Nomery 3:1-51

3  Ireto avy ny taranak’i Arona sy Mosesy, tamin’ny andro nitenenan’i Jehovah tamin’i Mosesy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay.+  Koa ireto avy ny anaran’ny zanakalahin’i Arona: Nadaba lahimatoa, sy Abiho+ sy Eleazara+ ary Itamara.+  Ireo no anaran’ny zanak’i Arona, dia ireo mpisorona voahosotra nomena fahefana* hanao ny asan’ny mpisorona.+  Maty teo anatrehan’i Jehovah anefa i Nadaba sy Abiho, rehefa nanolotra afo tsy ara-dalàna+ teo anatrehan’i Jehovah, tany an-tany efitr’i Sinay. Ary tsy nanan-janaka izy roa lahy. Fa i Eleazara+ sy Itamara+ kosa mbola nanao ny asan’ny mpisorona niaraka tamin’i Arona rainy.  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Ampanatony ny fokon’i Levy,+ ka asaivo mijoro eo anatrehan’i Arona mpisorona, mba hanampy+ azy.  Hanao ny adidiny aminy sy ny adidiny amin’ny vahoaka manontolo, eo anoloan’ny tranolay fihaonana, izy ireo ka hanao ny fanompoana momba ny tranolay.  Ary hikarakara ny fitaovana+ rehetran’ny tranolay fihaonana izy ireo ka hanao ny andraikitry ny zanak’Israely, dia ny fanompoana momba ny tranolay.+  Omeo an’i Arona sy ny zanany ny Levita, fa alaina avy amin’ny zanak’Israely izy ireo ka omena an’i Arona.+ 10  Ary tendreo hanao ny asa fisoronana i Arona sy ny zanany.+ Hovonoina ho faty izay olon-kafa manatona ny toerana masina.”+ 11  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 12  “Alaiko ny Levita eo amin’ny zanak’Israely, ho solon’ny lahimatoa rehetra+ izay voalohan-teraka eo amin’ny zanak’Israely. Dia ho ahy ny Levita, 13  fa ahy ny lahimatoa rehetra.+ Tamin’ilay andro namonoako ny lahimatoa rehetra tany Ejipta,+ dia nohamasiniko ho ahy ny lahimatoa rehetra teo amin’ny Israely, na olona na biby.+ Dia ho ahy ireny. Izaho no Jehovah.” 14  Ary hoy ihany i Jehovah tamin’i Mosesy tany an-tany efitr’i Sinay:+ 15  “Soraty ny anaran’ireo zanakalahin’i Levy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rain’izy ireo, araka ny fianakaviany avy. Hosoratanao ny anaran’ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra.”+ 16  Dia nosoratan’i Mosesy ny anaran’izy ireo, araka ny baikon’i Jehovah, araka izay nandidiana an’i Mosesy. 17  Ary ireto avy ny anaran’ny zanakalahin’i Levy:+ Gersona sy Kehata ary Merary.+ 18  Ary ireto no anaran’ny zanakalahin’i Gersona, araka ny fianakaviany avy: Libny sy Simey.+ 19  Ary ny zanakalahin’i Kehata,+ araka ny fianakaviany avy, dia i Amrama sy Jizara+ sy Hebrona ary Oziela. 20  Ary ny zanakalahin’i Merary,+ araka ny fianakaviany avy, dia i Maly+ sy Mosy.+ Ireo no fianakavian’ny Levita, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy. 21  Avy tamin’i Gersona ny fianakavian’ny Libnita+ sy ny fianakavian’ny Simeita.+ Ireo no fianakavian’ny Gersonita. 22  Ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra no nosoratana anarana,+ ka dimanjato sy fito arivo ny isan’izy ireo.+ 23  Tao andamosin’ny tranolay no nisy ireo fianakavian’ny Gersonita.+ Nitoby teo andrefana izy ireo. 24  I Eliasafa, zanak’i Laela no mpiadidy teo amin’ny fianakaviamben’ny* Gersonita. 25  Ary ny andraikitry ny taranak’i Gersona+ tao amin’ny tranolay fihaonana dia ny tranolay,+ sy ny rakony,+ sy ny lamba fanakonana+ an’ilay fidirana amin’ny tranolay fihaonana, 26  sy ny fefy lamban’ny+ tokotany, sy ny lamba fanakonana+ an’ilay fidirana mankao amin’ny tokotany izay manodidina ny tranolay sy ny alitara, ary ny tady fanenjanan-day,+ eny, ny zava-drehetra mifandray amin’izany fanompoana izany. 27  Ary avy tamin’i Kehata ny fianakavian’ny Amramita sy ny fianakavian’ny Jizarita sy ny fianakavian’ny Hebronita ary ny fianakavian’ny Ozielita. Ireo no fianakavian’ny Kehatita.+ 28  Eninjato sy valo arivo ny isan’ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra. Nanao ny andraikiny tamin’ny toerana masina ireo.+ 29  Ary nitoby teo amin’ny lafiny atsimo amin’ny tranolay ireo fianakavian’ny taranak’i Kehata.+ 30  I Elizafana, zanak’i Oziela+ no mpiadidy teo amin’ny fianakaviamben’ireo fianakavian’ny Kehatita. 31  Ary ny andraikitr’izy ireo+ dia ny Vata,+ sy ny latabatra,+ sy ny fitoeran-jiro,+ sy ireo alitara,+ sy ireo fitaovan’ny+ toerana masina nampiasainy tamin’ny fanompoana, ary ny lamba fanakonana,+ eny, ny zava-drehetra mifandray amin’izany fanompoana izany. 32  Ary i Eleazara+ zanak’i Arona mpisorona no lehiben’ireo mpiadidy teo amin’ny Levita. Izy no mpiandraikitra an’ireo nanao ny andraikiny tamin’ny toerana masina. 33  Ary avy tamin’i Merary ny fianakavian’ny Malita+ sy ny fianakavian’ny Mosita.+ Ireo no fianakavian’i Merary.+ 34  Ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra no nosoratana anarana, ka roanjato sy enina arivo ny isan’izy ireo.+ 35  I Zoriela zanak’i Abihaila no mpiadidy teo amin’ny fianakaviamben’ireo fianakavian’i Merary. Nitoby teo amin’ny lafiny avaratra amin’ny tranolay izy ireo.+ 36  Ary ny andraikitry ny taranak’i Merary dia ny rafitry+ ny tranolay sy ny barany+ sy ny andry+ sy ny faladia itsatohany sy ny fitaovany rehetra,+ dia ny zava-drehetra mifandray amin’izany fanompoana izany.+ 37  Andraikiny koa ireo andry+ manodidina ny tokotany sy ny faladia itsatohany+ sy ny fantsika be fanenjanan-day ary ny tady fanenjanan-day. 38  I Mosesy sy Arona mbamin’ny zanany no nitoby teo anoloan’ny tranolay teo atsinanana, teo anoloan’ny tranolay fihaonana, nanandrify ny fiposahan’ny masoandro. Izy ireo no nanana andraikitra tamin’ny toerana masina,+ dia ny andraikitra tokony ho nataon’ny zanak’Israely. Ary raha misy olon-kafa manatona ho eo amin’ny toerana masina, dia hovonoina ho faty.+ 39  Roa arivo sy roa alina ny Levita rehetra voasoratra anarana. I Mosesy sy Arona no nanoratra ny anaran’izy ireo, araka ny fianakaviany avy, dia ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, araka ny baikon’i Jehovah. 40  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Soraty ny anaran’ny lahimatoa rehetra amin’ny zanak’Israely hatramin’ny iray volana no ho miakatra,+ ka raiso ny isany. 41  Ary alaivo ho ahy ny Levita ho solon’ny lahimatoa rehetra amin’ny zanak’Israely.+ Alaivo ho ahy koa ny biby fiompin’ny Levita, ho solon’ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompin’ny zanak’Israely.+ Izaho no Jehovah.” 42  Dia nosoratan’i Mosesy ny anaran’ny lahimatoa rehetra tamin’ny zanak’Israely, araka izay nandidian’i Jehovah azy. 43  Ny lahimatoa rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra no nosoratana anarana, ka telo amby fitopolo sy roanjato sy roa arivo sy roa alina ny isan’izy ireo. 44  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 45  “Alaivo ny Levita ho solon’ny lahimatoa rehetra amin’ny zanak’Israely, ary ny biby fiompin’ny Levita ho solon’ny biby fiompin’izy ireo. Dia ho ahy ny Levita.+ Izaho no Jehovah. 46  Mihoatra telo amby fitopolo sy roanjato amin’ny Levita+ anefa ny isan’ny lahimatoan’ny zanak’Israely. Mba hanavotana+ an’ireo mihoatra ireo, 47  dia makà sekely* dimy ho takalon’ny tsirairay aminy.+ Araka ny sekelin’ny toerana masina no hakanao azy. Gera* roapolo ny sekely iray.+ 48  Ary omeo an’i Arona sy ny zanany ilay vola, ho vidim-panavotana an’ireo mihoatra ireo.” 49  Koa nalain’i Mosesy ny vola vidim-panavotana avy tamin’ireo nihoatra ireo, dia ireo nihoatra tamin’izay efa navotan’ny Levita. 50  Avy tamin’ny lahimatoan’ny zanak’Israely no nakany ny vola, dia sekely dimy amby enimpolo sy telonjato sy arivo, araka ny sekelin’ny toerana masina. 51  Dia nomen’i Mosesy an’i Arona sy ny zanany ny vola vidim-panavotana, araka ny baikon’i Jehovah, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Fanamarihana

A.b.t.: “nofenoina fahefana ny tanany.”
avy amin’ny ray.
1 sekely = 11,4 g.
1 gera = 0,57 g.