Nomery 7:1-89

7  Rehefa voatsangan’i Mosesy ny tranolay,+ dia nohosorany+ sy nohamasininy tamin’iny andro iny ihany ny tranolay sy ny kojakojany rehetra, mbamin’ny alitara sy ny fitaovany rehetra. Koa nohosorany sy nohamasininy ireny.+  Ary nanao fanatitra+ ireo mpiadidy teo amin’ny Israely,+ dia ireo lohan’ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy, izany hoe ireo mpiadidy teo amin’ny foko sy mpanara-maso ny fanisam-bahoaka.  Koa nitondra ny fanatiny teo anatrehan’i Jehovah ireo, dia sarety enina nitafo sy omby roa ambin’ny folo, ka sarety iray no nomen’ny mpiadidy roa, ary omby iray no nomen’ny mpiadidy tsirairay. Ary nentin’izy ireo teo anoloan’ny tranolay ireny.  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Raiso ireo fanatitra nomeny ireo, satria ireo no hanaovana ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana. Omeo ny Levita ireo, araka ny fanompoany avy.”  Koa noraisin’i Mosesy ireo sarety sy omby ka nomeny ny Levita.  Sarety roa sy omby efatra no nomeny ny taranak’i Gersona, araka ny fanompoany,+  ary sarety efatra sy omby valo no nomeny ny taranak’i Merary, araka ny fanompoany.+ Teo ambany fitantanan’i Itamara zanak’i Arona mpisorona+ ireny rehetra ireny.  Tsy nomeny na inona na inona kosa anefa ny taranak’i Kehata, satria nolanjain’izy ireo teny an-tsorony+ ny fitaovana nampiasaina tao amin’ny toerana masina.+ 10  Ary nanao ny fanatiny ny mpiadidy rehefa notokanana+ ny alitara, tamin’ny andro nanosorana azy io, ka nitondra ny fanatiny teo anoloan’ny alitara izy ireo. 11  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mpiadidy iray no manatitra amin’ny andro iray, ary mpiadidy hafa indray amin’ny andro manaraka. Toy izany no hitondrany ny fanatiny hitokanana ny alitara.”+ 12  Ny nitondra ny fanatiny tamin’ny andro voalohany dia i Nasona+ zanak’i Aminadaba, avy amin’ny fokon’i Joda. 13  Ny fanatiny dia vilia volafotsy iray milanja sekely telopolo amby zato, sy vilia baolina volafotsy iray milanja sekely fitopolo, araka ny sekelin’ny toerana masina,+ ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, hatao fanatitra varimbazaha;+ 14  kaopy volamena iray milanja sekely folo, feno emboka manitra;+ 15  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray sy ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, ho fanatitra dorana;+ 16  zanak’osy iray ho fanatitra noho ny ota;+ 17  omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, ho sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Nasona zanak’i Aminadaba.+ 18  Tamin’ny andro faharoa, dia i Netanela+ zanak’i Zoara, mpiadidy teo amin’ny fokon’i Isakara, no nanao fanatitra. 19  Ny nentiny hatao fanatitra dia vilia volafotsy iray milanja sekely telopolo amby zato, sy vilia baolina volafotsy iray milanja sekely fitopolo, araka ny sekelin’ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, hatao fanatitra varimbazaha;+ 20  kaopy volamena iray milanja sekely folo, feno emboka manitra; 21  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray sy ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, ho fanatitra dorana;+ 22  zanak’osy iray ho fanatitra noho ny ota;+ 23  omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, ho sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Netanela zanak’i Zoara. 24  Tamin’ny andro fahatelo, dia ny mpiadidy teo amin’ny taranak’i Zebolona: Eliaba+ zanak’i Helona. 25  Ny fanatiny dia vilia volafotsy iray milanja sekely telopolo amby zato, sy vilia baolina volafotsy iray milanja sekely fitopolo, araka ny sekelin’ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, hatao fanatitra varimbazaha; 26  kaopy volamena iray milanja sekely folo, feno emboka manitra; 27  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray sy ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, ho fanatitra dorana;+ 28  zanak’osy iray ho fanatitra noho ny ota;+ 29  omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, ho sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Eliaba zanak’i Helona.+ 30  Tamin’ny andro fahefatra, dia ny mpiadidy teo amin’ny taranak’i Robena: Elizora+ zanak’i Sedeora. 31  Ny fanatiny dia vilia volafotsy iray milanja sekely telopolo amby zato, sy vilia baolina volafotsy iray milanja sekely fitopolo, araka ny sekelin’ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, hatao fanatitra varimbazaha;+ 32  kaopy volamena iray milanja sekely folo, feno emboka manitra; 33  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray sy ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, ho fanatitra dorana;+ 34  zanak’osy iray ho fanatitra noho ny ota;+ 35  omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, ho sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Elizora zanak’i Sedeora.+ 36  Tamin’ny andro fahadimy, dia ny mpiadidy teo amin’ny taranak’i Simeona: Selomiela+ zanak’i Zorisaday. 37  Ny fanatiny dia vilia volafotsy iray milanja sekely telopolo amby zato, sy vilia baolina volafotsy iray milanja sekely fitopolo, araka ny sekelin’ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, hatao fanatitra varimbazaha;+ 38  kaopy volamena iray milanja sekely folo, feno emboka manitra; 39  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray sy ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, ho fanatitra dorana;+ 40  zanak’osy iray ho fanatitra noho ny ota;+ 41  omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, ho sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Selomiela zanak’i Zorisaday.+ 42  Tamin’ny andro fahenina, dia ny mpiadidy teo amin’ny taranak’i Gada: Eliasafa+ zanak’i Doela. 43  Ny fanatiny dia vilia volafotsy iray milanja sekely telopolo amby zato, sy vilia baolina volafotsy iray milanja sekely fitopolo, araka ny sekelin’ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, hatao fanatitra varimbazaha;+ 44  kaopy volamena iray milanja sekely folo, feno emboka manitra;+ 45  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray sy ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, ho fanatitra dorana;+ 46  zanak’osy iray ho fanatitra noho ny ota;+ 47  omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, ho sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Eliasafa zanak’i Doela.+ 48  Tamin’ny andro fahafito, dia ny mpiadidy teo amin’ny taranak’i Efraima: Elisama+ zanak’i Amihoda. 49  Ny fanatiny dia vilia volafotsy iray milanja sekely telopolo amby zato, sy vilia baolina volafotsy iray milanja sekely fitopolo, araka ny sekelin’ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, hatao fanatitra varimbazaha;+ 50  kaopy volamena iray milanja sekely folo, feno emboka manitra; 51  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray sy ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, ho fanatitra dorana;+ 52  zanak’osy iray ho fanatitra noho ny ota;+ 53  omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, ho sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Elisama zanak’i Amihoda.+ 54  Tamin’ny andro fahavalo, dia ny mpiadidy teo amin’ny taranak’i Manase: Gamaliela+ zanak’i Pedazora. 55  Ny fanatiny dia vilia volafotsy iray milanja sekely telopolo amby zato, sy vilia baolina volafotsy iray milanja sekely fitopolo, araka ny sekelin’ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, hatao fanatitra varimbazaha;+ 56  kaopy volamena iray milanja sekely folo, feno emboka manitra;+ 57  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray sy ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, ho fanatitra dorana;+ 58  zanak’osy iray ho fanatitra noho ny ota;+ 59  omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, ho sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Gamaliela zanak’i Pedazora.+ 60  Tamin’ny andro fahasivy, dia ny mpiadidy+ teo amin’ny taranak’i Benjamina: Abidana+ zanak’i Gideony. 61  Ny fanatiny dia vilia volafotsy iray milanja sekely telopolo amby zato, sy vilia baolina volafotsy iray milanja sekely fitopolo, araka ny sekelin’ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, hatao fanatitra varimbazaha;+ 62  kaopy volamena iray milanja sekely folo, feno emboka manitra; 63  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray sy ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, ho fanatitra dorana;+ 64  zanak’osy iray ho fanatitra noho ny ota;+ 65  omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, ho sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Abidana zanak’i Gideony.+ 66  Tamin’ny andro fahafolo, dia ny mpiadidy teo amin’ny taranak’i Dana: Ahiezera+ zanak’i Amisaday. 67  Ny fanatiny dia vilia volafotsy iray milanja sekely telopolo amby zato, sy vilia baolina volafotsy iray milanja sekely fitopolo, araka ny sekelin’ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, hatao fanatitra varimbazaha;+ 68  kaopy volamena iray milanja sekely folo, feno emboka manitra; 69  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray sy ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, ho fanatitra dorana;+ 70  zanak’osy iray ho fanatitra noho ny ota;+ 71  omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, ho sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Ahiezera zanak’i Amisaday.+ 72  Tamin’ny andro fahiraika ambin’ny folo, dia ny mpiadidy teo amin’ny taranak’i Asera: Pagiela+ zanak’i Okrana. 73  Ny fanatiny dia vilia volafotsy iray milanja sekely telopolo amby zato, sy vilia baolina volafotsy iray milanja sekely fitopolo, araka ny sekelin’ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, hatao fanatitra varimbazaha;+ 74  kaopy volamena iray milanja sekely folo, feno emboka manitra;+ 75  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray sy ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, ho fanatitra dorana;+ 76  zanak’osy iray ho fanatitra noho ny ota;+ 77  omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, ho sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Pagiela zanak’i Okrana.+ 78  Tamin’ny andro faharoa ambin’ny folo, dia ny mpiadidy teo amin’ny taranak’i Naftaly: Ahira+ zanak’i Enana. 79  Ny fanatiny dia vilia volafotsy iray milanja sekely telopolo amby zato, sy vilia baolina volafotsy iray milanja sekely fitopolo, araka ny sekelin’ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, hatao fanatitra varimbazaha;+ 80  kaopy volamena iray milanja sekely folo, feno emboka manitra;+ 81  vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray sy ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, ho fanatitra dorana;+ 82  zanak’osy iray ho fanatitra noho ny ota;+ 83  omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, ho sorona iombonana.+ Ireo no fanatitr’i Ahira zanak’i Enana.+ 84  Ireo no fanatitra avy tamin’ny mpiadidy+ teo amin’ny Israely rehefa notokanana ny alitara,+ tamin’ny andro nanosorana azy io: Vilia volafotsy roa ambin’ny folo, vilia baolina volafotsy+ roa ambin’ny folo, kaopy volamena roa ambin’ny folo. 85  Milanja sekely telopolo amby zato avy ny vilia volafotsy tsirairay, ary sekely fitopolo avy ny vilia baolina tsirairay, ka sekely efajato sy roa arivo, araka ny sekelin’ny toerana masina,+ ny volafotsy rehetra nanaovana ireo vilia. 86  Ary milanja sekely folo avy, araka ny sekelin’ny toerana masina, ireo kaopy volamena+ roa ambin’ny folo feno emboka manitra, ka sekely roapolo amby zato ny volamena rehetra nanaovana ireo kaopy. 87  Ny biby rehetra natao fanatitra dorana+ dia ombilahy roa ambin’ny folo, sy ondrilahy roa ambin’ny folo, sy ondrilahy kely roa ambin’ny folo izay herintaona avy, mbamin’ny fanatitra varimbazaha+ nampiarahina taminy, ary zanak’osy roa ambin’ny folo natao fanatitra noho ny ota.+ 88  Ny biby rehetra natao sorona iombonana+ kosa dia ombilahy efatra amby roapolo, sy ondrilahy enimpolo, sy osilahy enimpolo, ary ondrilahy kely enimpolo izay herintaona avy. Ireo no fanatitra natao tamin’ny fitokanana+ ny alitara, rehefa avy nohosorana izy io.+ 89  Isaky ny niditra tao amin’ny tranolay fihaonana mba hiresaka tamin’Andriamanitra i Mosesy,+ dia nandre an’ilay feo niresaka taminy avy teo ambonin’ny saron’ilay+ Vata misy ny tenin’ny vavolombelona, avy teo anelanelan’ny kerobima+ roa. Ary niresaka taminy Andriamanitra.

Fanamarihana