Nomery 32:1-42

  • Ireo foko nipetraka tany atsinanan’i Jordana (1-42)

32  Ary nanana biby fiompy faran’izay betsaka ny taranak’i Robena+ sy ny taranak’i Gada.+ Dia hitan’izy ireo fa tsara ho an’ny biby fiompy ny tany tao Jazera+ sy ny tao Gileada. 2  Koa nanatona an’i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny mpiadidy vahoaka ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena, ka niteny hoe: 3  “Tany tsara i Atarota, Dibona, Jazera, Nimra, Hesbona,+ Elale, Sebama, Nebo,+ ary Beona,+ 4  izay nataon’i Jehovah resin’ny vahoakan’Israely.+ Tena tsara ho an’ny biby fiompy ilay tany. Izahay mpanomponao koa manana biby fiompy be dia be.”+ 5  Hoy koa izy ireo: “Aleo omena anay mpanomponao ity tany ity, raha mba mety aminao, fa aza asaina miampita an’i Jordana izahay.” 6  Dia hoy i Mosesy tamin’ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena: “Ny rahalahinareo ve handeha hiady nefa ianareo hijanona fotsiny atỳ? 7  Maninona ianareo no manakivy ny vahoakan’Israely tsy hiampita hankany amin’ilay tany homen’i Jehovah azy? 8  Izany no nataon’ny razambenareo tamin-dry zareo nirahiko avy tany Kadesi-barnea mba hijery an’ilay tany.+ 9  Rehefa niakatra nankany amin’ny Lohasahan’i* Eskola+ izy ka nahita an’ilay tany, dia nataony izay hahakivy ny vahoakan’Israely mba tsy hiditra any amin’ilay tany homen’i Jehovah azy.+ 10  Tezitra be i Jehovah tamin’izay andro izay, ka nianiana hoe:+ 11  ‘Tsy hahita an’ilay tany nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba+ ny lehilahy 20 taona no ho miakatra,+ izay nivoaka avy tany Ejipta, satria tsy mba nanaraka ahy tamin’ny fony manontolo izy ireo. 12  I Kaleba+ zanak’i Jefone Kenizita sy Josoa+ zanak’i Nona ihany no hahita an’ilay tany, satria nanaraka an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo izy roa lahy.’+ 13  Koa tezitra be tamin’ny Israely i Jehovah ka nataony nirenireny tany an-tany efitra nandritra ny 40 taona ry zareo,+ mandra-paharipaka tanteraka an’ilay taranaka nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah.+ 14  Manao hoatran’ny razambenareo ihany ianareo izao, ry taranaka ratsy fanahy, ka vao mainka tezitra be amin’ny Israely i Jehovah. 15  Raha mivadika aminy ianareo, dia tsy maintsy hafoiny atỳ an-tany efitra indray ity vahoaka manontolo ity. Dia ny ataonareo ihany no hampidi-kizo an-dry zareo.” 16  Nanatona an’i Mosesy izy ireo taorian’izay, ka niteny hoe: “Aleo izahay mba hanorina vala* eto ho an’ny biby fiompinay, sy tanàna ho an’ny zanakay. 17  Hiomana hiady foana anefa izahay,+ sady handeha eo alohan’ny Israelita, mandra-pitondranay azy any amin’ny taniny. Ny zanakay kosa hipetraka ao amin’ny tanàna misy manda, dia ho voaro amin’ny mponina eto amin’ity tany ity. 18  Tsy hody any an-tranonay izahay raha tsy efa mahazo anjara tany ho lovany ny Israelita tsirairay.+ 19  Fa tsy hahazo lova miaraka amin’izy ireo erỳ ampitan’i Jordana sy any ambadika rehetra any izahay, satria efa nahazo lova etỳ atsinanan’i Jordana.”+ 20  Ary hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “Izao àry: Raha mandray ny fiadianareo ianareo mba hoentinareo miady eo anatrehan’i Jehovah,+ 21  ary raha samy mandray ny fiadianareo ianareo ka miampita an’i Jordana eo anatrehan’i Jehovah, rehefa mandroaka ny fahavalony hiala eo anatrehany izy,+ 22  mandra-paharesy an’ilay tany eo anatrehan’i Jehovah,+ dia mahazo miverina ianareo.+ Tsy ho meloka eo imason’i Jehovah sy ny Israely ianareo amin’izay, dia ho lasanareo eo anatrehan’i Jehovah ity tany ity.+ 23  Fa raha tsy manao an’izany kosa ianareo, dia manota amin’i Jehovah. Raha manota anefa ianareo, dia fantaro fa hizaka ny vokatr’izany ianareo. 24  Mahazo manorina tanàna ho an’ny zanakareo àry ianareo, sady mahazo manao vala ho an’ny ondry aman’osinareo koa.+ Tsy maintsy mitana ny teninareo anefa ianareo.” 25  Dia hoy ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena tamin’i Mosesy: “Izay andidian’ny tompoko mihitsy no hataon’ny mpanomponao. 26  Hijanona atỳ amin’ny tanànan’i Gileada ny zanakay sy ny vadinay ary ny biby fiompinay rehetra.+ 27  Fa araka izay lazain’ny tompoko, dia izahay mpanomponao rehetra no handeha hiampita, izany hoe izay lehilahy mitondra fitaovam-piadiana ka efa vonona hiady eo anatrehan’i Jehovah.”+ 28  Dia nomen’i Mosesy baiko i Eleazara mpisorona sy Josoa zanak’i Nona ary ny lohan’ny fianakaviamben’ny fokon’ny Israely, 29  ka hoy izy tamin’izy ireo: “Raha miampita an’i Jordana miaraka aminareo eo anatrehan’i Jehovah ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena, izany hoe izay lehilahy mitondra fitaovam-piadiana sy efa vonona hiady, ka resinareo ilay tany, dia omeo an-dry zareo i Gileada.+ 30  Fa raha tsy mitondra fitaovam-piadiana kosa ry zareo ary tsy miampita miaraka aminareo, dia hipetraka ao Kanana miaraka aminareo ihany.” 31  Dia hoy ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena: “Izay nolazain’i Jehovah taminay mpanomponao no hataonay. 32  Hitondra fitaovam-piadiana izahay, dia handeha hiampita ho any Kanana eo anatrehan’i Jehovah.+ Ny etỳ aminay etỳ ampitan’i Jordana anefa no ho lovanay.” 33  Ireto àry no nomen’i Mosesy ho an’ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena+ ary ny antsasaky ny fokon’i Manase+ zanak’i Josefa: Ny fanjakan’i Sihona+ mpanjakan’ny Amorita sy ny fanjakan’i Oga+ mpanjakan’i Basana, izany hoe ny tany ao amin’ireo tanàna ao anatin’ireo faritra ireo, ary ny tanàna any amin’ny faritra manodidina. 34  Dia naorin’ny taranak’i Gada* i Dibona,+ Atarota,+ Aroera,+ 35  Atrota-sofana, Jazera,+ Jogbeha,+ 36  Beti-nimra,+ ary Beti-harana.+ Tanàna misy manda daholo ireo. Nanorina vala vita amin’ny vato ho an’ny ondry aman’osy koa izy ireo. 37  Ny taranak’i Robena kosa nanorina an’i Hesbona,+ Elale,+ Kiriataima,+ 38  Nebo+ sy Bala-meona+ izay samy novana anarana, ary Sibma. Naorin’izy ireo indray ireo tanàna ireo ka nomeny anarana vaovao. 39  Ary nandeha nanafika an’i Gileada ny taranak’i Makira+ zanak’i Manase, dia azony ilay tany ka noroahiny ny Amorita nipetraka tao. 40  Koa nomen’i Mosesy an’i Makira zanak’i Manase i Gileada, ary lasa nipetraka tao izy.+ 41  I Jaira zanak’i Manase indray nandeha nanafika ka azony ny tanàna tranolay tao Gileada. Dia nantsoiny hoe Havota-jaira* ireny.+ 42  Ary nandeha nanafika an’i Kenata sy ny tanàna niankina taminy* i Noba. Dia nantsoiny hoe Noba araka ny anarany ihany ilay izy.

Fanamarihana

Na: “Lalan-driakan’i.”
Vala natao mafy tsara vita amin’ny vato.
Na: “naorin’ny taranak’i Gada indray.”
Midika hoe “Tanàna Tranolain’i Jaira.”
Na: “nanodidina azy.”