Ohabolana 10:1-32

10  Ohabolan’i Solomona.+ Ny zanaka hendry mampifaly ny rainy,+ fa ny zanaka adala kosa mampahory ny reniny.+  Tsy hitondra soa ny harenan’ny ratsy fanahy,+ fa hiaro ny olona tsy ho faty kosa ny fahamarinana.+  Tsy havelan’i Jehovah ho noana ny olo-marina,+ fa holaviny kosa ny fanirian’ny ratsy fanahy.+  Hahantra izay kamo miasa,+ fa mampanan-karena kosa ny tanan’ny mazoto.+  Manangom-bokatra mandritra ny fahavaratra ny zanaka hendry, fa matory mandritra ny fijinjana kosa ny zanaka mahamenatra.+  Hahazo fitahiana ny olo-marina,+ fa fikasana hampiasa herisetra kosa no fonosin’ny tenin’ny ratsy fanahy.+  Ny fahatsiarovana ny olo-marina dia hitondra fitahiana ho azy,+ fa ho lo kosa ny anaran’ny ratsy fanahy.+  Hankatò ny didy ny olona manana fo hendry,+ fa ho voahosihosy kosa ny olona miteny toy ny adala.+  Tsy mba hanana ahiahy ny olona tsy mivadika,+ fa ny mpamitaka kosa ho fantatra eny ihany.+ 10  Hiteraka ratram-po ny olona mipy maso hoenti-mamitaka,+ ary ho voahosihosy ny olona miteny toy ny adala.+ 11  Loharanon’aina ny vavan’ny olo-marina,+ fa fikasana hampiasa herisetra kosa no fonosin’ny tenin’ny ratsy fanahy.+ 12  Mampisy fifandirana ny fankahalana,+ fa ny fitiavana kosa manarona ny fahadisoana rehetra.+ 13  Avy amin’ny molotry ny mahira-tsaina ny fahendrena,+ fa ny tsorakazo kosa natao ho an’ny lamosin’ny tsy ampy saina.*+ 14  Ny hendry no mitahiry fahalalana,+ fa ny vavan’ny adala kosa manafaingana ny fandringanana.+ 15  Ny harenan’ny mpanana no fiarovana ho azy, toy ny tanàna misy manda.+ Fa ny fahantran’ny sahirana kosa no mitera-pahavoazana ho azy.+ 16  Fiainana no vokatry ny asan’ny olo-marina,+ fa fahotana kosa no vokatry ny ataon’ny ratsy fanahy.+ 17  Mitarika ho amin’ny lalan’ny fiainana ny olona mihaino anatra,+ fa izay mandà anatra kosa mampivily lalana.+ 18  Izay manafina ny fankahalany dia manana molotra mandainga,+ ary tsisy saina izay manendrikendrika.+ 19  Ny teny maro tsy ilaozan’ota,+ fa malina kosa ny olona mahafehy ny vavany.+ 20  Toy ny volafotsy tena tsara ny lelan’ny marina,+ fa tsy dia misy vidiny kosa ny fon’ny ratsy fanahy.+ 21  Mamelona sy mitari-dalana olona maro ny tenin’ny marina,+ fa ripaka kosa ny adala satria tsy ampy saina.*+ 22  Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena+ ary tsy ampiany fahoriana izany.+ 23  Amin’ny tsisy saina dia toy ny kilalao ny fitondran-tena baranahiny,+ fa natao ho an’ny olona mahay manavaka kosa ny fahendrena.+ 24  Ny zavatra atahoran’ny ratsy fanahy mihitsy no hanjo azy,+ fa ho tanteraka kosa ny fanirian’ny marina.+ 25  Hanjavona sahala amin’ny tafio-drivotra mihelina ny ratsy fanahy,+ fa mafy fototra mandritra ny fotoana tsy voafetra kosa ny marina.+ 26  Toy ny vinaingitra amin’ny nify sy toy ny setroka amin’ny maso, dia toy izany ny kamo amin’izay maniraka azy.+ 27  Ny fahatahorana an’i Jehovah no mahela velona,+ fa hohafohezina kosa ny taona iainan’ny ratsy fanahy.+ 28  Mitondra fifaliana ny fanantenan’ny marina,+ fa ho foana kosa ny fanantenan’ny ratsy fanahy.+ 29  Fiarovana mafy ho an’ny tsy manan-tsiny ny lalan’i Jehovah,+ fa haringana kosa ny mpanao ratsy.+ 30  Tsy hangozohozo mandritra ny fotoana tsy voafetra ny marina,+ fa ny ratsy fanahy kosa tsy honina maharitra amin’ny tany.+ 31  Fahendrena no voa ateraky ny vavan’ny marina,+ fa hofongorana kosa ny lelan’ny mpandainga.+ 32  Hankasitrahana ny tenin’ny marina,+ fa lainga kosa no eo am-bavan’ny ratsy fanahy.+

Fanamarihana

Jereo Oh 6:32 f.a.p.
Jereo Oh 6:32 f.a.p.