Nomery 9:1-23

9  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy tany an-tany efitr’i Sinay, tamin’ny volana voalohany,+ tamin’ny taona faharoa nivoahan’izy ireo avy tany Ejipta:  “Tokony hikarakara ny sorona fanao amin’ny Paska+ ny zanak’Israely, amin’ny fotoana voatondro.+  Ny andro fahefatra ambin’ny folon’ity volana ity, eo anelanelan’ny takariva roa,*+ no hikarakaranareo azy, amin’ny fotoana voatondro. Araka ny lalàna rehetra sy araka izay rehetra fanao amin’izy io no hikarakaranareo azy.”+  Ary niteny tamin’ny zanak’Israely i Mosesy mba hikarakara ny sorona fanao amin’ny Paska.  Dia nokarakarain’izy ireo ny sorona fanao amin’ny Paska, tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana voalohany, teo anelanelan’ny takariva roa, tany an-tany efitr’i Sinay. Araka izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nataon’ny zanak’Israely.+  Ary naloto ny olona sasany satria nikasika faty,+ hany ka tsy afaka nikarakara ny sorona fanao amin’ny Paska izy ireo, tamin’iny andro iny. Koa niseho teo anatrehan’i Mosesy sy Arona izy ireo tamin’izay.+  Dia hoy ireo olona ireo taminy: “Marina fa maloto izahay satria nikasika faty, nefa nahoana izahay no sakanana tsy hanolotra ny fanatitra+ ho an’i Jehovah amin’ny fotoana voatondro, miaraka amin’ny zanak’Israely?”  Dia hoy i Mosesy tamin’ireo: “Mijanòna eto aloha, mandra-pahafantatro izay didin’i Jehovah momba anareo.”+  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 10  “Lazao amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Raha misy aminareo na amin’ny taranakareo maloto satria nikasika faty,*+ na koa nandeha lavitra, dia tokony hikarakara ny sorona fanao amin’ny Paska ho an’i Jehovah ihany izy. 11  Ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana faharoa,+ eo anelanelan’ny takariva roa, no hikarakarany azy. Hohaniny miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay sy ny anana mangidy izy io.+ 12  Tsy havelany hisy tavela mandra-maraina izany,+ sady tsy hisy hotapahiny ny taolany.+ Araka ny lalàna rehetra momba ny Paska no hikarakarany azy.+ 13  Fa raha madio kosa ilay olona na tsy nandeha lavitra nefa tsy nikarakara ny sorona fanao amin’ny Paska, dia haringana tsy ho eo amin’ny fireneny izany olona izany,+ satria tsy nanolotra ny fanatitra ho an’i Jehovah, tamin’ny fotoana voatondro. Hampamoahina noho ny fahotany izy.+ 14  “‘Ary raha misy mpivahiny monina eo aminareo, dia tokony hikarakara ny sorona fanao amin’ny Paska ho an’i Jehovah koa izy.+ Araka ny lalàn’ny Paska sy araka izay efa fanao amin’izy io no hanaovany azy.+ Ho iray ihany ny lalàna ho anareo, na vahiny izy na teratany.’”+ 15  Tamin’ilay andro nananganana ny tranolay,+ dia nanarona ny tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona ny rahona.+ Fa zavatra toy ny afo+ kosa no teo ambonin’ny tranolay rehefa takariva, mandra-paharainan’ny andro. 16  Dia toy izany foana no nitranga: Rahona no nanarona ny tranolay rehefa antoandro, fa zavatra toy ny afo kosa rehefa alina.+ 17  Isaky ny niakatra avy teo ambonin’ny tranolay ny rahona, dia niainga avy hatrany ny zanak’Israely,+ ary teo amin’izay nijanonan’ny rahona no nitobian’ny zanak’Israely.+ 18  Araka ny baikon’i Jehovah no niaingan’ny zanak’Israely, ary araka ny baikon’i Jehovah koa no nitobiany.+ Nijanona teo amin’izay nitobiany izy ireo, tamin’ny andro rehetra nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tranolay. 19  Rehefa nijanona andro maro teo ambonin’ny tranolay ny rahona, dia nankatò ny didin’i Jehovah ny zanak’Israely ka tsy niainga.+ 20  Nijanona andro vitsivitsy teo ambonin’ny tranolay ny rahona indraindray. Araka ny baikon’i+ Jehovah no nitobian’izy ireo, ary araka ny baikon’i Jehovah koa no niaingany. 21  Nijanona nanomboka tamin’ny takariva ka hatramin’ny maraina ny rahona+ indraindray. Dia niakatra ny rahona nony maraina, ka niainga izy ireo. Koa niainga izy ireo, na andro na alina no niakaran’ny rahona.+ 22  Na roa andro na iray volana na andro maro no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tranolay ka nitoerany teo amboniny, dia nijanona teo amin’izay nitobiany ny zanak’Israely ka tsy niainga. Fa niainga kosa izy ireo rehefa niakatra ny rahona.+ 23  Araka ny baikon’i Jehovah no nitobian’izy ireo, ary araka ny baikon’i Jehovah koa no niaingany. Nankatò ny didin’i+ Jehovah izy ireo, araka ny baikon’i Jehovah nampitaina tamin’i Mosesy.+

Fanamarihana

Jereo Ek 12:6 f.a.p.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.