Ohabolana 11:1-31

  • Izay manetry tena no hendry (2)

  • Mitondra loza ho an’ny olona ny mpivadi-pinoana (9)

  • ‘Hahomby izay atao raha maro ny mpanolo-tsaina’ (14)

  • Handeha tsara ny fiainan’izay tia manome (25)

  • Ho lavo izay matoky ny harenany (28)

11  Maharikoriko an’i Jehovah ny mizana mandainga,*Fa mahafaly azy kosa ny vatomizana marina.*+  2  Ho afa-baraka izay lasa manambony tena,*+Fa izay manetry tena* no hendry.+  3  Manao izay mahitsy foana ny olona tsy mivadika,+Fa haringana kosa ny mpivadika satria zatra mametsifetsy.+  4  Tsy hisy hilana azy ny harena* amin’ny andro fahatezerana,*+Fa ny fahamarinana kosa no hamonjy ny olona tsy ho faty.+  5  Ny fahamarinan’ny tsy misy tsiny no mahatonga azy hanaraka lala-mahitsy,Fa ny ratsy fanahy kosa ho lavo satria manao ratsy.+  6  Ny fahamarinan’ny olo-mahitsy no hamonjy azy,+Fa ho voafandriky ny faniriany kosa ny mpivadika.+  7  Foana ny fanantenan’ny ratsy fanahy rehefa maty izy,Ary foana koa ny zavatra nantenainy hoe ho vitany amin’ny heriny.+  8  Vonjena amin’ny fahoriana ny olo-marina,Ka ny ratsy fanahy indray no iharan’izany.+  9  Mitondra loza ho an’ny namany ny tenin’ny mpivadi-pinoana,*Fa ny olo-marina kosa vonjena satria manana fahalalana.+ 10  Faly ny ao an-tanàna noho ny toetra tsaran’ny olo-marina,Ary mihoby ny olona rehefa maty ny ratsy fanahy.+ 11  Lasa mandroso* ny tanàna noho ny tsodranon’ny olo-mahitsy,+Fa rava kosa ilay izy noho ny tenin’ny ratsy fanahy.+ 12  Manambanimbany* ny namany ny olona tsy ampy saina,*Fa mangina kosa ny olona mahay mandinika tsara.+ 13  Mandehandeha mamoaka tsiambaratelo ny mpanendrikendrika,+Fa mitana tsiambaratelo* kosa ny olona mendri-pitokisana.* 14  Hijaly ny vahoaka raha tsy mahazo tari-dalana tsara,*Fa hahomby kosa izay ataony* raha maro ny mpanolo-tsaina.*+ 15  Tsy maintsy hahita loza izay miantoka olona* mindram-bola raha tsy fantany akory ilay olona,+Fa hilamin-tsaina kosa izay tsy mety* mifandray tanana mba hiantoka olona. 16  Mahazo voninahitra ny vehivavy mahafinaritra,*+Fa mandroba harena ny olona tsy misy antra. 17  Manao soa amin’ny tenany ny olona tsara fanahy,*+Fa mampidi-kizo ny tenany* kosa ny olona tia mampijaly.+ 18  Tsy tena karama no azon’ny ratsy fanahy,+Fa tena valisoa kosa no azon’izay mamafy fahamarinana.+ 19  Hahazo fiainana ny olona miezaka manao ny marina,+Fa ho faty izay tsy mieritreritra afa-tsy ny hanao ratsy. 20  Maharikoriko an’i Jehovah ny olona fetsifetsy,*+Fa mahafinaritra azy kosa izay mandeha tsy misy tsiny.+ 21  Matokia* fa tsy maintsy ho voasazy ny olon-dratsy,+Fa ho afa-mandositra kosa ny zanaky ny olo-marina. 22  Hoatran’ny kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoaNy vehivavy tsara tarehy nefa tsy misaina. 23  Mitondra soa ny fanirian’ny olo-marina,+Fa mampahatezitra kosa ny zavatra antenain’ny ratsy fanahy. 24  Misy tia manome* nefa vao mainka mihamanana,+Fa misy tsy mahafoy manome zavatra tokony homena, nefa lasa mihamahantra.+ 25  Handeha tsara ny fiainan’izay* tia manome,+Ary izay manome rano* dia homena rano koa.+ 26  Hozonin’ny olona izay tsy mety mivarotra vokatra,Fa homeny tsodrano kosa izay manaiky hivarotra vokatra. 27  Izay mazoto manao soa dia ankasitrahan’ny olona,+Fa izay mitetika ny hanao ratsy kosa tsy maintsy hiharan’izay ratsy noeritreretiny ihany.+ 28  Ho lavo izay matoky ny harenany,+Fa handrobona toy ny hazo midoroboka kosa ny olo-marina.+ 29  Hisambo-drivotra izay mampidi-kizo* ny ankohonany,+Ary ho mpanompon’izay manana fo hendry ny tsisy saina. 30  Toy ny hazon’aina ny vokatry ny ataon’ny olo-marina,+Ary hendry izay maharesy lahatra olona.+ 31  Raha ny olo-marina eto an-tany aza mahazo ny valin’ny nataony,Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!+

Fanamarihana

Na: “mizana manambaka.”
Na: “vatomizana feno.”
Na: “sahisahy ratsy.”
Izany hoe miaiky fa voafetra ihany ny zavatra vitany.
Na: “zava-tsarobidy.”
Na: “fahatezeran’Andriamanitra.”
Na: “olona tsy matahotra an’Andriamanitra.”
Abt: “misandratra.”
Na: “Manao tsinontsinona.”
Abt: “tsy misy fo.”
Abt: “manarona raharaha.”
Abt: “manana toe-tsaina tsy mivadika.”
Na: “mpanoro hevitra.”
Na: “hisy famonjena kosa.”
Na: “tari-dalana feno fahendrena.”
Na: “manome antoka ho an’olona.”
Abt: “izay mankahala ny.”
Na: “tsara toetra.”
Na: “olona be fitiavana sy tsy mivadika.”
Na: “ho afa-baraka.”
Na: “tsy mahitsy fo.”
Abt: “Andao hifandray tanana.”
Abt: “Misy manaparitaka.”
Abt: “Hohatavezina izay.”
Abt: “izay manondraka be dia be.”
Na: “manao izay hahafa-baraka.”