Ohabolana 1:1-33

  • Ny antony nanoratana ny ohabolana (1-7)

  • Hahita loza izay miaraka amin’ny naman-dratsy (8-19)

  • Miantsoantso eny an-dalana ny tena fahendrena (20-33)

1  Ny ohabolan’i Solomona+ zanak’i Davida,+ mpanjakan’ny Israely.+  2  Nosoratana ireny mba hahalalana* ny atao hoe fahendrena+ sy anatra,Mba hahazoana ny dikan’ny tenin’ny hendry,  3  Mba hanekena anatra+ ka hahatonga ny olona ho lasa lalin-tsaina,Hanao ny marina,+ hahay hanapa-kevitra,*+ ary hanao ny rariny sy ny hitsiny.  4  Nosoratana koa ireny mba ho lasa malina+ ny olona mbola tsy dia nahita fiainana,*Ary hanam-pahalalana sy hahay hisaina tsara ny tanora.+  5  Mihaino ny hendry ka mitombo ny zavatra fantany.+Mahazo tari-dalana tsara* ny mahira-tsaina,+  6  Mba hahazoany ny dikan’ny ohabolana sy ny sarin-teny saro-pantarina,*Ary ny tenin’olon-kendry sy ny ankamantatra ataony.+  7  Ny fahatahorana* an’i Jehovah no fiandohan’ny fahalalana.+ Ny tsisy saina ihany no manao tsinontsinona ny fahendrena sy ny anatra.*+  8  Henoy, anaka, ny anatry ny rainao,+Ary aza lavina ny tenin’ny* reninao.+  9  Fehiloha tsara tarehy eo amin’ny lohanao izany,+Ary firavaka tena tsara eny amin’ny tendanao.+ 10  Aza manaiky, anaka, raha misy mpanota mitady hitaona anao,+ 11  Na raha miteny izy ireo hoe: “Andao hiaraka aminay. Andao hiafina mba hamono olona.* Hiafina isika dia hiandriandry olona tsy manan-tsiny, mba hamely azy tsy amin’antony. 12  Hitelina azy velona isika, hoatran’ny ataon’ny Fasana,*Dia hataontsika indray mitelina izy manontolo, sahala amin’ny olona latsaka any an-davaka. 13  Andao halaintsika daholo ny harenany sarobidy,Dia hofenointsika zavatra norobaina ny tranontsika. 14  Andao hiaraka* aminay,Dia hozaraintsika mitovy izay zavatra hangalarintsika.”* 15  Aza manaraka azy ireo, anaka. Aza mandeha amin’ny lalany mihitsy.+ 16  Fa mihazakazaka hanao ratsy ny tongony,Ary maika handatsa-dra+ izy. 17  Tena hiala maina izay mamelatra harato eo imason’ny vorona. 18  Izany no mahatonga azy ireo hiafina mba handatsa-dra.Miafina mba hanala ain’olona izy ireo. 19  Izany no fanaon’ny olona mitady tombony amin’ny tsy marina.Haningotra ny ain’izay mahazo azy izany.+ 20  Miantsoantso eny an-dalana+ ny tena fahendrena,+ Ary manandratra ny feony eny amin’ny tany malalaky ny tanàna.+ 21  Eny an-joron-dalana* be olona izy no miantsoantso. Eo amin’ny vavahady fidirana mankao an-tanàna izy no miteny hoe:+ 22  “Mandra-pahoviana ianareo tsy dia nahita fiainana* no mbola te hiadaladala? Mandra-pahoviana ianareo mpaneso no mbola ho tia manesoeso? Ary mandra-pahoviana ianareo tsisy saina no mbola hankahala fahalalana?+ 23  Ekeo ny anatro,*+ Dia handatsahako ny fanahiko ianareo,Ary hampahafantariko anareo ny teniko.+ 24  Efa niantsoantso mantsy aho, fa tsy nety mihitsy ianareo,Ary efa nanolotra ny tanako aho, fa tsy nisy niraharaha.+ 25  Tsy nisy noraharahianareo ny torohevitro rehetra,Ary nolavinareo ny anatro. 26  Dia hihomehy koa aho rehefa mamely anareo ny loza,Ary haneso aho rehefa tonga izay tena atahoranareo,+ 27  Rehefa avy hoatran’ny oram-baratra ny zavatra mampatahotra be anareo,Ary tonga tahaka ny tafio-drivotra ny loza hanjo anareo,Rehefa mianjady aminareo ny fahoriana sy ny zava-tsarotra. 28  Hiantso ahy foana izy ireo amin’izay, fa tsy hamaly aho,Ary hitady ahy mafy izy, fa tsy hahita ahy.+ 29  Nankahala fahalalana mantsy izy,+Ary tsy nifidy ny hatahotra an’i Jehovah.+ 30  Tsy nekeny ny torohevitro,Sady tsy nisy noraharahiany ny anatro. 31  Koa hizaka* ny vokatry ny nataony izy,+Ary hahita faisana noho ny teti-dratsiny.* 32  Fa ny ditran’izay mbola tsy dia nahita fiainana* no hahafaty azy,Ary ho ringana ny tsisy saina satria tsy mivaky loha.* 33  Izay mihaino ahy kosa hilamina,+Sady tsy mba hiady saina satria tsy matahotra loza.”+

Fanamarihana

Na: “hianarana.”
Na: “hanao izay mahitsy.”
Na: “mbola tanora fanahy.”
Na: “tari-dalana feno fahendrena.”
Na: “ny fanoharana.”
Na: “fanajana.”
Na: “fifehezana; famaizana.”
Na: “lalàn’ny.”
Abt: “handatsa-dra.”
Jereo F.T.
Na: “hiara-manao antsapaka.”
Na: “Dia kitapo iray ihany no hiombonantsika.”
Abt: “Eny amin’ny lohan’ny lalana.”
Na: “ianareo tanora fanahy.”
Na: “Miverena rehefa mananatra aho.”
Abt: “hihinana.”
Abt: “Ary ho vokin’ny toroheviny.”
Na: “mbola tanora fanahy.”
Na: “satria afa-po amin’ny tenany.”