:* Vantotr’ombilahy iray, sy ondrilahy iray, ary ondrilahy kely fito izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.+ 9  Ny fanatitra varimbazaha ampiarahina amin’ireo dia lafarinina tsara toto afangaro menaka, ka lafarinina telo ampahafolon’ny efaha no hampiarahina amin’ilay omby, roa ampahafolon’ny efaha no hampiarahina amin’ilay ondrilahy, 10  ary ampahafolon’ny efaha no hampiarahina amin’ny ondrilahy kely tsirairay amin’ny ondrilahy kely fito. 11  Manolora koa osilahy kely iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra an’ilay fanatitra noho ny ota hatao fandrakofam-pahotana,+ sy ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, ary ny fanatitra varimbazaha miaraka aminy. Hampiarahina amin’ny fanatitra zava-pisotro daholo ireo. 12  “‘Manaova fivoriambe masina, amin’ny andro faha-15 amin’ny volana fahafito. Aza manao asa mafy, na inona izany na inona. Ary mankalazà fety ho an’i Jehovah mandritra ny fito andro.+ 13  Ireto no hatolotrareo ho fanatitra dorana,+ izany hoe ho fanatitra atao anaty afo mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah: Vantotr’ombilahy 13, sy ondrilahy 2, ary ondrilahy kely 14 izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.+ 14  Ny fanatitra varimbazaha ampiarahina amin’ireo, dia lafarinina tsara toto afangaro menaka, ka lafarinina telo ampahafolon’ny efaha no hampiarahina amin’ny omby tsirairay amin’ireo omby 13 ireo, ary roa ampahafolon’ny efaha no hampiarahina amin’ny ondrilahy tsirairay amin’ireo ondrilahy 2 ireo, 15  ary ampahafolon’ny efaha no hampiarahina amin’ny ondrilahy kely tsirairay amin’ireo ondrilahy kely 14 ireo. 16  Manolora koa osilahy kely iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, sy ny fanatitra varimbazaha, ary ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.+ 17  “‘Amin’ny andro faharoa, dia manolora vantotr’ombilahy 12, sy ondrilahy 2, ary ondrilahy kely 14 izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.+ 18  Hampiarahina amin’ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely ireo, araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao. 19  Manolora koa osilahy kely iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra varimbazaha miaraka aminy. Hampiarahina amin’ny fanatitra zava-pisotro daholo ireo.+ 20  “‘Amin’ny andro fahatelo, dia manolora vantotr’ombilahy 11, sy ondrilahy 2, ary ondrilahy kely 14 izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.+ 21  Hampiarahina amin’ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely ireo, araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao. 22  Manolora koa osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, sy ny fanatitra varimbazaha, ary ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.+ 23  “‘Amin’ny andro fahefatra, dia manolora vantotr’ombilahy 10, sy ondrilahy 2, ary ondrilahy kely 14 izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.+ 24  Hampiarahina amin’ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely ireo, araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao. 25  Manolora koa osilahy kely iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, sy ny fanatitra varimbazaha, ary ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.+ 26  “‘Amin’ny andro fahadimy, dia manolora vantotr’ombilahy 9, sy ondrilahy 2, ary ondrilahy kely 14 izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.+ 27  Hampiarahina amin’ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely ireo, araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao. 28  Manolora koa osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, sy ny fanatitra varimbazaha, ary ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.+ 29  “‘Amin’ny andro fahenina, dia manolora vantotr’ombilahy 8, sy ondrilahy 2, ary ondrilahy kely 14 izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.+ 30  Hampiarahina amin’ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely ireo, araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao. 31  Manolora koa osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, sy ny fanatitra varimbazaha, ary ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.+ 32  “‘Amin’ny andro fahafito, dia manolora vantotr’ombilahy 7, sy ondrilahy 2, ary ondrilahy kely 14 izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.+ 33  Hampiarahina amin’ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely ireo, araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao. 34  Manolora koa osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, sy ny fanatitra varimbazaha, ary ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.+ 35  “‘Amin’ny andro fahavalo, dia manaova fivoriambe makotrokotroka. Ary aza manao asa mafy, na inona izany na inona.+ 36  Ireto no hatolotrareo ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah: Vantotr’ombilahy iray, sy ondrilahy iray, ary ondrilahy kely fito izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.+ 37  Hampiarahina amin’ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely ireo, araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao. 38  Manolora koa osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, sy ny fanatitra varimbazaha, ary ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.+ 39  “‘Ireo no hatolotrareo ho an’i Jehovah mandritra an’ireo fety fanaonareo,+ ho fanatitra dorana+ sy fanatitra varimbazaha+ sy fanatitra zava-pisotro+ ary sorona iombonana,+ ankoatra ny fanatitra fanefana voady+ sy ny fanatitra an-tsitrapo atolotrareo.’”+ 40  Dia nolazain’i Mosesy tamin’ny Israelita ny didy rehetra nomen’i Jehovah azy.

Fanamarihana

Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana.”
Midika hoe mampihafy tena amin’ny zavatra maro samihafa, ohatra hoe mifady hanina.
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana.”
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”