Ohabolana 13:1-25

13  Hendry ny zanaka rehefa anarin’ny rainy,+ fa ny mpaniratsira kosa tsy mihaino na dia tenenina mafy aza.+  Mandray soa ny olona noho ny teny aloaky ny vavany,+ fa ny mpivadika kosa tsy mieritreritra afa-tsy ny hanao herisetra.+  Miaro ny ainy ny olona mahafehy ny vavany,+ fa izay be resaka kosa manimba tena.+  Maro ny fanirian’ny kamo, nefa tsy manana na inona na inona izy.+ Tsy hanan-java-mahory kosa ny mazoto.+  Halan’ny marina ny lainga,+ fa manao izay mahamenatra kosa ny ratsy fanahy, ka manala baraka tena.+  Miaro an’izay tsy manisy ratsy olona ny fahamarinana,+ fa ho voan’ny haratsiam-panahiny ihany kosa ny mpanota.+  Misy miseho ho manankarena nefa tsy manana na inona na inona,+ fa misy kosa mody mahantra nefa manankarem-be.  Ny harenan’ny manankarena no mahavotra ny ainy,+ fa ny mahantra kosa tsy mba mandre teny henjana.+  Ny fahazavan’ny marina hampifaly azy,+ fa ho faty kosa ny jiron’ny ratsy fanahy.+ 10  Miteraka ady fotsiny ny fiheveran-tena ho ambony,+ fa hendry kosa izay mila hevitra amin’ny hafa.+ 11  Mihena ny harena azoazo foana,*+ fa izay manangona izany tsikelikely no mampitombo azy.+ 12  Marary ny fo raha mihemotra foana ny fahatanterahan’ny zavatra antenaina,+ fa hazon’aina kosa ny faniriana tanteraka.+ 13  Izay manao tsinontsinona ny teny,+ dia halaina aminy ny zavatra natao antoka, fa hovalian-tsoa kosa izay matahotra ka mitandrina ny didy.+ 14  Loharanon’aina ny lalàna avy amin’ny hendry,+ ka miaro azy tsy ho azon’ny fandriky ny fahafatesana.+ 15  Mahazo sitraka amin’ny hafa ny olona tena lalin-tsaina,+ fa sarotra kosa ny lalana diavin’ny mpivadika.+ 16  Miezaka hahalala ny zava-misy ny olona malina rehefa hanao zavatra,+ fa hadalana kosa no haelin’ny tsisy saina.+ 17  Zava-dratsy foana no vokatry ny ataon’ny mpitondra hafatra ratsy fanahy,+ fa fanasitranana kosa ny iraka mendri-pitokisana.+ 18  Mahantra sy afa-baraka izay tsy miraharaha anatra,+ fa omem-boninahitra kosa izay manaiky fananarana.+ 19  Faly ny olona rehefa tanteraka ny faniriany,+ fa maharikoriko amin’ny tsisy saina kosa ny miala amin’ny ratsy.+ 20  Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry,+ fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.+ 21  Arahin’ny loza avy ao aoriana ny mpanota,+ fa hovalian-tsoa kosa ny marina.+ 22  Hamela lova ho an’ny zafikeliny ny olona tsara toetra, ary ny harenan’ny mpanota kosa tehirizina ho an’ny marina.+ 23  Miasa ny taniny ny mahantra ka ahazoany sakafo be dia be izany,+ fa ny olona sasany kosa ripaka noho ny tsy fisian’ny rariny.+ 24  Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany,+ fa izay tia azy kosa manara-maso azy ka mananatra azy.+ 25  Ny marina mihinana ka tena voky tsara,+ fa ny kibon’ny ratsy fanahy ho noana.+

Fanamarihana

Angamba azo tamin’ny tsy marina.