Nomery 33:1-56

  • Ny lalana rehetra nalehan’ny Israely tany an-tany efitra (1-49)

  • Toromarika harahina rehefa tafiditra ao Kanana (50-56)

33  Ireto avy ny lalana nalehan’ny vahoakan’Israely, rehefa nivoaka avy tany Ejipta+ araka ny antokony*+ avy izy ireo, ary i Mosesy sy Arona no nitarika azy tamin’izay.+ 2  Nosoratan’i Mosesy foana izay toerana niaingana isaky ny lalana nandalovan’izy ireo, araka ny baikon’i Jehovah. Ireto avy izany lalana izany, niainga avy teo amin’ny toerana anankiray mankany amin’ny anankiray:+ 3  Niainga avy tao Ramesesa+ ny Israelita tamin’ny andro faha-15 amin’ny volana voalohany.+ Ny ampitson’ny Paska+ ihany izy ireo dia nivoaka teo imason’ny Ejipsianina rehetra sady feno toky.* 4  Nandevina ny lahimatoany rehetra novonoin’i Jehovah ny Ejipsianina tamin’izay,+ satria efa nofaizin’i Jehovah ny andriamanitry ny Ejipsianina.+ 5  Niainga avy tao Ramesesa àry ny Israelita, dia nitoby tao Sokota;+ 6  niainga avy tao Sokota, dia nitoby tao Etama+ teo an-tsisin’ny tany efitra; 7  niainga avy tao Etama, dia niverina tany Pihahirota, teny akaikin’i Bala-zefona,+ dia nitoby nanandrify an’i Migdola.+ 8  Niainga avy tao Pihahirota izy ireo taorian’izay, dia namakivaky teo afovoan’ny ranomasina+ mba hankany an-tany efitra.+ Nandeha lalana telo andro tany an-tany efitr’i Etama+ izy ireo, dia nitoby tao Mara.+ 9  Avy eo dia niainga avy tao Mara izy ireo, dia tonga tao Elima. Nisy loharano 12 sy hazo palmie 70 tao Elima, ka nitoby tao izy ireo.+ 10  Niainga avy tao Elima indray izy ireo, dia nitoby teo akaikin’ny Ranomasina Mena; 11  niainga avy teo amin’ny Ranomasina Mena, dia nitoby tany an-tany efitr’i Sina;+ 12  niainga avy tany an-tany efitr’i Sina, dia nitoby tao Dopka; 13  niainga avy tao Dopka, dia nitoby tao Alosy; 14  niainga avy tao Alosy, dia nitoby tao Refidima.+ Tsy nisy rano hosotroin’ny olona tao tamin’izay. 15  Niainga avy tao Refidima indray izy ireo, dia nitoby tany an-tany efitr’i Sinay.+ 16  Niainga avy tany an-tany efitr’i Sinay izy ireo, dia nitoby tao Kibrota-hatava;+ 17  niainga avy tao Kibrota-hatava, dia nitoby tao Hazerota;+ 18  niainga avy tao Hazerota, dia nitoby tao Ritma; 19  niainga avy tao Ritma, dia nitoby tao Rimona-pereza; 20  niainga avy tao Rimona-pereza, dia nitoby tao Libna; 21  niainga avy tao Libna, dia nitoby tao Risa; 22  niainga avy tao Risa, dia nitoby tao Kehelata; 23  ary niainga avy tao Kehelata, dia nitoby teo amin’ny Tendrombohitra Sapera. 24  Niainga avy teo amin’ny Tendrombohitra Sapera indray izy ireo, dia nitoby tao Harada; 25  niainga avy tao Harada, dia nitoby tao Makelota; 26  niainga+ avy tao Makelota, dia nitoby tao Tahata; 27  niainga avy tao Tahata, dia nitoby tao Tera; 28  niainga avy tao Tera, dia nitoby tao Mitka; 29  niainga avy tao Mitka, dia nitoby tao Hasmona; 30  niainga avy tao Hasmona, dia nitoby tao Moserota; 31  niainga avy tao Moserota, dia nitoby tao Bene-jakana;+ 32  niainga avy tao Bene-jakana, dia nitoby tao Hora-hagidgada; 33  niainga avy tao Hora-hagidgada, dia nitoby tao Jotbata;+ 34  niainga avy tao Jotbata, dia nitoby tao Abrona; 35  niainga avy tao Abrona, dia nitoby tao Eziona-gebera;+ 36  ary niainga avy tao Eziona-gebera, dia nitoby tao an-tany efitr’i Zina,+ izany hoe Kadesy. 37  Taorian’izay, dia niainga avy tao Kadesy izy ireo, dia nitoby teo amin’ny Tendrombohitra Hora,+ teo amin’ny sisin-tanin’i Edoma. 38  Dia niakatra teo amin’ny Tendrombohitra Hora i Arona mpisorona, araka ny baikon’i Jehovah. Tao izy no maty, tamin’ny taona faha-40 taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta, tamin’ny andro voalohan’ny volana fahadimy.+ 39  Ary 123 taona i Arona tamin’izy maty tao amin’ny Tendrombohitra Hora. 40  Dia henon’ilay Kananita mpanjakan’i Arada,+ izay nipetraka tany Negeba, tany Kanana, fa tonga ny Israelita. 41  Tatỳ aoriana, dia niainga avy teo amin’ny Tendrombohitra Hora ny Israelita,+ dia nitoby tao Zalmona; 42  niainga avy tao Zalmona, dia nitoby tao Ponona; 43  niainga avy tao Ponona, dia nitoby tao Obota;+ 44  niainga avy tao Obota, dia nitoby tao Ie-abarima, teo amin’ny sisin-tanin’i Moaba;+ 45  niainga avy tao Ima, dia nitoby tao Dibona-gada;+ 46  niainga avy tao Dibona-gada, dia nitoby tao Almona-diblataima; 47  niainga avy tao Almona-diblataima, dia nitoby teo amin’ireo tendrombohitr’i Abarima,+ tandrifin’i Nebo;+ 48  ary niainga avy teo amin’ireo tendrombohitr’i Abarima, dia nitoby teny amin’ny lemaka karakaina any Moaba, teo akaikin’ny Reniranon’i Jordana, tandrifin’i Jeriko.+ 49  Mbola nitoby teo akaikin’ny Reniranon’i Jordana izy ireo, nanomboka tany Beti-jesimota ka hatrany Abela-sitima,+ teny amin’ny lemaka karakaina any Moaba. 50  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy, teo amin’ny lemaka karakaina any Moaba, teo akaikin’ny Reniranon’i Jordana, tandrifin’i Jeriko: 51  “Teneno ny Israelita hoe: ‘Hiampita an’i Jordana izao ianareo, dia hiditra ao Kanana.+ 52  Roahy eo anatrehanareo daholo ny mponina ao amin’ilay tany, dia poteho daholo ny sarivongana vato namboarin’izy ireo.+ Poteho daholo koa ny sarivongana metaly*+ sy ny toerana avo masina ao.+ 53  Ary alaivo ho anareo ilay tany, dia mipetraha ao. Tena homeko ho fanananareo mantsy io tany io.+ 54  Dia zarao isaky ny foko sy fianakaviana ilay tany, ka ataovy antsapaka.+ Tokony hataonareo ngeza kokoa ny an’izay foko lehibe kokoa, fa hatao kely kokoa ny an’izay foko kely kokoa.+ Izay tany azon’ny foko tsirairay amin’ny antsapaka no ho lasa lovany. Ary araka ny fokon’ny razambenareo no hahazoanareo tany ho anjara lovanareo.+ 55  “‘Fa raha tsy roahinareo hiala eo anatrehanareo ny mponina ao amin’ilay tany,+ dia ho toy ny zavatra malailay amin’ny masonareo ny olona avelanareo hijanona ao, sady ho toy ny tsilo eo amin’ny andilanareo. Hampijaly anareo ry zareo, eo amin’ilay tany hipetrahanareo.+ 56  Ary izay noeritreretiko hatao amin-dry zareo no hataoko aminareo.’”+

Fanamarihana

Abt: “tafiny.”
Abt: “sady nanandratra ny tanany.”
Na: “sarivongana vita amin’ny metaly narendrika.”